Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Desambra, 2012
Niharan'ny Hetsika Miaramila Ny Alina Mialoha Ny Andro Krismasy i Balochistan
Nanatanteraka hetsika miaramila tany amin'ny distrikan'i Awaran ao Balochistan ny tafika Pakistaney nyalina alohan'ny Krismasy izay niafara tamin'ny fahasimbàna maro. Raha ny fantatra dia nikendry ny Tehsil Mashkai an'ny tranon'ilay mpitarika fisintahana, Dr. Allah Nazar any amin'ny vohitr'i Mahi io hetsiky ny tafika io.
Nanomboka Fanentanana #ProtectPrivacy Izay Niteraka Resabe Ny Minisitry Ny Fifandraisan-davitra Libaney
Miantso ny fianakaviambe ao anaty aterineto ny Minisitry ny Fifandraisan-davitra Libaney hanampy azy hiaro ny tsiambaratelo, raha nangatahina hanome ny mombamomba ireo olom-pirenena. Miteraka adihevitra goavana izay hanazavana ny politika ao an-toerana io fanentanana io.
Bangladesh: Tolotra Finday Ikarakarana Ny Fahasalaman'ny Ho Renim-pianakaviana Sy Ny Tera-bao
Samy nilatsaka ny taha-pahafatesan'ny Reny sy ny zanaka any Bangladesh. Amin'ny andaniny dia manakaiky ny 66% ny fidiran'ny finday ary maro amin'ireo mpampiasa azy no vehivavy. Aponjon, tolotra fitandroana ny fahasalaman'ny reny izay mmampiasa ny finday dia natomboka vao haingana hikendrena ireo ho renim-pianakaviana sy ireo tera-bao any Bangladesh mba hampihenana ny aretina sy ny fahafatesan'ny reny sy ny zaza menavava.
Mamono Syriana Milahatra Mofo Ny Hery an'habakabak'i Assad
Nanatanteraka tifi-danitra namono olona ny governemantan'i Syria – tamin'ireo Syriana nilahatra mofo tany amin'ny trano fivarotana mofo tany Halfaya, any Hama. Eo amin'ny 90 ka hatramin'ny 300 eo ireo olona maty tamin'io fanafihana tany amin'ny tanàna io raha ny vinavina, izay lazain'ireo mpikomy fa navotsotr'izy ireo avy amin'ireo tafik'i Assad....
Etazonia: Mitsangana Hanarina Ny Faharavana Ny Occupy Sandy
Iray volana izay no nisian'ilay tafio-drivotra Sandy nandravarava tao Avaratra-Atsinanan'i Etazonia; na dia izany aza, mbola mitohy foana ny ezaka famonjena taorian'ity loza voajanahary ity. Raha nitady famonjena ho an'ireo fianakaviana an-jato an'arivony ny fanampiana federaly sy ny kaonseritra tahaka ny 12.12.12 nokarakarain'i Bruce Springsteen, nirotsaka an-tsehatra ihany koa ny hetsika tahaka...
Vonoin'izy ireo Ny Hazo Any Ejipta
Misaona ny fandringanana ireo hazo sy ny fandrodanana ireo tranobe ntaolo any amin'ny zanavohitr'i Heliopolis any Caire i Michael Hanna, Ejiptiana mpitoraka bilaogy sady mpitana trano fivarotam-panafody. Jereo ny zavatra nanjo ilay hazo rofia izay mety ho ny ntaolo indrindra ao amin'ny faritra.
Atrikasa: Media Nomerika ho an'ireo Teny Tandindonin-doza Ao Amerika Latina
Miara-miasa amin'ny Tetikasa Enuring Voices sy ny Fampianarana Ambony Momba ny Teny Miaina ny Rising Voices, izay mikarakara atrikasa mikasika ny Media Nomerika ho an'ireo Teny Tandindonin-doza ao Amerika Latina, izay hotanterahina ao Santiago, Shily amin'ny Janoary 2013. Mafana fo amin'ny tenin-jana-tany roa ambin'ny folo no hivondrona hianatra ny fomba hampiasàna tsara kokoa ny teknolojia dizitaly hiraketana sy hitahirizana ny tenin-dreniny..
Aza Manasaritaka Ny Vehivavy Ejipsiana!
Maryanne Gabbani, Kanadiana nivoaka an-tanindrazana sady bilaogera, namoaka lahatsoratra bilaogy vaovao nitondra ny lohateny hoe “Aza Manasaritaka ny Vehivavy Ejipsiana” hanaovany fanamarihana tantara roa henony vao haingana, izay nitranga tao amin'ny tanàna kely onenany. Nanomboka ny tantarany tamin'ny fijeriny ny vehivavy tao an-tanàna izy: Feno fanajàna ny vehivavy eto amin'ny...
Nifarana ny Fihainoana teny amin'ny Fitsarana ireo Mpikatroka Saodiana
Notontosaina ny andron'ny 29 desambra 2012 tao amin'ny Fitsarana ady heloka bevava tao Riyadh, nandritra ny fitsarana ampahibemaso izay vitsy dia vitsy ao amin'ity firenena ity, ny fihainoana farany ireo mpikatroky ny zon'olombelona Saodiana roa malaza i Mohammad Al-Qahtani sy i Abdullah Al-Hamid. Tamin'ny fotoam-pihainoana farany [mg], nanontanian'ny mpitsara ny mpiaro, ary nitohy izany...
Miteraka Fitakian-dRariny any Nepal ny Trangam-Panolanana tany Delhi
Tsy nanerana an'i India ihany no niteraka fahatezerana ny tranga-na fanolanana iarahan'ny maro natao fa niteraka fanafintohinana ihany koa tamin'ny firenena manodidina azy tahaka an'i Nepal. Tsy dia misy fahasamihafany amin'ny fiaraha-monina ao Nepal loatra ny fanjakazakan'ny lehilahy any India sy any amin'ny firenena atsimon'i Azia maro raha eo amin'ny resaka...