Tsy vahaolana tokana ho an'ny fampahalalana tadiavin'ny olona ny milina fikarohana. Amin'ireo tranonkala manokana maro manome fampahalalana momba an'i Nepal, misongadina ny Ask Me About Nepal, mamaly ny fanontanian'ny olona te-hahafantatra bebe kokoa momba an'i Nepal.
Niezaka hatrany nitady fampahalalana momba an'i Nepal sy ny fomba amam-panaony amin'ny aterineto raha nanangona sary i Nikki Thapa, mpaka sary sady mpanoratra. tsy nanana ny fampahalalana notadiaviny i Google sy Wikipedia. Noho izany, noforoniny ny Ask Me About Nepal — vavahadin-tserasera tokana, angamba fitambaran'ny Google sy Wikipedia, izay mamaly ny fanontanian'ireo mpisera momba an'i Nepal. Manome fampahalalana momba an'i Nepal amin'ny alalan'ny sary sy tantara lalina amin'ny teny anglisy ny tranonkala.
Toy izao no nalefan'ilay mpanao gazety Aashish Mishra tao amin'ny X (Twitter taloha):
‘Kwoo’ adorned with inflated ‘Dho’.
A unique custom of Khokana's Sikali Jatra.To learn why this settlement – the township founded on tears – does not celebrate Dashain, please do read this report of mine.
Photo from the Facebook Page Ask Me About Nepalhttps://t.co/uvCL13nzAR pic.twitter.com/P5p2XFymYG
— Aashish Mishra (@AasMishra) October 19, 2023
Voaravaka ‘Dho’ mivoitra i ‘Kwoo’.
Fomba amam-panao iavahan'ny Sikali Jatra ao Khokana.Raha te hahalala ny antony tsy ankalazan’ity tanàna ity ny Dashain – ilay tanàna naorina tamin'ny ranomaso, dia tsy maintsy mamaky ity lahatsoratro ity azafady.
Sary avy amin'ny pejy Facebook Ask Me About Nepal
Niresaka tamin'i Nikki Thapa momba ny tetikasany i Sanjib Chaudhary avy ato amin'ny Global Voices. Eto ambany ny dikan-teny nafohezina:
Global Voices (GV): Ahoana no fomba namolavolanao ny Ask Me About Nepal? Inona no antony nanosika anao hanao izany?
Nikki Thapa (NT): [In the year 2000] I was working with Thomas Kelly, an American photographer who came to Nepal in 1978 as a USA Peace Corps Volunteer and contributed to documenting marginalized communities, their culture and tradition.
The Internet had just started at that time. However, I would not get any information about things I'd like to know. At that time there was a telephone line called ‘Ask Me’. which would take questions from callers. I was thinking of having a similar service that could answer the queries of people.
I left my job working with photographer Thomas Kelly in 2017 and started working on the project ‘Ask Me About Nepal’. I wanted to start a Wikipedia-like space where you can look up information on people, places, things, basically everything that echoes within Nepal. So was born, ‘Ask me about Nepal’ (AMAN). Think of it as a portal to Nepal.
Nikki Thapa (NT): [Tamin'ny taona 2000] niara-niasa tamin'i Thomas Kelly aho, mpaka sary Amerikana tonga tany Nepal tamin'ny taona 1978 ho Mpilatsaka an-tsitrapo tao amin'ny Peace Corps USA ary nandray anjara tamin'ny fanaovana tatitra momba ireo vondrom-piarahamonina voahilikilika, ny kolontsainy ary ny fomban-drazany.
Vao nanomboka ny Internet tamin'izany fotoana izany. Na izany aza, tsy nahazo fampahalalana momba ny zavatra tiako ho fantatra aho. Nisy fanaovana antso an-telefaonina antsoina hoe ‘Ask Me’ tamin'izany fotoana izany izay hamaly fanontaniana avy amin'ny mpiantso. Nieritreritra ny hanana tolotra mitovy amin'izany aho izay afaka mamaly ny fanontanian'ny olona.
Niala tamin'ny asako aho [ka] niaraka tamin'ny mpaka sary Thomas Kelly tamin'ny taona 2017 ary nanomboka niasa tamin'ny tetikasa ‘Ask Me About Nepal’. Te-hanomboka sehatra mitovy amin'ny Wikipedia aho izay ahafahana mikaroka vaovao momba ny olona, ny toerana, ny zavatra, ny zavatra rehetra amin'ny ankapobeny manakoako ao Nepal. Teraka àry ny noho izany ny ‘Ask me about Nepal’ (AMAN). Hevero ho toy ny vavahadin-tserasera mankany Nepal izany.
GV: Iza no olona kendrenareo? Karazana tantara inona no avoakanareo ao amin'ny tranokalanareo? Afaka mizara ny sasany amin'ireo fanadihadiana tao amin'ny tranonkalanareo ve ianareo?
NT: We went online in 2018 and have around 4,000 visitors every month. Most of our visitors are from the US, India and Nepal.
We are targeting a global audience — anybody who wants to know about Nepal. Specifically, researchers who want to study about Nepal, people who want to come to Nepal, and long term learners.
