Hong Kong diso fanantenana tamin'ny tsy nilalaovan'i Messi tamin'ny lalaon'i Miami CF amin'ny tompon-tanàna

International Miami CF nigadona tao Hong Kong tamin'ny 2 Febroary 2024. Sary avy amin'ny governemanta HK via sehatra twitter Brandhk.

“Aiza i Messi?”

“Avereno ny volanay! avereno ny volanay! avereno ny volanay!”

Mpankafy football manodidina ny 40.000 eo ho eo no nihiaka tao an-kianjan'i Hong Kong raha nipetraka teo an-dabilio nandritra ny lalao iray manontolo tamin'ny lalao ara-pirahalahiana nifanaovan'ny Miami CF sy ny ekipan'i Hong Kong tamin'ny 4 Febroary 2024 i Lionel Messi.

Nangotraka nandritra ny roa volana mahery ny fiandrandrana hahita an'ilay superstar Messi  hihazakazaka eo an-kianja fanaovam-baolina ao an-tanàna taorian'ny namoahan'ny governemantan'i Hong Kong sheky 16 tapitrisa HKD tamin'ny faran'ny Novambra 2023 ho an'ny mpikarakara Tatler Asia noho ny fikarakarana lalao fampirantiana ifanaovana amin'ny International Miami CF ho fanatsarana endrika indray an'i Hong Kong ho fihaonan-ketsika lehibe iraisampirenena sy hanainga ny fanahin'ny mponina.

Hatramin'ny nanambaràn‘ny Miami CF ny fitetezam-paritra any Azia sy ny diany ho any Hong Kong tamin'ny 8 Desambra, voafafan'ny Messi-mania i Hong Kong.

Tapakilan'ny lalao manodidina ny 40.000 no lany tao anatin'ny adiny iray na dia lafo aza ny vidin'ny tapakila, manomboka amin'ny HKD 880 (USD 113) ka hatramin'ny HKD 4.880 (USD 625). Lasa entana nahalafosana indrindra tao an-tanàna ny akanjo mavokely laharana faha-10 an'i Messi, ary niparitaka eny rehetra eny ny tarehiny:

Hong Kong mampandroso an'i Messi. Azon'i Messi ny ranomasina Shina Atsimo.

Rehefa nandeha ny siosion-dresaka fa mety tsy handray anjara amin'ny lalaon'i Hong Kong i Messi noho ny ratra nahazo azy nandritra ny lalao ara-pirahalahiana nataon'i Miami CF tao Al Nassr any Arabia Saodita tamin'ny 1 Febroary, dia nanome toky ny mpikarakara hetsika Tatler Asia fa hiseho eny an-kianja ora maro mialoha ny fanombohan'ny lalao amin'ny 4 febroary izy.

Avy eo, hita fa nipetraka teo amin'ny dabilio fotsiny ilay kapiteny mpandresy ny Mondial nandritra ny lalao 90 minitra, nijery ny fandresen'ny ekipany tamin'ny isa 4-1.

Nahaankona ny mpankafy football 40.000 ny tsy fidiran'i Messi, ary nanomboka nihiaka ry zareo hoe “Messi no ilainay” teo amin'ny antsasaky ny fizaram-potoana faharoa, ary nihanahery vaika ny akoralava nandritra ny 10 minitra farany. Samy notsenain'ny akoralava na i David Beckham, tompon'i Miami sy John Lee, lehiben'ny mpanatanteraka ao Hong Kong, rehefa niditra ny kianja ireo tamin'ny fiafaran'ny lalao:

Toe-draharaha Messi: nanao akoralava sy nihiaka ny amerenana ny volany ireo mpankafy tany Hong Kong rehefa tsy nilalao tamin'ny lalaom-pirahalahiana Inter Miami noho ny ratra azy i Lionel Messi

Nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety taorian'ny lalao, nanazava i Gerardo Martino, mpanazatra an'i Miami CF, fa tsy mety amin'ny departemantan'ny fitsaboana ao amin'ny ekipa ny hilalaovan'i Lionel Messi sy Luis Suárez .

Maro ireo Hongkongers tao amin'ny media sosialy no nanakiana ny fampirantiana football ho “solokin'ny taonjato” ary nanontany ny governemanta Hong Kong tamin'ny fanapahan-kevitra fanohanana ara-bola.

Ho setrin'izany, namoaka fanambaràna roa ny manampahefana HK izay nanoritra fa “diso fanantenana tanteraka” tamin'ny tsy fisehoan'i Messi ary nihevitra ny hampihena ny famatsiam-bola.

Nanazava Kevin Yeung, Sekretera misahana ny Kolontsaina, Fanatanjahantena ary ny Fizahantany tamin'ny 5 Febroary, fa nanantena ny hilalaovan'i Messi ny governemanta:

Nilaza tamin'ny mpanao gazety ny minisitry ny fanatanjahan-tena ao Hong Kong, Kevin Yeung,  fa “iray amin'ireo fepetra fototra amin'ny fifanarahana famatsiam-bola amin'i Tatler Asia ny fandraisan'i Messi anjara amin'ny lalao mandritra ny 45 minitra farafahakeliny, miankina amin'ny fiheverana ara-pahasalamana sy ara-piarovana.”

