Tantara mikasika ny Cote d'Ivoire tamin'ny Avrily, 2011
Cote d'Ivoire : Mbola mitohy ny herisetra na dia efa voasambotra aza i Gbagbo
Taorian'ny fisamborana azy ny 11 aprily 2011 lasa teo, niparitaka tamin'ny aterineto sy ny gazety iraisam-pirenena ny sarin'ny Filohan'i Cote d'Ivoire teo aloha Laurent Gbagbo sy ny vadiny ary ny manodidina azy....
Côte d'Ivoire: Lavo i Laurent Gbagbo
Anankiray amin'ireo lahatsoratra manokana momba ny Korontana any Côte d'Ivoire 2011 ity. Nivoaka ny vaovao malaza tamin'ny 11 aprily 2011 tamin'ny 01 ora GMT : nosamborina tao amin'ny fonenany ao Cocody i Laurent...
Côte d'Ivoire: Mikiribiby i Gbagbo, Fanoherana Afrikana
Raha mbola mihidy ao amin'ny bunker misy azy ao amin'ny firenena hatrany ny filoha Ivoariana teo aloha Laurent Gbagbo, mikiry mandà ny fahareseny nandritra ny fifidianana filoham-pirenena 2010, niteraka adihevitra teo amin'ny...
Cote d'Ivoire : Mandia ny Ora Farany ny Fitondrana Gbagbo ao Abidjan
Nafana aoka izany ny roa andro farany teo amin'ny fivadihan'ny tantara ho an'i Côte d'Ivoire. Ireo tafika mahatoky an'i Alassane Dramane Ouattara, Filoha nahazo fankatoavana iraisam-pirenena ao Côte d'Ivoire, sy...
Côte d'Ivoire: Ara-Dalàna Ve Ny Fitsabahan'ny Avy Any Ivelany?
Mety ho tonga amin'ny dingana farany ao Abidjan ato ho ato ny ady ho amin'ny fahefana ao Côte d'Ivoire, toerana nanombohan'ny Tafika Repoblikana (FRCI) manohana an'i Alassane Ouattara ny fanafihany an'ireo toerana nofehezin'ny tafik'i Laurent Gbagbo, tamin'ny Alatsinainy 4 Aprily. Nirotsaka an-tsehatra ny Firenena Mikambana sy ny Tafika Mitam-piadiana Frantsay, ary resahana betsaka any anivon'ny aterineto ny maha-ara-dalàna na tsia an'izany.
Côte d'Ivoire: Asa Famonjena Noho ny Maha-Olona Amin'ny Alalan'ny Tenifototra Ao Amin'ny Twitter
Anatin'ny korontana ara-politika misy ankehitriny ao Côte d'Ivoire, ny tenifototra #civ2010 ao amin'ny twitter dia nanjary loharanom-baovao nànana ny toerany teo amin'ny firenena. Na izany aza, maro ireo mpampiasa twitter no nampiakatra ny feony ka nitaraina fa ilay tenifototra dia nanjary lasa fitaovana nampiasain'ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany handrehetana ady.. Tenifototra iray vaovao, #civsocial, no noforonina mba hifampizaràna zavatra mikasika ny famonjena noho ny maha-olona.
Côte d'Ivoire: Iza Izao no Mifehy Ny Fahitalavi-Pirenena RTI?
Mifangaro voraka be ny resaka mikasika ny hoe iza izao no mifehy ny Radio Télévision Ivoirienne (RTI), ny fahitalavi-pirenena Ivoariana.