Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Oktobra, 2017
Iran: Nanao Fety Teo Ambany Ny Fanarahamason'ny Polisy Ny Iraniana
Nankalaza ny Charshanbeh Soori, fety mialohan'ny taona vaovao Persiana teo ambany ny fanaraha-maso akaiky nataon'ny polisy misahana ny rotaka ny Iraniana tamin'ny Alakamisy alina, rehefa nandràra ny fankalazana ny mpitarika ny Repoblika Islamika, Ayatollah Ali Khamene.
Pakistana: Miaraka Amin'ny Gawaahi Mandrava Ny Fady
Efa hatry ny ela ireo teknolojia fampahalalam-baovao sy fifaneraserana (TIC) no hita toy ny fanambaràna fiovàna erantany. Anisan'ireo tetikasa mikendry ny hanasongadina ny feo tena tsy heno loatra ao anatin'ny fiarahamonina pakistaney ny Gawaahi (ao amin'ny Facebook ihany koa). Mampiaraka ny TIC sy ny fikatrohana ara-tsosialy.
Iran: Eo An-dalana Ny Fanomanana Ny Fihetsiketsehana Andron'ny Mpianatra
Hokarakaraina amin'ny 7 Desambra manerana izao tontolo izao ny fihetsiketsehana "Andron'ny Mpianatra" [16 Azar] ao Iran izay manohitra ny famoretana mpianatra ao Iran.
Iran: Fahatezerana Tamin'ilay Libaney Mpitarika Ny Hezbollah
Bilaogera Iraniana maromaro no naneho hevitra tamin'ny lahatsary an-tserasera iray nahitana ilay Libaney mpitarika ny Hezbollah , Sayyid Hassan Nasrallah, nanao filazana mampifanditra fa tsy manana sivilizasiona Persiana i Iran fa islamika ihany, ary avy amin'ny razambe Arabo ny mpanorina ny Repoblika Islamika.
Iran: Fihetsiketsehana Andron'ny Mpianatra Ao Amin'ny YouTube
Mpanao fihetsiketsehana an'arivony no nanohitra ny fitondrana Islamika androany tamin'ny alalan'ny hetsi-panoherana nandritra ny Andron'ny Mpianatra, ary nihiaka teny filamatra manohitra an'i Ali Khamenei, mpitarika ny Repoblika Islamika, ary nanao hetsi-panoherana ny politikan'ny raharaham-bahiny ny governemanta.
Omid Reza Mir Sayafi, Bilaogera Iraniana Maty Tany Am-ponja
Maty tao amin'ny fonjan'i Evin tao Teheran tamin'ny 18 martsa i Omid Reza Mir Sayafi, bilaogera sady mpanao gazety Iraniana 29 taona. Nomelohina higadra roa taona sy tapany izy tamin'ny volana Desambra noho ny fanimbazimbana ireo mpitondra fivavahana sy fanaovana fampielezan-kevitra manohitra ny Repoblika Islamikan'i Iran.
Iran: Hetsika Maitso Vonona Amin'ny Fihetsiketsehana 11 Febroary
Vonona ny Hetsika Maitso hihantsy ny fitondrana Iraniana amin'ny hetsi-panoherana indray - amin'ity indray mitoraka ity, dia atao mandritra ny tsingerintaona faha-31-n'ny Revolisiona Islamista amin'ny 11 Febrorary (22 Bahman).
Lahatsary: Tsy Manana Hialofana Saingy Tsy Voatampim-Bava
Avy any Kolombia hatrany Kanadà, mandalo ny Royaume-Uni sy Etazonia, maro ireo fandraisana andraikitra teraka mba hanomezana fitenenana ireo olona farahidiny sy adinon'ny fiarahamonina: ny ankizy, ny vazimba teratany, ireo mpifindramonina ary ny vondrom-piarahamonina pelaka.