Chris Moya, SpainRevolt Ary Ny Hafanàm-po Ety Anaty Habaky Ny Aterineto
[Raha tsy misy fanambarana mifanohitra aminy, ny rohy rehetra ato dia mankany amin'ny teny Espaniôla avokoa.]
Nandritra ny vovonanan'ny Global Voices nokarakaraina tao Kenya volana vitsy lasa izao, dia afaka nandrakitra tafatafa niarahana taminà bilaogera vitsivitsy tonga tany aho. Isan'izy ireny, ny tafatafako tamin'i Chris Moya, espaniôla mpamokatra rindrambaiko sady “hacktiviste”, mpiara-miasa amin'ny Global Voices.
Tomponandraikitra aminà tetikasam-pamoronana iray i Chris, mpamokatra rindrambaiko malalaka ary mpiangaly mozika. Mitolona ho amin'ny fahaleovantenan'ny olom-pirenena izy. Izy no niara-namorona ny vavahadin-tserasera spainrevolution.com izay atolony ato anatin'ity lahatsary eto ambany ity.
Volana vitsy lasa izay, ireo fikambanana Cibervoluntarios sy Empodera.org dia namoaka boky elektronika iray mitondra ny lohateny hoe Redvolution: el poder del ciudadano conectado [« Revolisiona anaty tambajotra : ny herin'ireo olom-pirenena mifan-drohy »] (PDF), tetikasa iray nandraisan'i Chris, tamin'ny alàlan'ny fizarany ny fomba fijeriny tety anaty aterineto sy ny lanjan'ny fampahalalam-baovao:
Ao amin'ny aterineto, eo noho eo ny vaovao. Raha vao misy zava-mitranga, tsy mila miandry izay hosoratan'ireo media nentin-drazana, na izay hatontany, sivaniny sy ho avoakany. Izay mitàna ny vaovao no mitana ny fahefana. Nefa an-dàlam-piovàna tànana ny vaovao izao. Manomboka izao dia isika no tompon'ny vaovao, ary ireo izay nihevitra foana ny hifehy sy hanara-maso azy no nanolotra azy ho antsika teo ambony lovia madio. Nomeny antsika aloha ny fitaovana tamin'ny fieritreretany fa ho afaka hanohy ny fifehezana ny fampiasàn'ny olom-pirenena azy ireny ry zareo. Avy eo, teraka ny fiaraha-mientana voalohan'ireo “netocratiques”, ny rafitra marindrano, tsy misy fibaikoana. Vondrona natsangan'ireo olona izay tsy mifankahalala akory, tsy mifampifehy anaty sokajy efa voafaritra mialoha, manana hevitra vaovao momba ny fiarahamonina. Vantany vao voadingana io tsipika io, tsy misy intsony fiverenan-dia azo sainina.
Hererin'i Chris fa amin'ny alàlan'ny aterineto sy ny fanaovana izay hampahaleo tena ny resaka cyber no hahafahan'ny olom-pirenena tsirairay mihetsika sy mahita vokatra manoloana ny tsy rariny izay tsy iza fa ireo tomponandraikitry ny governemanta.
