Tantara mikasika ny Espaina tamin'ny Avrily, 2012
<< Nahazo >> Ny Tambajotra Sosialy Ny Zava-dozan'i Almansa
Inona no antony ankalazan'ireo avy ao Valence miteny "catalane" ny 25 Aprily? Fanazavàna.
Espaina: Ny Mpanjaka Sy Ny Elefanta
Natao fandidiana ny Mpanjaka Juan Carlos tamin'ny 14 Aprily lasa teo satria tapaka andilana noho ny fianjerana nahazo azy nandritra ny fihazany elefanta tany Botswana, ao Afrika. Nanambara izany voina...
Espaina: Dihy Nandritra Ny Procession Kristy Nitsanga-ko Velona Nanjakan'ilay Hira Breziliana Malaza
Tratran'ny Telomania teo ampandihizana nandritra ny hira malaza iraisampirenen'i Michel Teló mitondra ny lohateny hoe "Ai Se Eu Te Pego" ny frera nitondra ny sarin'i Kristy Nitsanga-ko velona nandritra ny procession mamarana ny herinandron'ny Paska Kristianina tao Alhama de Murcia, Espaina.
Mali: Tombouctou, Tandindonin-Doza Ny Haren-Kolontsaina
Mampahatsiahy zavatra malaza sy toetr'andriana izany anarana Tombouctou izany ho an'izao tontolo izao. Nefa mahatandindonin-doza an'i Tombouctou ny ady any avaratr'i Mali sy ny fisian'ireo henja-pihetsika vitsy dia vitsy an'isa ao. Maro ireo mampaneno lakolosy fanairana.
Espaina: Lahatsary Manaporofo Ny Herisetran'ny Polisy Nandritra Ny Fitokonana Faobe Tamin'ny 29 Marsa
|Amin'ny teny espanola avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny filazana manokana] Tamin'ny #29M (29 martsa), niantso ho amin'ny fitokonana faobe ho fanoherana ny fanovana ny lalàna mifehy ny asa [amin'ny teny frantsay]...
Andro Iray Eto An-Tany: Nivoaka Ny Rakikira Niaraha-Mientana Manerantany
Nisy rakikira an-dahatsary iray nivoaka ho fanomanana ny fiaraha-mijery manerantany [mg] ny sarimihetsika nifarimbonana manerantany One Day on Earth [Andro Iray Eto An-Tany], izay hotontosaina any amin'ny toerana maro samihafa manerana ny planeta mandritra ny Andron'ny Tany (22 Avrily 2012). Asongadin'ny lahatsary ny mpihira, poety, mpandihy noraketina an-tsarimihetsika nandritra ny fotoana mitovy 24 oran'ny 10 Oktobra 2012, izay niangalian'i Cut Chemist ny fanapatapahana sy ny fanambatambarana azy.