Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Mey, 2015
FIFA Karaiba : Tsy Misy Fanampim-Potoana Ho An'ireo Manampahefan'ny FIFA Avy Ao Karaiba Satria Sokafan'ny Departemantam-pitsaràn'i Etazonia Ny Fiampangàna
Misy fisahotahotahana goavana ao amin'ny media sosialin'i Karaiba androany, taorian'ny fanambaràna fa niampanga tomponandraikitra ao amin'ny FIFA miisa 9 ary mpitantana orinasa miisa 5 noho ny fanaovana heloka voakarakara hitadiavana tombotsoan'ny olom-bitsy, firaisana tsikombakomba, ary kolikoly.
Tolotra Vaovao Avy Amin'ny Basij Militia (Milisy) Any Iran, Ahafahan'ny Fanjakana Mahita Ireo Resadresaka Rehetra
Hampiasa ireo lohamilina an'ny Basij ary tantànany ilay tolotra vaovao fandefasana hafatra, izay afaka alaina maimaimpoana ankehitriny, manome mora foana ho an'ny vondron-tafika ivelan'ny fanjakana sy ireo mpitsikilo ny fahafahana miditra sy manara-maso ireo fifampiresahana rehetra ataon'ny mpampiasa azy io.
Ireo Seranam-piaramanidina, Trano, Orinasa, Fanaovana Fanatanjahantena, Lapa Ary Fotodrafitrasa Maro Potiky Ny Ady Ao Yemen
#OpOurYemen satria tsy mila firenena hafa hamerina fanantenàna ho antsika isika. Mahazaka dona isika ary hanao izay zavatra rehetra tokony atao hanarenana an'i #Yemen.
Mifanjevo Ao Anatin'ny “Atin'akanjo Maloton'ny Paki” Ny Ara-nofo, Fivavahana Ary Politika
Nentin'ilay Pakistane metisy Amerikana, Aizzah Fatima, nitety izao karazan-toerana samihafa izao ny fampisehoana an-tsehatra lalaoviny samirery tato anatin'ny taona vitsy lasa. Na dia manafintohina ny sasany aza ny lohatenin'ilay fampisehoany. Lohateniny ny hoe : Atin'akanjo Maloton'ny Paki.
Pakistana, Balochistan : Tsy Voavatsy Amin'Ilay Entona Voajanahary Vokarina Ao Aminy , Nahoana ?
"Maika amin'ny famatsiana ny entona Sui fampiasa an-trano izahay. Noho ny tsy fisiany dia voatery mirona mandrehitra kitay izahay ho an'ny filànay angovo fandrehitra ato an-trano."
Mandrara Rakikira noho ny Tononkirany Prô-LGBT i Singapôra
"Moa ve tsy mampihomehy raha amin'ny andro andraran'i Singapore votoatin-tononkira ahitana ny mariazin'ny pelaka, no nifidy hankasitraka izany i Irelandy?"
Nilaza ho Tompon'andraikitra Tamin'ny Fanapoahana Baomba Tao Amin'ny Moske Tao Qatif Ny ISIS
Olona 21 no namoy ny ainy raha nanapoaka tena tao amin'ny moskea Shiita tao Qatif, ao amin'ny Faritany Atsinanan'i Arabia Saodita ny ISIS mpanao sorona ny ainy iray, taorian'ny vavaka zoma.
Ao Bangladesh, Zavatra Taloha ny Cyber Cafés
Mikatona ny Cyber cafés ao Bangladesh satria efa mora ny fahazoana miditra internet amin'ny finday. Tao anatin'ny dimy taona, mihoatra ny 40 isanjato ny trano fiasana mikatona.
Ireo Tsy Manam-Pirenena Niaviana Ao Amin'ny Repoblika Dominikana : Ny Tantaran'i Juliana Deguis
Tamin'ny Septambra 2013, namoaka didy izay mamerina ireo 200.000 Dominikana manam-piaviana Haitiana ho tsy manana zom-pirenena ny Fitsarana Avon'ny Repoblika Dominikana.
Eny an-Dalan'i Dubai, Mitondra Harleys ny Vehivavy ary Mamotika ny Fitsarana an-Tendrony
Mety tsy nieritreritra hahita vehivavy mitondra môtô eny amin'ny lalana manavatsava an'i Emirà Arabo Mitambatra ianao, saingy misy tarika vehivavy avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao manao izany indrindra any.