Mipetraka ao amin'ny biraonao, ao an-efitranonao, dia efa fomba maro no ahafahanao mihetsika. Azonao atao ny mifandray amin'ny « sampan-draharaha miahy ny isam-batan'olona », na dia efa fantatrao aza fa tsy misy inona ho azonao. Na koa, azonao atao ny miara-mirohotra ùandray anjara aminà hetsika sosialy fampiroboroboana ny fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ireo olan'izao tontolo izao sy ireo fanetsehana samihafa. Azonao atao ny manoratra ao amin'ny bilaoginao, manome ny fomba fijerinao, izay hozarain'olona hafa amin'ny sehatra hafa ary hovakian'olona 7 tapitrisa, ho tonga angamba any ampoto-tsofin'ny sekreteran'ny Filoha izay, ho fatin'ny henatra amin'ny sary ratsy « ara-tsosialy » ahitàn'ny rehetra azy sy ny ho fiantraikan'izany amin'ny resaka fifidianana, hanapa-kevitra ny hamerina handinika ny fomba fanaony. Azonao atao ihany koa ny mizara ny hevitrao eny anaty tambajotra sosialy, ny mahatsapa fa hay olona an'aliny no mitovy fisaina aminao ary tonga hatramin'ny hoe misy olom-pirenena an'arivorivony mivoaka midina an-dalambe sy manao fihetsiketsehana. Vonoinao ny solosainao araka izay ary dia hiteny ianao hoe : androany, tsaroako ho tena olom-pirenena kokoa noho izay lasa izay aho
Tanisain'i Chris amintsika ny sasantsasant amin'ireo fitaovana ampiasaina amin'ny fitolomana :
“hacktivisme”, fanavaozana ara-tsosialy, tambajotra, tetikasa fanomezana fahaleovantena, fandraisana anjara avy amin'ny olom-pirenena, fangaraharàna ety anaty aterineto, governemanta malalaka, teknolojia sosialy, famatsiam-bola amin'ny firotsahana mivantana, fahalalahana miteny ety anaty aterineto… Ireny foto-kevitra rehetra ireny, ary ny hafa maro, no fo mitepo ho an'ireo vahaolana maro izay tsy maintsy ataon'ny mpitolona ny hahazoana tombontsoa avy aminy. Ireny hetsika ireny, ireny endrika fisainana, ny fananganana aterineto, ny fizaràna ny vaovao sy ny kolontsaina, no fitsipika fototry ny fisainan'ny olom-pirenen'ny taonjato faha-21.
Miresaka ihany koa izy momba ireo fitaovana niomerika, ao anatin'ity lahatsary manaraka ity :
Faranan'i Chris amin'ny filazàna hoe:
Ao anaty tontolo iray izay mitohy hatrany mihodina manodidina ny vola, izay manome vahana ny isam-batan'lona, ny famarotana hevitra, ny famarotana izay rehetra azo amidy mihitsy raha ny marina, no misy olona mipongatra, tsy hoe vitsivitsy fa an'arivony, izay manolotra tolo-kevitra vaovao, mizara, mandrindra, mamorona ary misaina, miaraka amin'ny tanjona tokana hotratrarina, dia ny fahasambaran'ny daholobe alohan'ny hasambarana isam-batan'olona. Zava-dehibe io fanovàna fomba fisaina io miohatra amin'ny reaka fanorenana indostria. Rehefa masaka tsara ety anaty aterineto ny hevitra, dia handingana kosa ny sisintany virtoaly ary hipetraka any anaivon'ny fiarahamonina sivily any, amin'ny fiainana andavanandron'ny tsirairay. Azo sainina ny hisian'ny tontolo iray hafa.
Anatin'ireo tetikasa hafa nadraisan'i Chris anjara, azontsika tanisaina ny : Apps4Good (hetsiky ny Dale Zak ao Kanada), fiaraha-miasa tamin'ilay mpanao taokanto, Jordi Abello tanaty asa nampifandraisana ny mpiasanà banky sy ny rindrambaiko finday na niaraka tamin'ilay mpanao gazety Lali Sandiumenge tao anatin'ny tetikasa tohana MésCafèambllet (Fanampim-baovao misimisy kokoa, amin'ny teny Frantsay, momba ity lohahevitra ity eto).
Lahatsoratra mifandraika aminy :
Afef Abrougui, vehivavy bilaogera toniziana [fr|
Tafatafa niarahana tamin'i Rebecca MacKinnon mikasika ny bokiny “Consent of the Networked” [fr]
Sary an'i Rezwan navoaka tao amin'ny Flickr ho an'ny Global Voices Online, novokarina teo ambanin'ny lisansa CC BY-ND 2.0.
Tantaran'ny Eoropa Andrefana farany
-
30 Desambra 2020Angletera
Noely COVID : Tena tsy nisy toa azy tokoa va re?
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...