· Jona, 2013

Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Jona, 2013

Nametra-pialàna Ilay Biby Famantarana Ny Halemem-panahy Any Singapore

  30 Jona 2013

Singa, ilay liona maha-te ho tia any Singapore ary avy eo biby famantarana ny fahasoavana nanomboka tamin'ny 1982, dia nametra-pialàna. Raha nitaraina noho ny "fiaraha-monina miharatsy sy mahasosotra" izy, nahatsapa ny liona fa fotoana tokony hitsaharana izao. Raha ny fantatra dia nanao taratasy fametraham-pialana tamin'ny Hetsi-Pahasoavana ao Singapore mihitsy i Singa.

Fampanantenana Rariny Ara-Piarahamonina ho an'ireo Tsy Manan-tany ao India

  30 Jona 2013

Nankatoavina nandritra ny fivoriana niarahana tamin'i Jairam Ramesh, minisitry ny fampandrosoana ny faritra ambanivohitra tamin'ny 15 aprily 2013, ny asa maharitra notontosain'ny Ekta Parishad, ( “diniky ny Firaisan-kina” [hi]) teny amin'ny faritra ambanivohitra mahantra indrindra ao India, ka nanekena ny fifanarahana anatiny miaraka amin'ny governemanta, hanomezana anjara masoandro ho an'ireo tsy...

Voasakana Tany Etazonia dia Nipoitra Tao Rosia Indray Ilay Lalàna SOPA

Niverina ny lalàna Amerikana "Stop Online Piracy Act" (Ajanony ny Fijirihana Anaty Aterneto) - ary efa hihatra afaka herinandro eo ho eo. Tsy ao Etazonia anefa ny SOPA no hivoaka, toerana izay nahitàna fihetsiketseham-bahoaka notontosain'ny fikambanan'ireo orinasa misahana ny aterineto, fikambanana Mpiaro ny Zon'olombelona, ary ireo mpampiasa aterneto mba hitsipahana ny lalàna tamin'ny volana Janoary 2012. Lalàna iray mamolavola sazy henjana ho an'ireo izay manitsakitsaka anaty Aterneto ny zon'ny mpamorona no eo an-dalam-panantanterahana ao Rosia.

Manafika Ny Fonenan'Ireo Shiita Ao Ejipta Ny Salafista, Efatra No Maty

Mpikambana Ejiptiana efatra ao amin'ny antokom-pivavahana Shiita no namoy ny ainy tao Ejipta androany tamin'ny fanafihan'ireo Salafista ny fiangonan'izy ireo, taorian'ny fihantsiana nataon'izy ireo tamin'ny Shiita nandritry ny roa herinandro. Araky ny filazan'ireo tatitra maro isan-karazany, nodorana sy notafihina ny fiangonan'ny Shiita tany Giza sy Kairo. Ny Al Badil News dia mitatitra ny fijoroana vavolombelon'ny avy tao amin'ny tranom-paty izay milaza [ar] fa novonoina ny iray tamin'ireo olona maty ireo ary ny telo ambiny naratra mafy ny lohany. Nahatonga fahatezerana tanaty aterneto izany tranga mahatsiravina izany.

Iray No Maty Tamin'ny Fisian'Ilay Hetsi-panoherana Nanerana An'I Brezila

  30 Jona 2013

Tovolahy iray no maty voadonan'ny fiara tao Ribeirao Preto ary ampolony maro no naratra tamin'ilay fifandonana tamin'ny polisy tao Brezila, Rio de Janeiro, ary tao Salvador satria efa maherin'ny iray tapitrisa ireo olona nidina an-dalàmbe teny amin'ireo tanàn-dehibe sy kely rehetra manerana an'i Brezila, io no hetsi-panoherana lehibe indrindra hita teo amin'ny firenena tao anatin'ny roampolo taona.

Loka Eropeana Ho An'ny Fanampiana Ireo Voakasiky Ny Krizin'ny Fanaovana Antoka any Espaina

  30 Jona 2013

Namoaka ny anaran'ireo mpandresy tamin'ilay fifaninanana Olom-pirenena Eoropeana tamin'ity taona ity ny Parlemanta Eropeana. Nomena ilay Sehatra ho an'ny Voakasiky ny Fanaovana Antoka (PAH amin'ny teny espaniola) ny iray tamin'izany, fikambanana iray any an-toerana natao hanamaivana ny fijalian'ireo olona any Espaina izay voakasik'ilay krizin'ny fampindramam-bola "subprime" sy ireo voaroaka niala tamin'ny trano fonenany. Nasiaka dia nasiaka ny antoko eo amin'ny fitondràna tamin'ny fomba fizaràna loka, raha toa ka nanaiky tanteraka izany ny mpampiasa aterineto.

Ireo pejinay momba an i Blaogy

Lahatsoratra ahitana endrika fampitan-kafatra maromaro na sary na lahatsary na feo na rakitra hafa.