GV Face: Manampy Ireo Sisam-patin'i Haiyan Ao Filipina

Namono olona an'aliny tao afovoan'i Filipina ny rivodoza Haiyan, iray amin'ireo tafiotra mahery indrindra voarakitry ny tantara.

Araka ny nambaran'ireo mpanoratray avy ao an-toerana dia maro be no mitoka-monina, tsy manana sakafo, rano ary fanampiana, anaty faritra toy ny fanariam-pako izay trano fonenany no teo taloha. Tsy tonga haingana fotsiny izao any amin'ireny vondrompiarahamonin'ireo sisam-patin'i Haiyan ireny ny fanampiana, Haiyan izay antsoin'ny any an-toerana hoe Yolanda.

Herinandro iray taorian'ny namelezan'ilay rivodoza mahery vaika ny faritanin'i Leyte sy Samar,ao amin'ny nosy Visayas, niresaka tamin'ireo mpanoratray ao Filipina izahay, sy taminà olona iray mpanao asa famonjena, mikasika ny fomba fiatrehan'ilay firenena ny loza nitranga, ny fandrosoan'ny asa famonjena, ary ny azontsika – vondrompiarahamonina avy amin'izao tontolo izao – atao mba ho fanampiana.

Mifandray aminay avy ao Manila ny tonian-dahtsoratray any Azia Atsimo Atsinanana, Mong Palatino (@mongster), miaraka amin'ilay mpikatroka mafàna fo sady mpanao gazety mpandrakitra lahatsary, Chantal Eco @chantaleco, izay mandrindra ny ezaka fanampiana ao Manila ho an'ny faritr'i Leyte nahaterahany.

Jereo ihany koa ny Mandravarava an'i Filipina i Haiyan, pejy fandrakofanay manokana mikasika azy ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.