Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Septambra, 2011
Tontolo Arabo: Loka Nobel Fandriampahalemana Ho An'ny Mpiserasera Niaro ny Revolisiona??
Nientanentana tanteraka ny Twitter tamin'ny alina noho ny anaran'ilay mpiserasera Arabo voatonotonina fa mety ho kandidà voafidy hahazo ny Loka Nobel Fandriampahalemana noho ny andraikitra nosahaniny nandritra ny Revolisiona Arabo. Ejyptiana Wael Ghonim (@Ghonim) sy Esraa Abdelfattah (@Esraa2008) miaraka amin'ny Hetsiky ny Tanora 6 Aprily, no natonin'ny mpanoratra Toniziana ao amin'ny Global Voices...
Zambia: Manisa ny Fiovana Anatin'ny 90 Andro ny Mpiserasera
Nampanantena nandritra ny fifidianana malalaka intelo miantoana ny filoha vaovaon'i Zambia, Michael Sata, ny hanova ny firenena ao anatin'ny 90 andro ka anatin'izany ny fampitomboana ny vola miditra any am-paosin'ny olona. Ankehitriny moa raha lany hitarika ny firenena ihany ny tenany, dia nanomboka nanisa andro amim-panantenana amin'izay ny mpiserasera. Efa resy lahatra...
Kenya: Mandria am-piadanana #WangariMaathai
Mbola misesy ny Tweets manome voninahitra ilay nahazo ny loka Nobel Fandriampahalemana Wangari Maathai nodimandry tamin'ny herinandro rehefa niady tamin'ny homamiadana
Filipina: Famoronana Karazana Hetsika Mandritra ny Fitokonan'ny Campus
Nahitana ny fampiasana ny fitaovana an-tserasera hanetsehana olona anarivony hiady ho amin'ny zo hahazo fanabeazana ny fitokonana eny amin'ny anjerimanontolo manerana ny firenena mandritra ny herinandro enti-manohitra ny fampihenana ny tetibola. Manomboka ny 19 ka hatramin'ny 23 Septambra 2011, tanora an'arivony no hirotsaka an-dalambe ary tohanan'ny mpampianatra sy ny mpandraharaha...
Iran: Fahatezerana Manoloana Ilay Lahatsary Mampiseho Fampijaliana Orsa
Nanomboka ity raharaha ity raha namoaka lahatsary mampiseho “mpihaza” avy any Samirom faritanin'i Isfahan namono orsa volontany sy nampijaly ny zanany ho toy ny kilalao eo anoloan'ny fakantsary ny Fikambanana Iraniana mpiaro ny biby. Noloaran'izy ireo ny kibon'ny zanany iray ary natsipiny manodidina avy eo raha mbola velona ilay zavamananaina. Niteraka...
Fiarovana ny Ala Afrikana: Lova Navelan'i Wangari Maathai
Lasa any ankoatra tamin'ny 25 Septambra 2011 lasa teo i Wangari Maathai, Kenyana malaza amin'ny fiarovana ny tontolo iainana sy mpikatroka politika ary nahazo ny loka Nobel tamin'ny 2004. Izy no vehivavy Afrikana voalohany nahazo ny loka sady ekena manerantany ho olo-malaza ao amin'ny tahalan'ny tolona ho amin'ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny tetikasa maharitra eto amin'ny kaontinanta Afrikana.
Etazonia: “Fehezo i Wall Street” Foibe Ara-bolan'i New York
Tao amin'ny distrikan'ny vola ao New York, nikarakara fihetsiketsehana milamina ny vondrona Fehezo i Wall Street (#occupywallstreet tao amin'ny Twitter), notohanan'ny fikambanana Kanadiana AdBusters sy ny mpisovoka antserasera Anonymous izany hetsika izany. Aingam-panahy avy amin'ny hetsika an-tanàna tany amin'ny firenena Arabo sy Eoropeana, mampiseho ny tsy fahafaliany ireo tanora ireo ny amin'ny fomba ataon'i...
Kamerona: Dia Ahoana Raha Tsy Mandeha Mifidy Isika Amin'ny 9 Oktobra?
Ao Kamerona, toa tsy dia mahataitra loatra ny olona ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin'ny 9 Oktobra 2011. Ho an'ny Kamerone maro, tsy dia misy lanjany loatra io fifidianana io ary dia tsy misy antony tokony hifidianana raha ny hevitry ny mpifidy maro, satria ny vokatra dia efa mirona sahady mankany amin'ny Filoha amperin'asa Paul Biya.
Jordana : Adin'ny MP (Mambran'ny Parlemanta) Amin'ny Tanora
Ny fivorian'ny Antenimiera tao Amman, Jordana tamin'ity herinandro ity, no niatombohan'ny tsy fahafalian'ny mponina, indrindra teny anivon'ny vondrom-piarahamonin'ny tanora. Ireo tanora Jordaniana dia romotra be tao anatin'ilay adihevitra. Nanazava i Nadine Toukans.
Zeorzia: Fifidianana Mpitondrateny Antenimiera Virtoaly
Mialoha ny fifidianana Antenimiera hotontosaina any Zeorzia amin'ny Oktobra 2012 dia i David Bakradze, Filohan'ny Parlemanta amin'izao fotoana izao, no mpikambana ao amin'ny antoko mitondra mavitrika indrindra ao amin'ny Facebook. Amin'ny fotoana anoratana dia manana “mpankasitraka” 27.526 ny pejy ofisialiny, izay ahitana ny sarin'ny fitsidihana, ny fivoriana nataony ary ny fiankaviany. Namoaka...