Tantara mikasika ny GV Face tamin'ny Novambra, 2013
GV Face: Dominikana 200.000 Taranaka Haisiana Nongotana Ny Zom-Pireneny
Afa-manaisora ny zo mahaolom-pirenena mihoatra ny 200.000 ve ny firenena iray? Amin'ity herinandro ity isika miresaka amin'ny mpikatroka avy any amin'ny Repoblika Dominikana sy Haiti.
GV Face: Mibodo ny Hoavin'i Bolgaria Ny Mpianatra
Amin'ny GV Face amin'ity Zoma ity, hiresaka momba ny hoavin'ny fihetsiketsehan'ny mpianatra miaraka amin'ireo mpanoratra avy ao Bolgarie Rayna St (@MaliciaRogue), Nevena Borisova sy Ruslan Trad (@ruslantrad), ary i Danica Radisic (@NikiBGD) isika.
GV Face: Manampy Ireo Sisam-patin'i Haiyan Ao Filipina
Namono olona an'aliny tao afovoan'i Filipina ny rivodoza Haiyan. Tamin'ity herinandro ity dia niresaka tamin'ireo mpanoratray ao Filipina sy olona iray mpanao asa famonjena izahay mikasika izay azonay atao mba ho fanampiana
GV Face: Nofinofy Amin'ny Fanovana Momba Ny Fifindra-monina Ao Etazonia
Niresaka tamin'ireo mpikatroka sy manampahaizana momba ny hetsika ho an'ny fanovana momba ny fifindra-monina izahay izay mety hisy fiantraikany amin'ireo mpifindra-monina eo amin'ny 11 tapitrisa eo izay tsy manana taratasy ara-dalàna monina ao Etazonia.
GV Face: Malala Ao Pakistana
Amin'ny fitantarana amin'ny GV Face amin'ity herinandro ity, hiresaka momba ny antony mahatonga ny fireneny mioko amin'i Malala isika. Hojerentsika ihany koa ny andraikitry ny media sosialy, izay manaratsy azy sy manaparitaka dokambarotra ratsy momba azy