Espaina: Nandefa Lahatsary Mampiady Hevitra ny Antokon'ny Fampiraisam-Pirenena Katalana

Handeha handatsa-bato ny Katalana amin'ny 25 Novambra 2012 hoavy izao, izay fifidianana naroso alohan'ny fotoana. Taorian'ny 11 Septambra nisian'ny famoriam-bahoaka mpitaky ny fahaleovantena tao Barcelona, izay olona maherin'ny iray tapitrisa no tonga nidina an-dalambe hitaky ny fisarahan'i Katalonia amin'i Espaina, toa lasa karazana fankalazam-bahoaka hametrahana an'i Katalonia ho firenena (antenaina ho) mahaleotena eo anivon'ny Vondrona Eoropeana  izany fifidianana izany. Miteraka adihevitra goavana amin'ny aterineto izany fifidianana mampifanipaka izany, izay tarihin'ny fanentanana amin'ny aterineto izay natao indrindra mba hiteraka resabe.

Manoloana ity toe-draharaha mikorontana ity, namoaka lahatsary malaza [es] antsoina hoe “Ilay Lehilahy Andalòziana)” ny antokon'ny fampiraisam-pirenena Ciutadan, izay manana toerana telo ao amin'ny antenimiera Katalana, lahatsary mamelombelona ny fahatsiarovana tamin'ny andrana 1958 nosoratan'ny filoha Kataloniana teo aloha, Jordi Pujol, izay nitondra ny governemanta Katalana nandritra ny 23 taona talohan'ny CiU, antoko politika misy ny filoha ankehitriny, Artur Mas. Samy tsy nampahafantatra na ny lahatsary na ny filazana avy amin'ny Ciutadan [es] fa efa dimampolo taona lasa no nosoratana ny andrana, ary tamin'ny 1978 sy 1997 izy roa ireo, efa nanao fialantsiny ampahibemaso i Pijol [ca] noho ny votoaty nampisy olana tamin'ny asa-sorany.

Ao amin'ny lahatsary, novakiana tamin'ny feo mafy ny sombiny tamin'ny andrana, izay nandrenesana momba ny Andaloziana manantantara, toy ilay filôzôfy Seneca, ilay poety Federico García Lorca sy Antonio Machado, ary koa ilay mpanao hosodoko Pablo Picasso, haikanto manerana ny efijery ([Fanamarihana: farita atsimon'i Espaina i Andalozia].

Toy izao ny vakin'ny sombin-dahatsoratra:

El hombre andaluz no es un hombre coherente, es un hombre anárquico. Es un hombre destruido. Es, generalmente, un hombre poco hecho, un hombre que vive en un estado de ignorancia y de miseria cultural, mental y espiritual. Es un hombre desarraigado, incapaz de tener un sentido un poco amplio de comunidad. De entrada constituye la muestra de menor valor social y espiritual de España. Ya lo he dicho antes: es un hombre destruido y anárquico. Si por la fuerza del número llegase a dominar, sin haber superado su propia perplejidad, destruiría Cataluña.

Tsy mba lehilahy manana rafi-pisainana mazava ny lehilahy Andaloziana, fa lehilahy baranahiny. Mikororosy fahana izy. Amin'ny ankapobeny, lehilahy mahantra, izay miaina ao anatin'ny tsy fahafantarana kolontsaina, saina ary fanahy. Tsy manam-piaviana, tsy mahay miara-mifaly anaty fiarahamonina. Izy no anisan'ny endrika ara-tsosialy sy ara-pinoana ambany indrindra ao Espaina. Araka ny efa nolazaiko: mikororosy fahana izy ary baranahiny. Raha ny isany no mamela azy hanjakazaka kanefa tsy resiny ireo olany ireo dia ho potiny i Katalonia.
Jordi Pujol

Filohan'i Katalonia’ teo aloha Jordi Pujol, mpanoratra ilay andrana mahabe adihevitra tamin'ny 1958. Sary: Josep Renalias (CC BY-SA 3.0)

Goavana dia goavana ny fifindra-monin'i Andaloziana tao Katalonia tamin'ny taon-jato roapolo. Ankehitriny, maro an'isa ireo avy amin'izany fifindra-monina faobe izany ka anisan'izany ireo mpanohana ny hetsika mpitaky ny fahaleovantena. Mbola mampifanaritaka sy tafiditry ny politika lalina nefa ny momba ireo Katalana manana razambe Andaloziana ireo, izay nitarika ny mpanao politika mpandala ny fampiraisana hamariparitra ny sarin'ny nasionalisma Katalana hoy toy ny hery mpanavakavaka ara-poko mitady ny hanesorana ireo vondrona ireo amin'ny mpifidy.

