Sarimihetsika enina momba ireo vondrom-piarahamonina ao Azia-Pasifika miatrika ny olan'ny toetrandro

Apayao community

Vondrom-piarahamonin'ireo tantsaha any lavitra any, ao amin'ny faritanin'i Apayao, avaratr'i Filipina. Loharano: Cinemata

Ity lisitra filalao ity dia avy amin'ny Cinemata, sehatra iray ho an'ireo sarimihetsika miresaka sôsialy sy tontolo iainana momba an'i Azia- Pasifika. Tetikasa iray an'ny EngageMedia, fikambanana iray momba ny media, teknôlôjia ary kolontsaina, tsy mikatsaka tombony ara-bola. Ity dia dika nokiraina sy naverina navoaka ho ampahany amin'ny fifanarahana mifampizara votoaty amin'ny  Global Voices.

Ho fanamarihana ny fankalazana ny Andron'ny Tany rehefa 22 Aprily, navorin'ilay sehatra fametrahana lahatsary Cinemata ao Azia-Pasifika ireo sarimihetsika miresaka tontolo iainana avy ao Azia-Pasifika manasongadina ny tantaran'ireo vondrom-piarahamonina miady amin'ny fiantraikan'ny fiovàn'ny toetrandro, sy ny fanaingàny fanahy hanana fanantenana hiatrehana ny olan'ny toetrandro amin'ny alàlan'ny ezaka ataony sy ny firaisankinan-dry zareo

Filipina: “KalikaSan Tayo?”

Ny “KalikaSan Tayo?” — lalao iray amin'ny fiteny Filipiana “kalikasan” (tontolo iainana) sy “saan tayo” (ho aiza isika ity?) — dia andiana vlog miresaka fitsangantsanganana, novokarin'ny Greenpeace Philippines ary miresaka ireo tantara sy zavatra iainan'ireo vondrom-piarahamonina Filipiana any amin'ny nosy miaina tsy tapaka any ny loza mitatao vokatry ny fisondrotry ny haavon'ny ranomasina sy ireo fiantraika hafa entin'ny olan'ny fiovàn'ny toetrandro.

Avy amin'ny tantaran'ireo sisampatin'ny rivodoza mahery ka nahita fomba feno fahaizamamorona nentiny hisorohana ny loza ara-tontolo iainana amin'ny hoavy, ka hatramin'ireo mponina miaro ny vondrom-piarahamonina misy an-dry zareo mikatsaka ny rariny ara-toetrandro, hamafisin'ilay lahatsary ny feon'ireo izay eny am-bavahadin'ny olana ara-toetrandro.

Fantaro misimisy kokoa ato anatin'ity lahatsoratra ity.

Mpamokatra: Greenpeace Philippines
Firenena: Philippines

India: “Coral Woman” (Vehivavin'ny Haran-dranomasina”

Efa an-taona maro, nanao sary hosodoko momba ny haran-dranomasina i Uma, na dia tsy mbola nijoboka an-drano velively akory aza mba hahita maso ireo vato tena izy. Teo amin'ny faha-49 taonany, nianatra nisitrika an-drano izy ary nahita ireo fepetra henjana marina momba ny toetoetry ny haran-dranomasina ao India. Nanjohy azy tamin'ny diany ny Tale Priya Thuvassery fony izy niatrika ny zavamisy tsy tambo tanisaina atrehan'ny tontolo an-dranomasina amin'izao fotoana izao.

Fantaro misimisy kokoa ato ny momba ilay fanadihadiana sy ny fiantraikan'ny fanentanany.

Tale: Priya Thuvassery
Firenena: India

Indonezia: “Hilangnya Rawa Tripa” (Ny Fahaverezan'ny Honahona Tripa)

Ao Aceh, Indonezia, vondrom-piarahamonina iray no zatra niankin-doha tamin'ny Honahona Tripa hatrizay ho an'ny filan-dry zareo andavanandro, saingy ny fahamaizan'ny ala dia nanohintohina ny loharanom-piveloman-dry zareo.

Mpamokatra: Aceh Documentary
Firenena : Indonezia

Filipina: “[S]ILAW: Isang Dokumentaryo”

Nandritra ny 20 taona, nahazo tombony nisitraka herinaratra azo avy amin'ny loharano madio sy maharitra ny vondrom-piarahamonina iray any lavitra be any, ao amin'ny faritra Cordillera Avaratra ao Filipina.

Ny fanadihadiana fohy [S]ILAW — kilalaon-teny avy amin'ny fiteny filipiàna “hazavana” sy “manjelatra” – dia manasongadina ireo ezaka sy fahavononan'ny vahoaka ao Katablangan mba hiantohana ny fanànana herinaratra azo ianteheran'ny vondrom-piarahamonin-dry zareo.

Tale: Kodao Productions
Firenena: Filipina

Kambodza: “Our Land, Our Food” (Ny Taninay, Ny Haninay)

Ao Kampong Thom, Kambodza, mba hikarakarana ny sakafon'ny ankohonana, mifanaraka amin'ny fomba fiainana nentindrazany,  Ros Keal sy ireo mpiray vohitra aminy dia miankina amin'ireo vokatra natoraly avy amin'ny alan'ny vondrom-piarahamonina. Tsy ela akory izay, nanjavona ny sasany tamin'ireo zavamaniry nahazatra fahita fahiny teny anivon'ny natiora.

“Our Land, Our Food” dia novokarin'ireo tanora vazimba teratany, tao anatin'ny tetikasa 2022 Let's Document Cambodia “Docu Colab” an'ny Sunflower Film Organization.

Mpamokatra: Sunflower Film Organization
Firenena: Kambodza

Kambodza: “Plants of Life” (Zavamanirin'ny Aina)

Mpahay momba ny bozaka noho ny fitiavany azy, i Och To dia mampiasa ny fitsaboana nentindrazana ho entiny manasitrana ireo mponina am-bohitra ao Kouy,   faritanin'i Kampong Thom ao Kambodza. Kanefa, nohasarotin'ny fiovàn'ny toetrandro sy ny fanimbàna ala ny fahitàny ireo bozaka sy zavamaniry ilainy avy ao an'ala.

“Plants of Life” dia novokarin'ireo tanora vazimba teratany, tao anatin'ny tetikasa 2022 Let's Document Cambodia “Docu Colab” an'ny Sunflower Film Organization.

Mpamokatra: Sunflower Film Organization
Firenena : Kambodza

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.