· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Cote d'Ivoire tamin'ny Janoary, 2019

Côte d'Ivoire: Tatitra Tafaporitsaka sy Lazaina fa Mikasika Kolikoly, Navoaka Tety Anaty Aterineto ary Nitarika ho Amin'ny Fisamborana Mpanao Gazety Telo

GV Mpisolovava  16 Janoary 2019

Araka ny nambaran'ny bilaogin'ny " Le Nouveau Courrier", telo ireo mpanao gazety avy amin'ny gazety ivoariàna mpiseho isanandro no nosamborina hatramin'ny Talala 13 Jolay noho ny namoahany tatitra iray tafaporitsaka lazaina fa momba ny kolikoly mikasika ny fandraharahàna kakaô sy kafe ao Côte d'Ivoire.Tamin'izay maraina izay, polisy nanao fanamiana sivily namita iraka nampanaovin'i Raymond Tchimou Fehou, lehiben'ny fampanoavana no tonga nisambotra an'ireo mpanao gazety telo - Saint Claver Oula, toniandahatsoratra, Stéphane Guédé mpamoaka lahatsoratra ary ny tale jeneraly Théophile Kouamouo - izay samy nentina hogadraina rehefa nandà tsy hanoro izay loharano nahazoany ny vaovao nandritra ny fitsidihana tampoka natao tao amin'ny biraon'ny Le Nouveau Courrier