Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay mikasika ny Korontana Côte d'Ivoire 2011
Mety ho tonga amin'ny dingana farany ao Abidjan ato ho ato ny ady ho amin'ny fahefana ao Côte d'Ivoire, toerana nanombohan'ny Tafika Repoblikana (FRCI) manohana an'i Alassane Ouattara ny fanafihany an'ireo toerana nofehezin'ny tafik'i Laurent Gbagbo, tamin'ny Alatsinainy 4 Aprily. Samy mitaky ny toerana maha-filoha ny roa tonta, taorian'ny fifidianana nifaninanana tamin'ny Novambra 2010, saingy i Ouattara no neken'izao tontolo izao ho nandresy.
Satria nanomboka ny fanafihana hanerena an'i Gbagbo hiala, ny firotsahana an-tsehatry ny hery vahiny, ambara amin'ny fomba ofisialy ho toy ny hetsika atao hiarovana ny sivily, dia nakarina sy noresahana betsaka teo anivon'ny aterineto.
Aloha be tamin'iny tolakandro iny, Choi Young-jin, solontena manokan'ny Sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana ao Cote d'Ivoire dia nilaza tao amin'ny BBC fa ny Fandraisana Andraikitry ny Firenena Mikambana any Cote d'Ivoire (UNOCI) dia mety hirotsaka an-tsehatra ao Abidjan. Hoy izy:
Mikarakara hetsika izahay, tsy azonay leferina ny fanafihan-dry zareo [tafik'Ing Gbagbo] an-jambany sady tsy misy fieritreretana ny sivily sy ireo mpisatroka manga avy amin'ny Firenena Mikambana amin'ny alalan'ny fitaovam-piadiana mavesatra.
Ny kaonty Twitter an'ny Biraon'ny Fiadidiana ny Lapam-panjakana Frantsay dia nanamafy:
@Elysée: Conformément à son mandat, l'#ONUCI vient d'engager des actions visant à neutraliser les armes lourdes contre les populations civiles.
@Elysée: Le Secrétaire général des Nations Unies a demandé le soutien des forces françaises à ces opérations.
@Elysée: Le Président #Sarkozy a répondu positivement à la demande & autorisé les forces françaises à participer aux opérations conduites par l'ONUCI.
Fanatreha-maso ny fidirana an-tsehatra
Araka ny ambaran'i @Lord225 ao amin'ny Twitter, nanomboka tamin'ny 5:22 ora hariva GMT ny hetsika:
@Lord225: L'assaut est effectif, 17h22 bombardement de plusieurs positions du camp gbagbo, épaisse fumée dans l'air #civ2010
Fotoana fohy taorian'ny fanambaràna ny fiantombohan'ilay hetsika, niteny ireo Ivoariana mpiondana aterineto fa nahatsinjo fitaovam-piadiana karazan'ireny fampiasan'ny Hery Manokana Frantsay ireny ry zareo. Israël Yoroba, Ivoariana iray mpanao gazety, solontenan'ny TV5 amin'izao fotoana izao any Abidjan, dia nampakatra tao amin'ny kaonty Twitter-ny hoe:
Je confirme que les camps d'Akouédo sont en train d'être pillonés par deux hélico. 1 Puma et 1 Mi 24. Faites le savoir au monde entier
Ny puma dia iray amin'ireo angidimby fitondra manafika fampiasan'ny Hery Manokana Frantsay, araka izay asehon’ity lahatsary nakarina tao amin'ny Dailymotion ity.
Niantso ireo mponina ao Abidjan i Yoroba mba hametraka ny fijoroana vavolombelona avy amin'izy ireo ao amin'ny pejy Facebook-ny mikasika ny zava-mitranga amin'izao fotoana:
Pendant que que la force française bombarde à Abidjan, des populations racontent en direct comment elles vivent ces tirs http://lnp.sn/Zwj
Ireto fanehoan-kevitra vitsivitsy:
Sedrick Ngotta izay ao Abidjan dia miteny hoe:
Je confirme c est pas les rebel mais les blancs qui nous pillone oh mon dieu!
