Tantara mikasika ny Azia
Mizara fitakiana mialoha ny fifidianana Indoneziana ny tanora mpifidy
"Samy manana ny tanjany sy ny fahalemeny izy ireo. Sarotra izany ary mila manapa-kevitra tsara aho satria isika rehetra dia misafidy izay hitondra ity firenena ity mandritra ny dimy taona ho avy."
Ny zanakalahin'ny filohan'i Tajikistan no nampahomby ny ekipam-pirenena tamin'ny fiadiana ny amboara Aziatika
Hitondra fahatokisana sy fanantenana ho an'izay rehetra manatanteraka ny fandaharan'asa fampandrosoana ny football nasionaly antsoina hoe "Orzu-2026" (Nofinofy-2026) ny herim-pon'ny ekipam-pirenena.
Hong Kong diso fanantenana tamin'ny tsy nilalaovan'i Messi tamin'ny lalaon'i Miami CF amin'ny tompon-tanàna
Maro ireo Hongkongers tao amin'ny media sosialy no nanakiana ny fampirantiana football ho "solokin'ny taonjato" ary nanontany ny governemanta Hong Kong tamin'ny fanapahan-kevitra fanohanana ara-bola.
Tianao ho fantarina bebe kokoa ve ny momba an'i Nepal? Tsidiho ny pejy Ask me about Nepal
Niantsafa tamin'ilay mpanoratra Nepaley sady mpaka sary Nikki Thapa ny Global Voices momba ny hetsika ataony "Ask me about Nepal" izay vavahadin-tserasera tokana, mikendry ny hamaly ny fanontaniana rehetra momba an'i Nepal.
The Baku Connection: Miray hina ireo mpanao gazety manerantany hanohana ny Abzas Media ao Azerbaijan
Mpanao gazety 40 eo ho eo avy amin'ny fampahalalam-baovao 15 no nanatevin-daharana ny tetikasa hatramin'ny nivoahany raha miandry fitsarana any Baku ny ekipan'ny Abzas Media izay nanomboka ny fanadihadiana.
Ampikarohana ny koala sarobidin'i Aostralia
Noho i Aostralia mety hiatrika doro tanety mandravarava amin'ity fahavaratra ity toy ny tamin'ny taona 2019–2020, tandindonin-doza amin'ny lafiny maro hafa koa ny iray amin'ireo biby tiany indrindra, tsy inona izany fa ny koala.
Vitan'ny Filohan'i Indônezia, Jokowi, ve ny hijanona tsy hiandany raha hirotsaka ho filoha lefitra ny zanany lahy?
"Adidy ara-môraly ananantsika ny mampahatsiahy azy hipetraka tsy hiandàny ao anaty fifidianana ary tsy hitsitsy ny tantara hitsara azy amin'ny fanelingelenana ny dingana demaokratika"
Mitrandraka ny fifindràmonina, ny maha-mpikambana sy ny dikan'ny hoe an-trano ao Sri Lanka
Tao amin'ny fampirantiana zavakanto tao an-drenivohitr'i Sri Lanka, nasehon'ilay mpanakanto marolafy, Firi Rahman, ny fijalian'ireo mponina ao amin'ny Nosin'ny Andevo miatrika ny loza mitatao ateraky ny fanilihana tsikelikely ny mahantra.
Nentanina hamaha ny olan'ny zon'olombelona ireo Indoneziana kandidà ho filoham-pirenena
"Mbola tsy mahavita miantoka ny zon'ny olona haneho ny heviny am-pilaminana ao anatin'ny tontolom-piarahamonina mihatery i Indonezia."
Lehilahy nogadraina telo volana noho ny akanjony misy teny faneva fanoherana
Lehilahy iray avy any Hong Kong no nosamborina teo akaikin'ny vavahady fiondranana amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisampirenena Hong Kong tamin'ny volana Novambra lasa teo taorian'ny nahitana azy nanao t-shirt misy teny filamatra fanoherana.