Ireo Blaoginà Literatiora Tsara Indrindra Tamin'ny 2005

Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia navoaka tamin'ny Janoary 2006

Ireo bilaoginà Literatiora tsara indrindra tamin'ny taona 2005 voasoratra tamin'ny teny espaniola dia ireo mpikambana amin'ny Blogueratura, ny manan-danja indrindra amin'ireo blaogy literatiora amin'ny teny espanola, no nifidy azy. Amboaran-tahiry ahitàna blaogy miisa 769 an'ireo firenena isankarazany ao Amerika latina, ary koa Espana.

Ny nahazo ny loka andiany voalohany dia ny Ánima dispersa, nosoratan'ny mpanoratra Meksikana iray, Alberto Chimal. Io no veloma tsara indrindra ho an'io blaogy io, izay nitsahatra tamin'ny volana Desambra 2005 ny fanavaozana azy. Nisokatra niaraka tamina blaogy vaovao i Chimal tamin'ny 2006, Las historias, tena natokana manontolo ho an'ireo tantara fohy.

Ny Enigmatario no faharoa be mpifidy indrindra, izay manoritsoritra ny vaovao mikasika ny fijery somary tsy dia mahazatra loatra.

Ny El Lamento de Portnoy no nahazo ny loka fahatelo. Aza adino ity blaogy Espaniola tsara indrindra ity, izay manasongadina ireo fanehoankevitra lalina sy ireo kiana am-pisainana mikasika an'ireo sarimihitseika sy ireo tantara ankehitriny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.