Tantara mikasika ny Sodàna tamin'ny Janoary, 2011
Israely/Palestina: Fanehoan-kevitra momba ny Antontan-taratasin'i Palestina
Androany ny Al Jazeera amin'ny teny Anglisy dia namoaka ny voalohany indrindra amin'ireo antontan-taratasy anatiny efa maherin'ny 1,600 avy amin'ny dingana ho fikatsahana fandriampahalemana teo amin'i Israely sy Palestina, nomena...
Tontolo Arabo: “Atsaharo ny mitomany ho an'i Sodàna”
Nametraka ny firenena ho eo ambanin'ny fanarahamason'ny tontolon'ny twitter Arabo ny fitsapan-kevi-bahoaka tany Sodàna mikasika ny fahaleovan-tena androany. Hatrany Arabia Saodita ka hatrany Palestina dia mandefa tweets mikasika ny firaisan'i Sodàna, ny fisarahana sy ny harena ny Arabo.
Sodana: Endrika mirana sy rantsan-tànana feno ranomainty
Alun McDonald sy David McKenzie dia manao fanavaozam-baovao matetika ny kaonty twitter-ndry zareo avy any Sodana Atsimo, toerana izay nandraisan'ireo mpifidy anjara tamin'ny fitsapan-kevibahoaka iray mikasika ny hoe, na hijanona ho ao anatin'i Sodana ihany, na hizaka tena ny faritra.
Sodana: Fitsapan-kevibahoaka momba ny fahaleovantenan'ny Sodana Atsimo, ao amin'ny Twitter
Nandeha nandatsa-bato androany (9 Janoary) ireo Sodane mpifidy tmba hanapa-kevitra na hjisintaka na hijanona ihany ho isan'i Sodana. Fehina tweets mikasika ny fitsapan-kevibahoaka ity. Azonareo atao ny manaraka mivantana ireo Tweets amin'ny fampiasàna ny tenifototra #SudanRef.
Sodana: Ny Fitsapan-kevibahoaka any atsimon'i Sodana, an-tsary
Misy fitsapan-kevibahoaka iray mandeha amin'izao fotoana izao any Atsimon'i Sodana, ny 9 Janoary ka hatramin'ny 15 Janoary 2011 mba hijerena na hijanona ho isan'ny Sodana ihany ny tapany atsimo na...
Sodàna: Hiteraka fanjakana vaovao ve i Afrika amin'ny 2011?
Hiteraka fanjakana vaovao ve i Afrika amin'ny 2011? Hanao fitsapan-kevi-bahoaka i Sodàna Atsimo na hoe hijanona na tsia ho faritr'i Sodàna izy amin'ny 9 Janoary 2011 araka ny ao anatin'ny Fifanarahana Ankapobeny ho amin'ny Fandriam-pahalemana tamin'ny 2005 teo amin'ny governemanta foibe ao Khartoum sy ny Hetsi-panafahan'ny Vahoaka ao Sodàna. Fitsapankevi-bahoaka iray koa no hatao amin'io fotoana io ihany any Abyei mikasika ny hoe ho lasa faritr'i Sodàna Tatsimo na tsia.