Peter Zéphirin Wahi ao Abidjan dia manamafy:
Bombardements des helicos des forces licornes du camp d'akouédo, et l'onuci vient de tirer sur la residence du Chef de l'Etat à cocody et la Présidence au plateau à partir d'helico.
Tao amin'ny YouTube AfricaWeWish dia nampakatra lahatsary iray maneho izay faritan-dry zareo fa “fandarohana baomba ny tobin-tafika ao Akouédo nataon'ny UNOCI sy ny tafika Frantsay”:
MLDoss1 koa dia nizara lahatsary iray nalaina tany akaikin'ny tobin-tafika Akouédo:
Fanehoan-kevitra momba ny fitsabahan'ny vahiny
Avy amin'ny faritra rehetra manerana an'i Afrika, nitondra fanamarihana mikasika io fitsabahan'ny iraisampirenena io daholo ireo mpiondana aterineto:
Tao amin'ny pejy Facebook an'ny “La majorité Présidentielle” (Antokon'i Gbagbo), izay misy ‘mpitia’ 7.231, manome ny famaritany ny fahavononany hiady ho an'ny firenen-dry zareo.
j'ai pu me rendre près d'un camp et j'ai suivi et subi les bombardements, mais ma foi en la victoire de la Côte d'Ivoire ne fait que grandir
Anicet Bidza izay monina any Frantsa dia manampy hoe:
Nous devons nous mobiliser ici en France pour interpeller l'opinion publique Française!!! Ce qui se passe est extrêmement grave et le silence assourdissant des autres pays Africains est un crime contre la cote d'ivoire!!!
Amin'ny tenifototra #civ2010 ao amin'ny Twitter, natokana ho an'ireo vaovao momba an'i Côte d'Ivoire, misy mizara ny ahiahiny ny sasany mikasika ny mety ho tombontsoa na tsia entin'ity fidirana an-tsehatry ny avy any ivelany ity :
Kaya-Mangan Cissé miteny hoe:
@freerci: Je suis pour le depart de Gbagbo mais contre l'intervention de la france et de l'ONU.
Ara-dalàna ve io?
Bruno Ben Moubamba, Gabone mpanao politika , mpirotsaka hofidiana fahiny tamin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena taona 2009 tany Gabon, dia nanoratra tao amin'ny bilaoginy [fr] tamin'ny 4 Aprily 2011 fa nanao heloka an'ady i Nicolas Sarkozy tamin'ny fanitsakitsahany ny lalàna iraisam-pirenena. Ny Tafika Mitam-piadiana Frantsay dia napetraka tany Côte d'Ivoire ho toy ny mpiantoka fandriampahalemana, nantsoina hoe Operation Unicorn (Opération Licorne) hatramin'ny niantombohan'ny Ady sivily Ivoriana tamin'ny 2002-2007. Moubamba manoratra fa fanapahan-kevitra roa an'ny Firenena Mikambana no nampahatsiahy momba ny fampiasana fitaovam-piadiana mavesatra amin'ny sivily ataon'ireo tafika ireo, indrindra indrindra fa ny Fanapahan-Kevitra Faha 1726 Noraisin'ny Firenena Mikambana tamin'ny 1 Novambra 2006 sy ny Fanapahan-kevitra faha-1975 (PDF) tamin'ny 30 Martsa 2011.
Faranany amin'ny hoe nivoaka ny vàla famaritana ny Operation Unicorn ny governemanta Frantsay tamin'ny nandraisany anjara tamin'ireo daroka baomba tao Abidjan:
Il s’agit ni plus, ni moins, de la part de la Présidence de Nicolas Sarkozy, d’UN ACTE GRAVE d’Agression. Cet acte engage à son insu le peuple français
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay mikasika ny Korontana Côte d'Ivoire 2011