Tantara mikasika ny Sodàna tamin'ny Oktobra, 2018
Fitetezana bilaogy manerantany isaky ny alarobia (jona 2006)
Manana sary avy ao amin'ny tranoben'ny Fitsarana Tampony ao Bishkek, Kirghizistan i Nathan ao Registan, izay olona an-jatony no nanafika ny tranobe mba handroaka ireo mpanao fihetsiketsehana izay nibodo ny trano hatramin'ny volana Aprily. (Nitaky ny fialàn'ireo manampahefana rehetra notendren'ny filoha teo aloha Akayev ireo mpanao fihetsiketsehana.)
Nahoana No Miresaka Fanandevozana Ireo Tantara Noforonin'ny Afrikana Sy Haisiana ?
Nahoana no atsidika kely fotsiny ao anaty tantara Afrikana sy Haisiana noforonina ny resaka fanandevozana? Io no fanontanian'i Kangni Alem, Togoley blaogera monina ao Frantsa, nalefany tao amin'ny fampidirana am-biloagy miparitaka be iray sy voasaina tsara. Malahelo izy fa ny tantara afrikana dia tsy ahitana an'ireo andalan-tsoratra maro mikasika ny onjam-panandevozana izay nanafay ny tanibe ary tsipihany fa tsy manan-danja lehibe amin'ny literatiora haisiana ihany koa izany, hitany ho azo leferina ihany ireo antony'ny fanesorana izany ho an'ireo haisiana mpanoratra.
Sodàna: Ny Tafika ONU-UA Ao Darfour, Sekolin-jaza Madinika Iray Tena Lafo, Ny Fiverenan'ireo Bibidia Ao Sodàna Atsimo Sy Ireo Fanehoankevitra Mikasika Ny Blaogera Sodaney Pelaka Iray
Fotoana fohy izay lasa hatramin'ny nitetezako farany ny tontolombolongana sodaney nefa mbola inty ihany aho, miaraka aminà lohahevitra isankarazany, anisan'izany ireo fanehoankevitra tsy mahomby manodidina ny blaogy vaovao iray nosokafan'ny sodaney pelaka iray. Wholeheartedly-Sudaniya [En] namoaka ity sary manaraka ity tamin'ny tambajotra, mikasika ny hetsika mihisatra ataon'ireo Firenena Mikambana ao Darfour sy mikasika ny maha-voarohitohy an'i Shina.