Tantara mikasika ny Espaina tamin'ny Novambra, 2012
Espaina: Mihantona Ny Fandroahana Hiala Amin'ny Trano Noho Ny Fanerena Ara-tsosialy
Anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Krizy ao Eoropa ity lahatsoratra ity. Fikambanana sy sehatra miady amin'ny fandroahana olona hiala amin'ny trano fonenany no nahomby tamin'ny fahazoan'ny Asociación Española de Banca (Fikambanan'ny...
Espaina: Tsy Ampy Taona Nodarohan'ny Polisin'ny Katalonia, Antso Hialàn'ny Minisitra
Ny fampiasana hery nataon'ny vondron-kery polisin'i Katalonia antsoina hoe Els Mossos d’Esquadra [ca], nandritra ny fitokonambe [ca] tamin'ny 14 Novambra 2012 (#14N [ca]) no niteraka onjam-panamelohana an-tserasera. Niteraka fametrahana fanangona-tsonia [ca] ho fialan'ny minisitry ny atitanin'i Katalonia, Felip Puig, avy amin'ny antoko politika rezionaly efatra ity toe-draharaha nitranga tao antenantenan'ny fampielezan-kevitra manantantara ity.
Espaina: Fifidianana Katalana – “Garcia Avokoa Izahay Rehetra”
Mitodi-doha mankany amin'ny biraom-pifidianana indray androany alahady, 25 Novambra 2012 ny any Katalonia izay ao raha mitokozihitra ny eo amin'ny toekarena ary mavaivay ny adihevitra momba ny fisintahana amin'i Espaina. Nanomboka tamin'ny alalan'ny lahatsary mampiady hevitra nivoaka tao amin'ny fantsona Youtube an'ny Antokom-Bahoakan'ny Katalana [es] (Partit Popular de Catalunya na PPC) izay mpitàna ny firaisampirenena ny fampielezan-kevitra, izay nifantoka indrindra tamin'ny adihevitra momba ny fahaleovantena [fr] tamin'ny herinandro lasa teo.
Hackathon Ho an'ny Daholobe: Ahoana ny Fanomanana Hackathon?
Amin'ity lahatsoratra manaraka ity, ny vahiny, J.J. Merelo, Dokotera amin'ny Fizika sady Profesora ao amin'ny Anjerimanontolon'i Granada, Espaina, no miresaka amintsika ny zavaniainany tamin'ny fanomanana hackathon ara-panabeazana ho fanazavana ny Hackathon rezionaly Fampandrosoana an'i Amerika Latina 2012 [en] izay hotontosaina amin'ny volana ambony amin'ny Desambra
Nankatòavin'ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana Espaniola Ny Fanambadian'ny Samy Pelaka
Nankatòavin'ny Fitsarana momba ny lalàm-panorenana espaniola ny ankamaroany betsaka [es] tamin'ireo lalàna natolotry ny ny governemantan'i José Luis Rodriguez Zapatero tamin'ny taona 2005 (Antokon'ny Mpiasa Sosialista-PSOE [es]) izay miantoka ny fitovian-jo ka mamela malalaka...
Espana : Adintsaina Manoloana Ny Herisetran'ny Polisy Mpandrava Korontana
Ny 14 novambra, tafiditra tao anatin'ny fitokonana faobe nanerana an'i Eoropa, nisy hetsi-panoherana nokarakaraina tany amin'ireo tanàn-dehibe rehetra tany Espana. Narahana herisetra avy amin'ny polisy izy ireny, izay indrisy fa lasa fahazarana.
Fikononana Nanerana Ny Faritra Atsimon'i Eoropa
Ny 14 Novambra 2012 no andro nahitàna fitokonana voalohany amin'ny karazany toy izao, nahitàna ireo firenena Eoropeana Tatsimo rehetra izay tena iantraikàn'ny olan'ny fitsitsiana sy ara-bola. Notaterin'ireo olon-tsotra mivantana avy eny an'arabe ny hetsika, hatramin'ireo fanehoana firaisankina, fahaiza-mamorona sy tatitra momba ny habibian'ny polisy.
Nosivanin'ny La Vanguardia Ny Bilaogy Iray Niresaka Momba Ny Fitokonana Tsy Hihinan-kanina Tao Amin'ny Telefónica
Ramatoa Katalana mpanao gazety i Lali Sandiumenge izay nanaisotra ny bilaoginy tao amin'ny La Vanguardia taorian'ny nanivànan'ilay gazety ny lahatsoratra iray niresahany ny fitokonana tsy hihinan-kanina ataon'ireo mpiasa ao amin'ny Telefónica ao Barcelone sy ny fampiasàn-dry zareo ireo tambajotra sosialy mba hampahafantarana ny fitakiany.
Chris Moya, SpainRevolt Ary Ny Hafanàm-po Ety Anaty Habaky Ny Aterineto
Chris Moya dia mpamokatra rindrambaiko no sady mpitolona mafàna afo sy mpandray anjara ao amin'ny Global Voices. Nitafatafa taminy izahay momba ireo hetsi-panoherana any Espana, ny vavahadin-tserasera SpainRevolution sy ny hafanam-po ety anatin'ny habaky ny aterineto.
Espaina: Nandefa Lahatsary Mampiady Hevitra ny Antokon'ny Fampiraisam-Pirenena Katalana
Handeha handatsa-bato ny Katalana amin'ny 25 Novambra 2012 hoavy izao, izay fifidianana naroso alohan'ny fotoana. Taorian'ny 11 Septambra nisian'ny famoriam-bahoaka mpitaky ny fahaleovantena tao Barcelona, izay olona maherin'ny iray tapitrisa no...