Côte d'Ivoire: Iza Izao no Mifehy Ny Fahitalavi-Pirenena RTI?

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofnay manokana ny Savorovoro Côte d'Ivoire 2011.

Mifangaro voraka be ny resaka mikasika ny hoe iza izao no mifehy ny Radio Télévision Ivoirienne (RTI), ny fahitalavi-pirenena Ivoariana.

Tamin'ny 31 Martsa, niditra tao Abidjan ny Tafika Repoblikana (FRCI) mpihoko sy mpomba an'i Alassane Ouattara, filoha neken'ny fiombonambe iraisam-pirenena, tanan-dehibe manana ny toerany any  Côte d'Ivoire. Rehefa tonga tao amin'ny foiben-toeran'ny RTI ry zareo dia niatrika fanoherana avy amin'ny Forces de Défense et de Sécurité (FDS) an'i Gbagbo. Ny foiben'ny fahitalavi-pirenena dia nomena anaram-bositra hoe “TV Laza Masaka” na “TV LMP” noho ny fahitan'ny rehetra azy manome tombon-dahiny ny Filoha Laurent Gbagbo, izay mandà ny fahareseny tamin'ny fifidianana tamin'ny Desambra 2010 ary mandà ny hiala. Lasa  sehatry ny fifanandrinana ho an'ny fifehezana ny RTI.

Tapaka voalohany nandritra ny 24 ora alojha ny fanapariahana, ary ny 01 Aprily 2011, Directscoop, bilaogim-baovao iray tantanan'olon-tsotra ary mibanjina an'i Afrika, dia nanambara [fr] fa niverina indray ny fandefasana sary sy feo:

La Radiodiffusion télévision ivoirienne ( Rti) a recommencé à diffuser son signal vendredi peu après 19 heures

Nanomboka nandeha indray ny RTI ny Zoma tamin'ny 7 ora hariva

Wanyu, mpamaky iray no nanamarika hoe:

Un long metrage de Damon : « LA VENGEANCE DANS LA PEAU » est diffusé en ce moment sur la RTI.

Tantara an-tsary iray lalaovin'i Matt Damon: “The Bourne Ultimatum – Valifaty tandra vadin-koditra” izao no mandeha ao amin'ny RTI.

Infodabidjan.net [fr], vohikala iray mpomba an'i Gbagbo, no namoaka ity lahatsary avy amin'olontsotra nalaina tamin'ny 01 Aprily 2011 ity tao amin'ny mombamomba azy tao amin'ny YouTube:

Ny teny fanazavana eo ambanin'ilay lahatsary dia milaza hoe :

Premieres images de la RTI après sa liberation

Ireo sary voalohany taorian'ny fanafahana ny RTI

Vondrona Facebook midadasika iray antsoina hoe  “Komity miady manohitra ny fitsabatsabahan'i Frantsa any Côte d'Ivoire” (Comité de lutte contre l'ingérance Française en Côte d'Ivoire) [fr] nahangona mpikambana manodidina ny 6720 eo ho eo avy amin'ireo mpomba an'i Gbagbo, no nifampizara ny lahatsarin'ny Fampahalalam-baovaon'ny RTI tamin'ny 02 Aprily: Hita ao ireo mpiadin'ny FDS mamaky ny fanambarana, manazava fa notafihan'ny hery mpomba an'i Ouattara ry zareo, notohanan'ny (ONUCI) – Sampan'ny Firenena Mikambana ao Côte d'Ivoire . Nilaza koa ry zareo fa ny toe-draharaha ao amin'ny RTI – sy manerana ny Abidjan ihany koa – dia efa voafehy ary afaka manohy ny fiainany toy ny isanandro ny vahoaka.

Tao amin'ny Twitter, naneho hevitra avy hatrany ny olom-pirenena mikasika iny fandraisam-pitenenana iny:

Tsy faly i @Gare_au_gorille:

@Gare_au_gorille: la RTI veut 1 bouclier humain en ne relayant pas couvre feu #civ2010 > RESTEZ CHEZ VOUS et faites passer le mot !!!

Mihevitra ny hanao sorona ny olona ny RTI amin'ny tsy filazany mikasika ny tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina #civ2010. MIJANONA ANY AN-TRANO ary aelezo ny feo!!!

@JusticeJFK koa:

@JusticeJFK: Intervenant FDS sur la RTI: “nous appelons les populations à vaquer normalement à leurs occupations”. Quelle irresponsabilité!!!

FDS niteny tao amin'ny RTI: ” Miantso ny vahoaka izahay mba handeha hanohy ny raharaha fanaony andavanandro” Tsy fandraisana andraikitra izany!!!!

Ny “Komity miady manohitra ny fitsabatsabahan'i Frantsa any Côte d'Ivoire” dia nizara lahatsary iray hafa, nalaina ny marainan'ny 02 Aprily tao amin'ny biraon'ny RTI, ho porofo fa ny FDS manohana an'i Gbagbo izao no mifehy ny fahitalavi-panjakana. Naverin'i AfricaWeWish nakarina tao amin'ny Youtube izany:

Stéphane Kassi, mpiasa iray ao amin'ny RTI dia manazava ny zava-nitranga tamin'ny Alakamisy 31 Martsa 2011:

Le jeudi (…) Suite à l'alerte de l'attaque de la rébellion, nous avons essayés de faire un repli, au niveau de la cité qui est en face se trouve à côté (…) Nous ne somme pas agents de la régie, mais nous avons fait de notre mieux. (…) Les combats ont eu lieu , et nous avons réussi à nous terrer quelque part jusqu'à on ait pu nous exfiltrer. Ce matin nous sommes là, comme le pays nous le demande, Nous sommes là pour défendre notre patrie.”

Taorian'ny fanambarana fa hoe misy ny fanafihana ataon'ireo mpihoko, dia niezaka ny nihataka tany amin'ny faritra faran'izay akaiky teo izahay. Tsy mpiasa amin'ny sampana fikirakirana izahya, saingy niezaka nanome izay tsara indrindra avy aminay. (…) Naka toerana ny fifandonana, ary niezaka ny niafina tany rehetra tany izahay mandra-pahatafavoakanay. Izao maraina izao, indreto izahay, araka ny fangatahan'ny firenena; eto hiaro ny firenena izahay.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofnay manokana ny Savorovoro Côte d'Ivoire 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.