Raha jerena ny fifandrafesan'izy ireo ara-politika amin'ny CiU sy amin'ny filohan'i Katalana Artur Mas — izay manentana fa tokony hahazo ny maro an'isa tanteraka ny fahaleovantena, tsy mahagaga raha nanapa-kevitra hampiteraka resabe tamin'ny andrana nosoratan'i Pujol tamin'ny 1958 ny Ciutadans. Nahay nandresy lahatra tokoa ry zareo, satria nisongadina ho io no nahazo adi-hevitra lehibe indrindra amin'ny fiteny Katalana tamin'ny aterineto. Tamin'ny alalan'ny tenifototra #25N no namoahan'ny mpisera Twitter ny hevitra momba ilay lahatsary, na izany ho amin'ny ho amin'ny fanohanana ny fampiasana azy amin'ny fampielezan-kevitra na ho amin'ny fanoherana izany.

Ireo manohana fa ny famoahana ilay lahatsary no nanasongadina ny fihetsika mpanavakavam-pirazanana sy mpankahala vahiny ataon'ny iray amin'ny mpisaina manana ny herim-panohanana be indrindra amin'ny nationalisma Katalana :

@duendecolegiata Fankahalana vahiny sy fanavakavahana!! Lahatsary avy amin'i Ciutadans ahitana ny hevitr'i Pujol momba ny Andaloziana elperiodico.com/es/noticias/el… via @elperiodico_cas
@ESCUPELOYACOM #YoNoMeCallo (#IWontShutUp- #tsyhanginaaho) Lahatsary Ciutadans mahafinaritra mampisongadina ny fanevatevana sy fanaratsiana nataon'i Jordi Pujol amin'ireo Andaloziana libertaddigital.com/espana/politic…

@juliansantosen No apoyo a Ciutadans,pero las palabras de Pujol sobre los andaluces, me reafirman en mi idea de que no se vote CIU ni PP,votar izquierda IUV

@juliansantosen Tsy manohana an'ny Ciutadans aho, fa manamarina ny eritreritro ny tenin'i Pujol momba ny Andaloziana fa tsy tokony hifidy an'ny CiU na PP, fa ny elatra-ankavia (IUV)

Nanery an'i Jordi Pujol hilaza indray [ca] ny fialantsininy teo aloha ny fivezivezin'ilay lahatsary 1. Nirohotra tamin'ny fiarovana an'i Pujol ihany koa ny mpiserasera, nitsikera ny Ciutadans noho ny fampiasana lahatsoratra efa tamin'ny antsasaky ny taonjato mba hanaratsiana endrika ny mpifanandrina ara-politika.

@ftcquirze @naciodigital C's manipula: no explica disculpes de MHonorable Jordi Pujol. No voteu a qui enganya als ciutadans. No fan honor nom d partit.

@ftcquirze @naciodigital Fandrebirebena, nanadino nilaza ny fialan-tsiny mendrika indrindra nataon'i Jordi Pujol teo aloha. Aza mifidy ireo mpanao politika mpandainga amin'ny olom-pirenena. Manala-baraka ny anaran'ny antokony manokana izy ireo.

@lalipuigderrajols Que Ciutadans retregui al president Pujol un vídeo de fa 50 anys n'hi ha per dir-los hi: Sempre et veuràs emmascarat per una paella bruta

@lalipuigderrajols Tokony havoakan'ny Ciutadan ny fanambarana tamin'ny 50 taona lasa izay manaporofo zavatra iray: hisy foana ny amboadia manafi-tarehy ho zanak'ondry

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.