Tsy ny hanapahan'ny ny fanjakana famatsiam-bola na tsia no mampanahy. Nanimba ny lazan'i Hong Kong ilay “fisolokiana” satria maro ireo nandeha nankao hijery an'i Messi no nahatsapa fa voafitaka izy ireo:

“Nanampy ny olana atrehin'i Hong Kong amin'ny fiezahana hamerina ny lazany amin'ny foibe sokajy manerantany azy ny tsy-fidiran'i Messi, taorian'ny fihenana nateraky ny famoretana ireo tsy mitovy hevitra sy ny sakana valan'aretina”

Maro no naneho fahadisoam-panantenana tamin’ny paikady ara-barotry ny governemanta, eny fa na dia eo amin’ireo mpanohana fitondrana aza. Nanoratra tao amin'ny Facebook-ny ny mpanao lalàna Kong Yuk Foon:

相信有不少入場球迷非常失望,特別是遠道以來的或者是買炒飛的。日後我們辦盛事時點叫遊客相信我們呢?這個天文數字的合約究竟有冇條款要求球星要落場踢呢?

睇番旅發局的大肆宣傳和早前的報導,實在有點名過其實,雷聲夠大,雨都冇滴。如果球星連波都唔掂吓,就唔好說成來港獻技。…他們過幾天便會到東京作賽,從viagogo網站看,門票比我們的便宜,不知球星屆時會否落場呢?

Mino aho fa maro ny mpankafy football diso fanantenana tanteraka, indrindra fa ireo izay nandeha taty Hong Kong hijery ny seho na nandoa vola fanampiny hahazoana tapakila. Ahoana no amerenantsika ny fitokisan'ny mpizahatany antsika? Moa ve ny fifanarahana manery ny superstars tsy maintsy hilalao?

Raha jerena ny dokambarotra nasehon'ny Biraon'ny Fizahantany HK sy ny tatitry ny hetsika, dia be dia be ny fanambaràna mihoapampana sy fampanantenana tsy azo tanterahina. Raha tsy nikasika baolina akory ireo kintan'ny baolina kitra, ahoana no hilazanao amin'ny olona fa tonga teto izy ireo haneho ny fahaizany…Hilalao any Tokyo izy ireo afaka andro vitsivitsy, ary ao amin'ny tranokala Viagogo, mora kokoa noho ny antsika ny tapakila, ka manontany tena aho raha hiseho eo amin'ny kianja eo ny kintana.

Nanondro ny fanehoan-kevitra ao amin'ny ReNew, seha-baovao anjotra iray, fa mifandray amin'ny fampiasam-bola ara-politikan'ny governemanta amin'ny hetsika ara-barotra goavana ny “fisolokiana” :

權力方實在太渴望這種「香港仍然得」的畫面,將所有事推到整個城市的榮辱興衰都和美斯雙腳息息相關的程度,結果美斯這一傷亦一腳將香港踢入十八層地獄。事事講政治,將太多場外價值加諸在商業行為之上,結果被一場以商業利益為本(波飛貴、食水深、受傷/唔夠錢就不上陣,連 KFC 都賣五嚿水)的「盛事」一鑊翹起,只是剛剛好。

Maika dia maika ny manampahefana haneho ny sarin'ny “Mbola mitàna i Hong Kong.” Ka izany no ampifandraisan'ny ny voninahitry ny tanàna amin'ny fahatongavan'i Messi ao amin'ny dokambarotra. Ankehitriny nikoroso fahana i Hong Kong noho ny ratran'ny tongotr'i Messi. Rehefa politika daholo ny zava-drehetra, ary be loatra ny lanjan-javatra tsy mandeha napetraka amin'ny hetsika ara-barotra, dia korontana tanteraka ny vokany satria mifototra amin'ny tombontsoa ara-barotra (tapakila lafo, saram-pandraharahana mihoa-pampana, ratra/tsy misy lalao rehefa tsy ampy vola ianao, na dia ny akoho KFC aza namidy tamin'ny vidiny mihoatra ny HKD 500) ny fikarakarana “hetsika lehibe”.

Indrindra mora raha nanandrana nampiasa ny fisian'ireo superstar ireo ny governemantan'i Hong Kong hahatsara laza indray an'i Hong Kong, ny tsy filalaovan'i Messi dia azo adika ho toy ny “fifaharana malefaka” (“soft resistance”) — fihetsika mihantsy ny fahefan'ny governemanta — ary niteraka aingam-panahy hala-tahaka maneso ara-politika maro. Nakan'ilay mpanao sariitatra ara-politika any Hong Kong antsoina hoe Ah To sary an-tsaina ny resadresaka nifanaovan'i Messi sy ny mpikambana iray ao amin'ny “ekipam-panoherana bontolo” ao Hong Kong izay tsy mitsahatra mametraka fanontaniana hoe: “Tsy manatrika ahy ianao? Moa ve fifaharana malefaka izao? Mandrisika fankahalana ny governemanta ve ianao? Tsara vintana ianao! Mbola tsy lany ny andininy faha-23… ”

Niady tamin’ny ekipan’ny “Iraisampirenena” ireo mpitsikilo 23 an'ny ekipa

Natombok'i Hong Kong tamin'ny Janoary 2024 ny lalànan'ny filaminam-pirenena amin'ny alàlan'ny fananganana ekipam-panoherana bontolo handresy lahatra amin'ny filàna lalàna bebe kokoa hitandroana ny filaminam-pirenena. Lasibatry ny sasany amin'ireo lalàna ireo ny fitenenana mifandray amin'ny fifaharana malefaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.