Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Pakistana: Miaraka Amin'ny Gawaahi Mandrava Ny Fady

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Septambra 2011)

Efa hatry ny ela ireo teknolojia fampahalalam-baovao sy fifaneraserana (TIC) no hita toy ny fanambaràna fiovàna erantany. Nasongadin'ny mpikaroka sasany ny fahafahan'ny TIC amin'ny fampiroboroboana, indrindra ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra ary ny fanentanana amin'ny olana ara-piarahamonina. Manana fiantraikany lehibe manerana ny tany ny tetikasa maromaro ao anatin'io sehatra io, izay manaporofo fa mety ho tena lasa zava-dehibe tokoa ny TIC.

Anisan'ireo tetikasa mikendry ny hanasongadina ny feo tena tsy heno loatra ao anatin'ny fiarahamonina pakistaney ny Gawaahi (ao amin'ny Facebook ihany koa). Mampiaraka ny TIC sy ny fikatrohana ara-tsosialy, ny vehivavy pakistaney mpikatroka roa malaza, Naveen Naqvi sy Sana Saleem no niandohan'izany. Izy ireo dia fitambarana horonantsary an-tserasera sy tantara niomerika izay mampiroborobo « ilay tantara hafa » sy ireo lohahevitra tsy dia mahaliana ny media nentim-paharazana na zara raha anokanan'izy irneyfotoana kely fotsiny.

Milaza amintsika ny zavatra asongadin'ny Gawaahi i Naveen  :

Te-hitantara tantara manokana izahay. Ny ankizy eny an-dalamben'i Karachi. Tantsaha iray avy any Qambar Shahdad Kot. Tovovavy iray izay, nampijaliana teo amin'ny fahavalo taonany, ary mbola velona ka mitantara izany amintsika. Vehivavy iray avy ao afovoan'i Penjab izay tafatsoaka indray tamin'ny fanafihana amin'ny asidra. Vehivavy iray nafindra toerana noho ny fihotsahan'ny tany tao amin'ny lohasahan'i Hunza. Izany no tantara ho hitanareo ao amin'ny Gawaahi.

Lasa zava-niseho nahatalanjona an'ireo media an-tambajotra tao Pakistana tamin'ny 2011 ilay zavatra niantomboka toy ny kinanga kely. Tsy vitan'ny hoe nisy fiantraikany teo amin'ny firenena ilay tetikasa fa lasa lohateny lehiben'ireo tambajotra sosialy iraisam-pirenena ihany koa. Taorian'ny roa vola nisiana fotsiny, tafiditra tao anatin'ny sokajy Hetsika Fanentanana amin'ny fikatrohana ara-tsosialy tsara indrindra ary Blaogy mendrika indrindra amin'ny teny anglisy an'ilay fifaninanana manandaza ampanaovin'ny radio Deutsche Welle, ny Best of  Blog Awards.

Lafiny iray amin'ireo endrika tsy manam-paharoan'ilay vavahadin-tserasera ny fikirakirany ara-nomerika ireo tantara tantaraina. Efa taona maro no nisian'ny fitantaràna ara-nomerika saingy mbola tsy marin-toerana tsara izy io eo amin'ny tontolon'ny blaogy ao Pakistana. Nasongadin'ny vondrona Gawaahi io endrika an-tserasera io tamin'ny alalan'ny fitantaràna ireo tantara maro amina endrika nomerika. Mehreen Kasana, izay tena nandray anjara be tokoa dia vehivavy mpikatroka sy mpanoratra blaogy malaza vokatr'ireo sary ataony. Eo amin'ny pejy fandraisan'ny fantsona YouTube an'ilay tetikasa, tantara kely nomerika iray no mitantara ny niainan'ilay zazavavikely nandritra ny taona maro ireo famelezana nataon'ny naman'ny rainy azy, izay nitsahatra rehefa nanapa-kevitra ilay zazavavikely fa handray fitenenana.

Manaitra ny fampahalalana ny tantara sy ny endrika mitanila kely. Mampiantrano lahatsary hafa am-polony ny fantsona Youtube-n'ny Gawaahi : tantarana vehivavy niharan'ny fanararaotana, na torolalana amin'ny fampiasana fandraketan-tsarimihetsika , na ihany koa tafatafa niarahana tamin'ireo mpitoraka blaogy na vahiny mpanao gazety mikasika ny fiantraikan'ny fikatrohana ara-tsosialy, indrindra amin'ny endriny niomerika.

Ankehitriny, Fikambanana Tsy Miankina mijoro ara-panjakana ny Gawaahi. Milaza ny tranonkala ofisialy fa « mikasa ny hamokatra lahatsary fijoroana vavolombelona momba ireo herisetra ateraky ny fanararaotam-pahefàna sy ireo hetsi-panentanana ho avotr'aina izy  » ” . Mikasika ny mety hampanan-danja ilay tranonkala, milaza i Naveen :

Manantena izahay fa ho loharano ilain'ireo fikambanana mpanome fanampiana, ireo Fikambanana Tsy Miankina, ireo media, ireo governemanta toy ny anay, ireo Firenena mpanampy sy ireo fikambanana mpanao asa soa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.