Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Oktobra, 2015
Tranga Manafintohina Mampirongatra Ny Ahiahin'ny Katalàna Mialoha Ny Fifidianana Manan-Tantara Momba Ny Fahaleovantena
Vao mainka nampirongatra ny tsy fitokisan'ny vahoaka Katalàna ireo hadisoam-pamindra nampalahelo nataon'ny governemanta Espaniola, herinandro mialoha ilay fifidianam-paritra momba ny "fahaleovantena"-n'i Katalonia natao ny 27 Septambra.
Ny fahafatesan'ilay mpikatroka Trans iray no nampiseho fa mbola ela vao ho tapitra ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy
Voaresaka indray ny famonoan'olona noho ny fankahalana sy ny herisetra atao amin'ny vehivavy taorian'ny fahafatesan'ilay mpiadin'ny zon'ny nanova taovam-pananahana iray malaza ao Arzantina.
Voakiana noho ny tatitra “mitongilana” amin'ny lanonam-pivavahana shiita ny fampitam-baovao lehibe
Shiita an-tapitrisany no manamarika ny tsingerintaonan'ny mahamaritiora ny Imam Hussain bin Ali, izay maty novonoina tokony ho 1.300 taona lasa izay, isan-taona. Mandaka ny fomba fandraisana diso ataon'ny fampitam-baovao lehibe ny mpiserasera.
Manampahefana Okrainiana Voaroaka Noho Ny Fampiasana Tolotra Mailaka Rosiana Tamin'ny Fifandraisana Ofisialy
Mihevitra ny manampahefana Okrainiana fa mety "hanohintohina ny fiarovam-baovaon'ny firenena" ny fampiasana ny tolotra mailaka Rosiana.
Mitafiotra Media Sosialy Ny Hetsika #FreeAlaa (Avotsory i Alaa) Raha Feno Herintaona ny Nanagadrana Azy
Herintaona tany am-ponja i Alaa Abd El Fattah noho ny fikatrohana ataony. Mbola mamita sazy efa-taona. Miaka-peo ny mpiserasera tamin'ny fankalazana ny herintaonan'ny nanagadrana azy mba hitaky ny famotsorana azy.
Nahazo Fanohanana Tamin'ny Vahoaka Ilay Mpanankato Shinoa Ai WeiWei Rehefa Nolavin'ny Lego Ny Fangatahany
"Tsy asiana Lego amin'ny lisitry ny entana hovidiana amin'ny Krismasy. Mandiso fanantenana ny tsy fanohanana an'i Ai Wei Wei "
Tantaranà Mpifindra Monina: Fiainana Voazaran'ny Ranomasimbe Atlantika
Nandao an'i Arzantina, firenena nahaterahany, i Natalia Carruego mba hitsapa vintana tany Eoropa. Isanandro izy dia mahatsiaro ny fianakaviany sy ny loza mitatao amin'ny fireneny.
Kotatsu sa Korsy? Japoney sa Iraniana izao fomba fanafanana tena izao?
Hita taratra fa manana tekinika mitovy fototra i Japana sy i Iran rehefa amin'ny fampahazoana aina mandritra ny ririnina.
Miaina Miaraka Amin'ny Fanantenana Fa Mbola Hiverina Indray Andro Any: Lehilahy Dominikàna Iray Ao Espaina
"Tany amboalohany dia teny amoron-dàlana aho no natory, any anaty kianja mandrakariva, nefa tsy natahotra satria tsy misy atahoranao rehefa tsy manana na inona na inona ianao. Nihatsara ny fandehan-javatra."
Nandao An'i Etazonia Tsy Misy Resaka Nokleary Ny Praiminisitra Pakistaney
"Tena tsy mahazatra ny fanambarana iraisana lavabe miseho alohan'ny fiafaran'ny fihaonana! Resak'i Obama-Sharif"