At Ask Me About Nepal, you’ll come across authentic, well-researched insightful content made possible by a dedicated team of researchers, writers, photographers, culture enthusiasts, industry experts, and contributors.
NT: Niditra an-tserasera izahay tamin'ny taona 2018 ary nanana mpitsidika manodidina ny 4000 isam-bolana. Ny ankamaroan'ny mpitsidika anay dia avy any Etazonia, India ary Nepal.
Kendrenay ny mpamaky maneran-tany — ireo rehetra izay te hahalala momba an'i Nepal. Indrindra indrindra, ireo mpikaroka te hanao fanadihadiana momba an'i Nepal, ireo olona te ho any Nepal, ary ireo mpianatra aman-taonany.
Ao amin'ny Ask Me About Nepal, dia hahita votoaty miavaka sy voarindra ara-panadihadiana tsara ianareo noho ny fanoloran-tenan’ny ekipa mpikaroka, mpanoratra, mpaka sary, mpankafy kolontsaina, manampahaizana momba ny indostria ary mpandray anjara.
GV: Afaka mizara tantara mahaliana vitsivitsy ve ianareo? Inona no valin-teny avy amin'ny mpamaky anareo?
NT: People contact us to learn more about the published stories. For example, somebody reading a post about Nagpokhari [a pond in the heart of Kathmandu, adjacent to the former royal palace] would especially like to know more about the type of Nag (Indian cobra) in Nagpokhari. They would ask what type of Naga it is.
Others would ask us to write more about culture. We also get appreciation mail.
NT: Mifandray aminay ny olona raha te hahalala bebe kokoa momba ireo tantara navoaka. Ohatra, misy olona mamaky lahatsoratra momba an'i Nagpokhari [dobo iray ao afovoan'i Kathmandu, mifanila amin'ny lapan'ny mpanjaka teo aloha] te hahafantatra bebe kokoa momba ny karazana Nag (kobra indiana) ao Nagpokhari. Manontany izy ireo hoe karazana Naga inona izy io.
Ny hafa kosa mangataka aminay mba hanoratra bebe kokoa momba ny kolontsaina. Mahazo mailaka fankasitrahana koa izahay.
GV: Azonareo lazaina aminay ve ny fomba fitantananareo ny votoaty?
NT: I'm responsible for curating the content and website. We also have occasional contributors and a team of writers.
We ask photographers to provide photos for our stories and photo bank. The Ask Me About Nepal platform provides an opportunity for budding photographers to upload their pictures and share them with an ever-growing, discerning audience.
Our main objective is to provide a platform to writers and photographers so that they can earn money while getting their stories to a wider audience. I too can earn so that I can provide grants to researchers, eventually.
NT: Izaho no tompon'andraikitra amin'ny fikarakarana ny votoaty sy ny tranokala. Manana mpandray anjara tsindraindray sy ekipa mpanoratra ihany koa izahay.
Mangataka ny mpaka sary izahay mba hanome sary ho an'ny tantaranay sy foiben-tsary. Manome fahafahana ho an’ireo mpaka sary vao misondrotra mba handefa ny sariny sy hizara izany amin'ny mpamaky tsy mitsaha-mitombo sy mahay manavaka ny sehatra Ask Me About Nepal.
Ny hanome sehatra ho an'ny mpanoratra sy mpaka sary no tena tanjonay mba hahazoany vola sady mampita ny tantarany amin'ny mpamaky marobe. Afaka mahazo vola ihany koa aho mba hanomezana fanampiana ho an'ny mpikaroka, rehefa mandeha ny fotoana.
GV: Inona no tanjona homaninareo amin'ny hoavy?
NT: I do not want Ask Me About Nepal necessarily to be newsy but a place where users can find a plethora of information under one umbrella. It should serve as a one stop destination that offers a window into every aspect of Nepal to one who is seeking information about the country.
I want to open doors for Nepali academics to share their hard work and research by allowing them to sell their academic theses on the platform. This will not only support their academic endeavors but will also contribute to the wealth of knowledge available on Ask Me About Nepal.
Also, I want to create an “Ask Me About Nepal Foundation” dedicated to providing yearly grants to support scholars and researchers in any faculties.
NT: Tsy tiako hiresa-baovao loatra ny Ask Me About Nepal fa mba ho toerana ahafahan'ny mpisera mahita fampahalalana betsaka ho aminà toerana tokana. Tokony ho toerana iray natokana hanolorana varavarankely amin'ny lafiny rehetra ao Nepal ho an'izay rehetra mitady vaovao momba ny firenena izany.
Te-hanokatra varavarana ho an'ireo akademika Nepaley aho hizarana ny asany sarotra sy ny fikarohana ataony amin'ny alàlan'ny famelana azy ireo hivarotra ny foto-kevitra akademika ao amin'ny sehatra. Izany dia tsy hanohana fotsiny ny ezaka akademika ataon’izy ireo fa hitondra anjara biriky amin'ny harem-pahalalana hita ao amin'ny Ask Me About Nepal koa.
Maniry ny hamorona “Orina Mpanasoa Ask Me About Nepal” ihany koa aho natokana hanaovana fanomezana isan-taona hanohanana ireo manam-pahaizana sy mpikaroka any amin'ny fakiolte rehetra.