Tantara mikasika ny Sodàna tamin'ny Febroary, 2011
Sodana: Hiakatra an'i Nile anie ny rivotry ny fanovàna
Manaraka ny fandresen'ny vahoaka Ejiptianina, mikoriana mankany Ejipta ireo tweetin'i Sodane izay milaza hafatra mazava, "Hiakatra any amin'ny lohasaha ambonin'ny Nile anie ny rivotry ny fanovàna.”
Sodana: “Revolisiona Facebook” miaraka amin'ny Fanampian'ny Twitter avy eo an-damosiny
Firehana vaovao no atrehintsika androany eto Sodana. Nitombo niaraka tamin'ny niomerika ny tanora Sodane, ary tsapan'izy ireo tsara ny fivoaran'ny tontolo manodidina azy ireo. Mampiasa ny fitaovana tambajotra sosialy mba hanaovana izay handrenesana ny feony sy hiantsiana ny fitondrana ireo tanora Sodane. Ao anatin'ity lahatsoratra ity, hojerentsika ny fomba ampiasàna ny fitaovana media sosialy ho fanampiana handrindràna, handraketana ary hitaterana ny hetsi-panoherana tamin'ny 30 Janoary.