‘Tantaram-pitiavana ao amin'ny firenena feno fankahalana’: mpikatroka nogadraina tany Rosia noho ny ‘propagandy’ LGBTQ

Pikantsary tamin'ny lahatsary YouTube avy amin'ny fantsona YouTube an'ireo bilaogera

Tamin'ny volana Desambra 2022, nanasonia lalàna mampihatra ny fandraràna tanteraka ilay antsoina hoe “fampielezan-kevitry ny LGBT” izay ahitana ny aterineto, ny haino vaky jery, ny literatiora, ny sinema ary ny dokambarotra i Vladimir Potinina. Mitarika andraikitra ara-pitantanana amin'ny endrika onitra goavana ny fanitsakitsahana ny lalàna; mety hiteraka fandroahana avy any Rosia kosa ho an'ny vahiny sy ny tsy manana zom-pirenena. Ankoatra ny sivana mielipatrana, mitarika teritery tsy mbola nisy toy izany ho an'ny olona LGBTQ+ sy ireo fikambanana manampy azy ireo ny lalàna “manohitra ny propagandy” .

Andro vitsy lasa izay, nogadraina tao Kazan ireo bilaogera roa, Gela Gogishvili sy Haoyang Xu noho ny fiampangana azy ireo ho manao “fampielezan-kevitra LGBT” . Manana fantsona Telegram, TikTok sy YouTube malaza ireo bilaogera ireo. Nipoitra voalohany tao amin'ny fantsona Telegram “DELO LGBT+”  ny vaovao momba ny fitazonana azy ireo izay mirakitra raharaha mifototra amin'ny lalàna fampielezan-kevitra manohitra ny LGBT ary manome fanampiana ara-pitsarana ho an'ireo voampanga.

Tsy nahazo fitsidihana avy amin'ny mpisolovavan'izy ireo antsoina hoe Adel Haidarshin ireo voafonja, izay notazonina tao amin'ny departemantan'ny polisy N° 16 ao Kazan.

Tamin'ny resaka nifanaovana tamin'ny OVD-Info, nilaza i Gela Gogishvili fa nosakanan'ny polisy tao amin'ny trano fisakafoana vita haingana Burger King iray i Haoyang Xu tamin'ny mody filazana fa fanamarinana ny angon-drakitra momba ny pasipaorony sy ny adiresiny, izay tsy nananan'izy ireo akory. Nangataka tamin'i Gela Gogishvili avy eo i Haoyang Xu mba hitondra ny pasipaoro, ary rehefa tonga ilay bilaogera, dia notazonin'ny polisy izy roa. Nomarihin'i Gogishvili ihany koa fa teratany sinoa i Xu, ka mety ho voaroaka hiala ao Rosia izy ireo.

Noafahana i Gogishvili tatỳ aoriana ary tsy maintsy mipoitra ny ampitso maraina.

Notazonina nandritra ny alina i Xu, satria, amin'ny maha-olom-pirenena Shinoa azy, dia voampanga tamin'ny ampahany hafa amin'ny lalàna izy ireo, izay nitaky fisamborana.

Ny ampitson'iny, araka ny filazan'ny SOTA agency, dia notazonina nandritra ny fito andro fanampiny i Xu tamin'ny fanapahan-kevitry ny fitsarana handroaka vahiny bebe kokoa avy any Rosia.

Hitan'ny fitsarana fa tamin'ny lahatsarin'izy ireo, “nanaparitaka faniriana hanova taovam-pananahana eo amin'ireo zaza tsy ampy taona” i Xu na dia eo aza ny zava-misy fa ny fantsona YouTube an'ilay bilaogera dia voamarika mazava tsara hoe “18+”. Ny Fitsarana Vakhitovsky any Kazan no nanatanteraka ny didim-pitsarana .

Nanoratra tao amin'ny fantsona YouTube-ny ireo bilaogera talohan'ny nitazonana azy ireo fa nifindra tany Moskoa izy ireo ary niafina (tsy nandefa votoaty sy tsy niseho) noho ny fankahalana ara-poko sy fankahalana pelaka nihatra tamin'izy ireo nandritra ny volana lasa. Tamin'ny lahatsoratra iray nosoratana 10 andro lasa izay ary nomena anarana hoe “Tantaram-pitiavana tao amin'ny firenena feno fankahalana”, hoy izy ireo:

Despite our fear, we have chosen not to reveal our vulnerability to homophobes. We will persevere and find joy, despite the fact that some people hope for our eradication and want to silence us. It is important to continue fighting for our rights and for a better future. We must lead by example and give hope to other LGBT+ individuals that they are not alone, especially during these difficult times when many are afraid to be themselves due to discriminatory laws and societal pressures. Support is crucial now more than ever.

Na dia eo aza ny tahotray, dia nisafidy ny tsy hanambara ny fahalemenay amin'ny mpankahala pelaka izahay. Haharitra sy hahita fifaliana izahay, na dia misy aza ireo olona sasany manantena ny famongorana anay sy te hanampim-bava anay. Zava-dehibe ny fanohizana ny tolona ho an'ny zonay sy ho amin'ny hoavy tsara kokoa. Tsy maintsy mitarika mba ho fitaritra izahay ary manome fanantenana ho an'ireo olona LGBT+ hafa fa tsy irery izy ireo, indrindra amin'izao fotoan-tsarotra izao izay maro no matahotra ny tenany noho ny lalàna manavakavaka sy ny faneren'ny fiarahamonina. Zava-dehibe kokoa noho ny hatramin'izay ny fanohanana.

Mitohy any Rosia ny fanafihana ireo bilaogera, ary indrindra ireo olona LGBTQ+. Talohan'izay, dia ireo bilaogera TikTok sy Twitch mpanova fananahana, Dasha Kareyka sy Hilmi Forks, izay efa nifindra tany Armenia no niharam-boina voalohany tamin'ny lalànan'ny fampielezan-kevitra manohitra ny LGBTQ.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.