Tantara mikasika ny Espaina
Amerika Iberika: Fihaonan-toby oniversitera ao El Salvador
Tamin'ity herinandro ity tany Salvadaoro, mpankafy teknolojia an-jatony no nivory tao an-drenivohitr'i San Salvador mba handray anjara amin'ny fizarana farany amin'ny Campus Party.
Bahrain: Falifaly ireo mpankafy Ferrari satria nandresy tamin'ny Grand Prix Bahrain i Alonso
Tapitra ny fifaninanana voalohany Formula One 2010 ary mety efa niverina tao amin'ny Kianja Iraisam-pirenen'i Bahrain, the Sakhir dezera ny vovoka saingy mitohy hatrany ny resabe.
Tatitry ny Mpisera : Mihamampidi-doza Hatrany Ny Fiasàna Ho Amin'ny Tombontsoan'ny Daholobe

Eo amin'ny famintinan-dohateny tamin'ny herinandron'ny 12/07/2017: Tiorkia, Myanmar, Venezoela, Meksika, Brezila, Filipina, Espaina
Tantaran'ny mpinamana mamahana sakafo maraina mpianatra zazavavy 500 isan'andro ao Yemen mba hahafahan'ireo mianatra
Talohan'ny nisian'ny tetikasa dia tsy tonga nianatra ny ampahadimin'ny mpianatra, ankehitriny ry zareo niverina an-dakilasy avokoa.
”Tsy Vitsika Isika” : Boky Vaovao Manindrahindra ny Fijerena ny lafitsaram-piainana
Boky sy sehatra an-tambajotra iray ny No Somos Hormigas (Tsy vitsika isika), tetikasa amin'ny teny Espaniola izay natokana ho an'ny ''fibanjinana ny lafitsaram-piainana anaty fahalalàna.'' Voatanisa ho isan'ireo tetikasa fanavaozana ara-piarahamonina hita anatin'io ny Global Voices.
Tamin'ny fifaninanana lahatsary sy lahatsary amin'ny finday ho an'ny asa fanaovan-gazetin'olon-tsotra manerantany
Fifaninanana telo samihafa no nisokatra ho an'ireo bilaogera an-dahatsary manerana izao tontolo izao tamin'io taona 2008 io, natao manokana ho an'ny olontsotra manoratra isan'androa na amin'ny sokajy ho azy ireo. Iray ho an'ny sarimihetsika amin'ny finday, iray ho an'ny fampiroboroboana toe-javatra tianao arovana ary ny farany dia fitaterana vaovao amin'ny alàlan'ny lahatsary an-tserasera.
Blogs&Beers miaraka amin'i José Luis Orihuela
(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nitsidika an'i Shily i José Luis Orihuela raha nasain'ny Fivoriamben'ny Serasera Iraissam-pirenena sy ny Atrikasa izy. Nanasa an'i José Luis hiresaka...
Holandy: Tafaray ireo vehivavy am-pielezana Amerikana Latina
Nikarakara fihaonambe ho an'ireo vehivavy mpifindra monina Amerikana Latina sy Karaiba any Amsterdam ny fikambanana Eoropeanina DiasporaSolidaria.org, izay nifanakalozany hevitra toy ny zon'izy ireo, ny toetra miovaova amin'ny fianakaviana sy ny fandaniana. LA Ruta mitondra antsika lahatsary fohy mandrakitra ny sasantsasany amin'ny zavatra niainan'izy ireo.
Sahara Andrefana: Tapitra ny fahavaratra ho an'ny ankizy Sahrawi
Fotoana hanararaotan'ny olona maro hijery toerana vaovao, samihafa ny fahavaratra. Mandeha any ivelan'ny sisintan'ny firenena izy ireo, ary mitrandraka fiteny, tontolo sy rafitrano samihafa. Mety hiova ny fiainana mandritra ny fialan-tsasatra fahavaratra, satria tsy azo antoka izao tontolo izao ary maro ireo fanamby ivelan'ny tanindrazana sy ny asa mahazatra.
Aterineto, Demaokrasia sy ny Fampihorohoroana
Eto Madrid izaho sy Ethan Z (ankoatra ny hafa) amin'izao fotoana izao, ao amin'ny valan-dresaka Safe Democracy, izay ahitana olona manerana izao tontolo izao mivory mba hiresaka momba ny ady ataonao amin'ny fampihorohoroana nefa tsy manimba ny demokrasia.