Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Jona, 2016
Melohan'ny Fitsaràna Indiana Ny Biraon'ny Horonantsary Noho Ny ‘Fanivanany’ Sarimihetsika Miresaka Fihinanana Rongony
Miaraka amin'ireo tranganà sivana maro sy fibahanana mikendry ny 'fahalalahana miteny', misikina ireo fomba rehetra amin'ny fanandramana ny hamoaka ny horonantsary Bollywood, tsy asiana fanatapahana goavana.
Mitaky ny “Fanatsaharana Ny Fankahalana Ary Hampanjaka Ny Fitiavana” Ny Diabem-Pireharehana Ao Manila
"Amin'ity taona ity, mila ny rehetra izahay mba hiaraka hoavy sy hampandroso ny fampielezankevitra ho an'ny fitiavana. Miantso ny Filipiana rehetra izahay mba hamela ny fitiavana hiditra ao an-tranony, ho ao amin'ny fiarahamonina, sy ny firenena iray manontolo."
Tanzaniana Iray Notoriana Noho Ny ‘Fanevatevana’ Ny Filoha Tao Amin'ny WhatsApp
Mulokozi no olona tratra farany tao Tanzania tamin'ny fandikana ny Lalàna vaovaon'ny heloka an-tserasera, izay miezaka hamaha ny olana toy ny sary mamoafadin'ny zaza , ny fandrahonana amin'ny aterineto, ny fisolokiana an-tserasera , fakana tsy ara-dalàna ny fifandraisana, sy ny famoahana vaovao tsy marina
Tsy Misy Firenena Ho An'ny Fampihomehezana? Manenjika Ilay Indiana Mpanao Hatsikana Amin'ny Lahatsary Snapchat Ireo Mpanao Politika
Nametraka fitoriana tany amin'ny polisy ary nandrahona an'ilay mpanao hatsikana, noho ny nandefasany lahatsary mananihany miresaka ireo Indiana olo-malaza roa ireo antoko politika avy amin'ny elatra havanana Indiana.
Noporofoin'ny Vondrona Mpiaro Ny Zon'Olombelona Ao India Fa Tsy Voatery Hidika Fahaverezam-Panantenana Hatrany Ny Tsy Fahampian'isan'ny Mpampianatra
Hitan'ny tatitra vao haingana nataon'ny Oxfam fa tsy ampy mpampianatra ny 37 isan-jaton'ny sekolim-panjakana fanabeazana fototra Indiana noho ny tsy fahampian'ny famatsiam-bola
Mikasa Hametra Ny Fidirana Amin'ny Aterineto Ho An'ny Mpiasam-panjakana i Singapaoro
"Zava-dehibe eo amin'ny toeram-piasana maoderina ny fiarovana ny solosaina, saingy tsy tokony ho fialan-tsiny hiverenana amin'ny fomba fanao adala sy ankamehana izany."
Manahy Ny Hoaviny Ao Amin'ny Fanjakana Britanika Ireo Mpiasa Avy Any Timor-Leste Taorian'ny Brexit
"Tokony hampiseho ny fahatoniana ireo mpitondra Eoropeana ary hanomboka haminavina indray ny Vondrona izay mifototra kokoa amin'ny vahoaka, mifandray mivantana indray amin'ireo vahoaka, fa tsy hifantoka be loatra amin'ny fanjakazakan'ny mpitàna birao ao Bruxelles"
Manangana Zavakanto Sy Mozika Tsy Ahafahany Mody Ny Ankohonana Syriana Iray Ao Etazonia
Tsy mbola nahateny ny Filoha Obama amin'ny fiangaviana hanaiky ny mpialokaloka Syriana. Saingy efa manana visa sady monina ao Etazonia, tsy amin'ny maha mpialokaloka fa amin'ny maha profesora ny Syriana sasantsasany.
Mitaky Fanjakana Mahefa Ny Antoko Mitondra Ao Delhi, Mety Hisy Dexit Ve Aorian'ny Brexit?
Tamin'ny fahazoana elatra avy amin'ny Brexit no nilazan'ny Lehiben'ny Minisitr'i New Delhi, Arvind Kejriwal, fa hisy tsy ho ela ny fitsapa-kevi-bahoaka amin'ny maha-fanjakana mahefa an'i Delhi -- fa mifanaraka amin'ny lalampanorenana ve aloha ny fitsapa-kevi-bahoaka?
Miresaka Fahalalaham-Pitenenana Amin'ny Alalan'ny Mini-Video Ny Tanora Makedoniana
"Ny zava-dehibe tokony ho takatry ny tanora dia ny tsy hamelanao azy ireo hikombom-bava, amin'izay fomba hanaovanao azy."