Nanomboka ny taombaovao 2024 tamin'ny alalan'ny fisafidianana ny koala sarobidin'i Aostralia ho lahatsoratra misongadin‘io andro io ny Wikipedia.
Noho i Aostralia mety hiatrika doro tanety mandravarava amin'ity fahavaratra ity toy ny tamin'ny taona 2019–2020, tandindonin-doza amin'ny lafiny maro hafa koa ny iray amin'ireo biby tiany indrindra, tsy inona izany fa ny koala. Araka ny angom-baovaon'ny Global Voices tamin'ny Marsa 2022, nambara ho karazam-biby ahiana ho lany taranaka [mg] ity marika nasionaly ity. Roa amin'ireo loza mitatao aminy ireo ny fahaverezan'ny toeram-ponenana sy ireo aretina, toy ny Chlamydia.
Tsy vaovao ny tahotra amin'ny hoavin’ny koala. Ny horonana fanao tahiry, “Is the Koala Doomed for Extinction” (Voaozona hanjavona ve ny Koala?) nivoaka tamin'ny taona 1962:
Mazava ho azy fa misy zavatra vitsivitsy tsy maintsy havaozina avy amin'ny taona 1962 – ohatra, ny fanondroana ny orsa amin'ny lohatenin'ny YouTube. Tsy orsa ny koala. Marsupial mihinan-javamaniry (ravin-kininina no sakafony) ireo ary misy kitapo hitaizany ny zanany antsoina hoe joey. Mandany ny androny eny amin’ny hazo izy ireo, matory hatramin’ny 20 ora isan’andro. Mifindra anelanelan-kazo izy ireo raha ilaina zany.
Na dia efa nahita koala am-polony aza aho tao anatin'ny telo ampahefatry ny taonjato farany, dia tsy tadidiko ny fotoana farany. Fahita teny amin’ny hazo teny amoron-dalana izy ireo taloha. Toy ny fijerena azy ireny any an'ala sy valan-javaboary, dia re matetika amin'ny alina ny ngonongonony any amin'ireo toerana toy ny valan-javaboarim-pirenena Grampians any Victoria.
Na dia miteronterona eo am-bavahadin'ny Grampians eo aza ny Koala Goavana, dia vitsy tena vitsy ny biby tavela ao amin'ny valan-javaboary.

Giant Koala – Sary nampindramin'ny mpisera Flickr Knitspirit (CC BY-NC-ND 2.0 DEED)
Nitondra fifaliana kely ny fisian‘ny koala roa tamin'ny taona 2020:
Two koalas have been found in the Grampians in one of the first documented sightings in six years.
The rare find has been described as “fantastic” by Parks Victoria.
A member of Project Platypus Upper Wimmera Landcare spotted the sleepy marsupials, whose numbers were decimated by disease in the 1990s in the region.
Koala roa hita tao Grampians nandritra ny iray amin'ireo fijerena voarakitra ho tahiry voalohany tao anatin'ny enin-taona.
Nofaritan'ny Parks Victoria ho “mahavalalanina” ity tsikaritra tsy fahita firy ity.
Mpikambana iray ao amin'ny Project Platypus Upper Wimmera Landcare no nahita ireto marsupials matory, izay naripaky ny aretina tao amin'ny faritra nandritra ny andian-taona 1990.
Matetika ny mpanao politika no maka sary mitazona koala rehefa mitsidika an'i Oz. Karazany anatin'izany ity sarin'i Barack Obama tamin'ny taona 2014 ity:

Filoha Obama mitazona Koala – Sary ofisialin'ny Trano Fotsy avy amin'i Pete Souza (CC BY 3.0 US DEED)
Raha mieritreritra ny hitaiza iray ho biby fiompy an-trano ianao, dia manana izao fampitandremana izao ny Performance Lab ao amin'ny Oniversiten'i Queensland: Sady tsy mahafatifaty sy maha-te-hanafosafo ny Koala.
Raha ny marina, be dia be ny adihevitra an-jotra nandritra ny taona maro momba ny olona voan'ny aretina azo avy amin'ny firaisana (STI) Chlamydia avy amin'ny amanin'ny koala. Niteraka resabe ity taria Reddit ity: “Namitaka ve izy sa nahazo STD tamin'ny koala aho?? Fanavaozana- Namitaka izy ”
Efa nitsaha-tahotra ireo olo-malaza raha ny fijery azy. Araka an'i Luke Silver mpianatra te-hahazo ny diplaoma PhD ao amin'ny Oniversiten'i Sydney:
…fortunately you are unable to catch Chlamydia from holding or touching a koala as the species which infects koalas is different from the species which infects humans.
…Soa ihany fa tsy mety ho azon'ny Chlamydia ianao amin'ny fihazonana na fikasihana koala satria tsy mitovy karazana amin'ny olombelona ireo karazana mety hamindra amin'ny koala.
Manam-pahaizana momba ny tontolo iainana an-dranomasina sy biolojista momba ny jono monina any Royaume-Uni ny Aostraliana Bryce Stewart. Tsara vintana ihany izy nahita iray nandritra ny fialan-tsasatra farany nataony:
Spotted a #koala at the end of our driveway today… Not a bad start to 2024!! Wishing you all an awesome one as well #IComeFromALandDownUnder 🐨 pic.twitter.com/DedRO4vspO
— Bryce Stewart (@BD_Stew) January 1, 2024
Nahita #koala teo amin'ny faran'ny lalanay androany… Tsy ratsy fanombohana ny taona 2024!! Mirary soa ho anareo rehetra koa.
Raha ny marina, nitatitra i Bryce fa nahita roa teo akaikin’ Inverloch tany Victoria atsinanana.
Maro ireo tranonkala mirakitra izay hitan'ny vahoaka. Manana fampiharana ihany koa ny departemantan'ny tontolo iainana ao Queensland. Voarakitra an-tsarintany ao amin'ny pejin-tranonkalany ireo hita ireo, ary misy sary azo alaina raha avelan'ny niavian'ny sary.
Tsy vitan’ny hoe misy ny andro iraisampirenena ho an’ny koala tsy ompiana isaky ny volana mey, fa misy koa ny volana septambra amin'ny Volan'ny Vonjeo ny Koala, ka ny Zoma farany dia no Andron'ny Vonjeo ny Koala. Betsaka ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana sy tranonkala mampiroborobo ny hoavin'ity karazana malaza ity. Nilaza ny Friends of the Koala (Naman’ny Koala) fa “manana tanjona iray: hamonjy ny koala tsy ho lany tamingana”. Ankalazain'ny horonana fanao tahiry an-jotran-dry zareo ity fampahafantarana YouTube ity:
Manana zava-mahaliana folo momba ireo karazana ireo ny World Wildlife Fund-Australia. Ho an'ireo izay te hanampy amin'ny fanavotana ity ankafiziny ity dia manana programa Adopt a Koala (manangàna hiompiana koala) ihany koa ny WWF.