Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Jona, 2022
Ben'ny tanàna fahiny tao Tiorkia milaza fa nahita tahirina vatomamy (jellybeans) nafenina ireo tomponandraikitra
Namaly fanontaniana momba ireo tahirin-tsolika hita vao haingana ilay ben'ny tanàna fahiny rehefa nanao fanehoankevitra momba ny nahitàna tahirina vatomamy marobe
Ho an'ireo mpikatroka ho an'ny tanora, politikam-panjarian-tsakafo araka ny tokony ho izy no ilaina hitsinjovana ny hoavin'i Jamaika
Manoloana ny fanirian'ny governemanta hanolotra ho an'ny tsy miankina ireo orinasam-panjakana mpikarakara sy mpitsinjara sakafo an-tsekoly, manainga azy hametraka pôlitika mahomby amin'ny fanjarian-tsakafo sy fahasambarana ireo mpikatroka
Sary-sy-soratra, fisaonana sy fanoharana tamin'ny faharendrehan'ny sambo restaurant mitsikafona manan-daza an'i Hong Kong
Nizara meme (sary-sy-soratra) sy sarin-teny ny HongKongers, tahaka izany koa ireo hevitra mampisy eritreri-dratsy manoloana ny fahapotehan'ny Jumbo Floating Restaurant malaza ao Hong Kong.
Any Tbilisi, an'arivony no manatrika ny ‘diabe ho an'i Eoropa’ hanohanana ny fangatahan'i Zeorzia hiditra anatin'ny Vondrona Eoropeana
Nitranga ny diabe andro vitsivitsy taorian'ny nanemoran’ny Vaomiera Eoropeana ny fangatahin’i Zeorzia ho mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana.
Azerbaijan, hozongozonin'ny onja vaovaom-pisamborana atosiky ny pôlitika
Efa an-taona maro ireo fiarahamonina sivily sy mpanakiana fanjakana no kinendrin'ny filam-baniny, fandemena ary fisamborana. Manamarina ny fomba fanao hatrizay ilay onjana famoretana nitranga vao haingana
Ny Torolalana indiana 2022 fahazoan'ny Fampitam-baovao fankatoavana
Nampiketrona ireo avy amin'ny vondrom-piarahamonin'ny mpanao gazety, ireo mpikatroka, ary ireo olom-pirenena indiana voakasik'izany ny torolalana vaovao fahazoana fankatoavana noho ny fanomezana vahana ny manampahefana.
Mongolia: fanentanana ilaina momba ny fandotoana mba hialàna amin'ny fahasimbàna lehibe kokoa
Miatrika olan'ny fandotoana vokatry ny tsy fisiana fanentanana ny mponina momba ny resaka tontolo iainana i Mongolia, firenena midadasika sy tsy dia be mponina.
Ylli Morina: ilay 13 taona lalin-tsaina amin'ny matematika avy ao Skopje, mampianatra ireo mpianatry ny Anjerimanontolo
Satria tsy ampy ny kilasy sahaza sy ny boky fanabeazana tao amin'ny sekoly fanabeazana fototra nisy azy izay mifanaraka amin'ny filàny sy ny talentany, nanitatra ny fahalalany tamin'ny aterineto i Ylli, tamin'ny alalan'ny fihainoana an'ireo mpampianatra avy any ivelany.
“Andran-tsiro” ihany amin'ny fetibe amin'ity taona ity no ho azon'ireo mpitia Karnavaly ao Trinidad sy Tobagoa amin'ity taona ity, saingy ho tian'izy ireo ve izany ?
Raha ny sasany mientanentana amin'izay mety ho azo atao, ny hafa kosa manahy momba izay fomba tsara tokony hampiasàna ny loharanom-karen'ny firenena ao anatin'ny areti-mifindra
Tsy hiadaladala no nahatongavako, fa fotsiny hividy voasary makirana
"Antenaiko fa ho avy ny andro izay tsy ho toy izany intsony rehefa hividy voasary makirana aho, ary ny toerana fivarotana tsy ho lasa toerana iray hafa ao anatin'ny fiarahamonina handraisana ny olona araka izay afeniny any anaty zipony any."