Iran: Fahatezerana Tamin'ilay Libaney Mpitarika Ny Hezbollah

(Marihana fa efa tamin'ny volana Novambra 2010 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

Bilaogera Iraniana maromaro no naneho hevitra tamin'ny lahatsary an-tserasera iray nahitana ilay Libaney mpitarika ny Hezbollah , Sayyid Hassan Nasrallah, nanao filazana mampifanditra fa tsy manana sivilizasiona Persiana i Iran fa islamika ihany, ary avy amin'ny razambe Arabo ny mpanorina ny Repoblika Islamika.

Aftab News, tranonkala iray ao Iran nilaza fa mizara roa ilay horonantsary ary toa natao tamin'ny herintaona  ny kabarin'i Nasrallah. Tamin'ny fizarana faharoa amin'ny lahatsary, nidera ny fitondrana Iraniana noho ny famoretana ny fihetsiketsehana taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny volana Jona 2009 ihany koa i Nasrallah. Natsangana ho an'ny Iraniana “anti-Nasrallah” ny pejy Facebook izay manana mpanohana maherin'ny 9000 (tao amin'ny pejy Facebook ny sary etsy ambony).

Raye Sabz Iran (Green Iran Vote) nanoratra tamim-panesoana [fa]:

Mr. Nasrallah does the oil money that you get come from Arab coffers? You enjoy Iranian money but deny Iran's ancient culture… wake up

Atoa Nasrallah, avy amin'ny volan'ny Arabo ve ny volan'ny solika azonao? Ankafizinao ny volan'ny Iraniana kanefa mandà ny kolotsainan'i Iran taloha ianao … mifohaza

Tezitra mafy tamin'i Nasrallah ihany koa i Sight ary nilaza hoe:

“Only religious regimes can create the illusion for him to say such nonsense. We, the secular, should unite and declare that we want to setup a political system without any relation with supernatural power.

“Ny fitondrana ara-pivavahana ihany no afaka mamorona ny fijeriny ho azy mba hilaza zavatra tsy misy dikany tahaka izany. Izahay, laika, dia tokony hiray hina ary hanambara fa te-hanangana rafitra politika tsy misy fifandraisana amin'ny hery mihoatra ny natiora isika.

https://youtube.com/watch?v=_4V9sdifezQ%3Ffs%3D1

Azarmehr nanoratra hoe:

“So there we go! Now we know exactly what is going on in Iran and who is ruling in Iran. Thank you Sheikh Nassrollah for stating the obvious. Our country is under occupation by foreign usurpers who are threatening our identity, heritage and culture. But don't be too happy Sheikh Nassrollah, Iran has dealt with worse usurpers than you and turned them into Iranians. You too will not be successful. Iran will never die.”

“Eto isika izao! Ankehitriny, fantatray ny zava-mitranga any Iran sy izay mitondra any Iran. Misaotra anao Sheikh Nassrollah noho ny filazàna ny zava-misy. Eo ambany ny fifehezan'ny vahiny mpisoloky izay mandrahona ny maha-izy anay, ny lovanay sy ny kolontsainay ny firenenay. Saingy aza mifaly loatra ry Sheikh Nassrollah, niady tamin'ireo mpisoloky mahatsiravina indrindra noho ianao i Iran ary namadika azy ireo ho Iraniana. Tsy hahomby koa ianao, tsy ho faty mandrakizay i Iran. “

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.