
Mpikambana ao amin'ny ekipam-pirenen'i Tajikistan manao ny hiram-pirenena mialoha ny lalao amin'i Libanona amin'ny fiadiana ny amboaran'i Azia AFC any Qatar. Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube AFC Asian Cup. Fampiasana ara-drariny.
Nivoaka lohateny lehibe amin'ny fiadiana ny Amboara Aziatika AFC any Qatar ny ekipam-pirenen'i Tajikistan noho ny fahatongavany tamin'ny dingana ampahefa-dalana amin'ny fifaninanana. Ho an'ny “Lions” ao Tajikistan, ity no nisehoany voalohany tamin'ny fifaninanana iraisampirenena lehibe, fitsapana nolalovan'izy ireo tamim-pahombiazana. Fotoana fohy talohan'ny lalao nifanandrinana tamin'i Jordania teo amin'ny ampahefa-dalana, nihaona tamin'ireo mpilalao tao Doha renivohitr'i Qatar ny filohan'ny Federasion'ny Baolina kitra Tajikistan, Rustam Emomali, nidera ny zava-bitany manan-tantara ary nanasongadina ny fomba nahazoan'izy ireo “ny fon'ireo mpankafy an-tapitrisany tany Tadjikistan sy any ivelany. .”
Ity lahatsary YouTube ahitana ny fihaonan'i Rustam Emomali tamin'ny ekipam-pirenena.
Famantarana ny fivoaran'ny football Tajik nandritra ny folo taona farany ny dian'i Emomali tany Doha sy ny fihaonana tamin'ireo mpilalao. Ny zava-bita mampitolagaga vitan'ny ekipam-pirenena no antony lehibe mahatonga an'i Emomali hankalaza izany na ho an'iza na ho an'iza. Nifanindra-dalana tamin'ny fivoaran'ny football ao Tajikistan hatreto ny fisandratan'i Emomali, izay antenaina handray ny toeran'ny filoha ankehitriny sy ny rainy Emomali Rahmon ho filoha manaraka.
Mandra-pahatongan'ity fifanintsanana ity, tsy nahatratra ny dingana farany tamin'ny fifaninanana football iraisampirenena lehibe rehetra i Tajikistan hatramin'ny nahazoany ny fahaleovantenany tamin'ny Firaisana Sovietika tamin'ny taona 1991. Nanomboka niova ny toetry ny football Tajik tsy dia nahomby loatra rehefa tonga teo ambany fifantohan'i Emomali ny fanatanjahantena.
Tamin'ny taona 2007, niara-nanorina ny FC Istiklol, klioba football ao Dushanbe renivohitr'i Tajikistan izy, izay nametraka firaketana fandresena betsaka indrindra tamin'ny Ligy Premier Tajik, ny amboara Tajik, ary ny amboara Super Tajik, nanjaka tamin'ny fifaninanana anatiny rehetra. Emomali no kapitenin'ny ekipa amin'ny maha-lohalaharana mpampidi-baolina azy, nahatonga ireo mpankafy hino fa iangaran'ny mpitsara ny FC Istiklol sy ireo rotaka ho fanoherana ireo kiririokan'ny mpitsara mampiahiahy mitanila mankany amin'ilay klioba .
Namarana ny lalany maha mpilalao football azy i Emomali tamin'ny taona 2012 rehefa voatendry ho filohan'ny Federasion'ny Football Tajikistan. Nanomboka teo izy no nisandratra nitàna asam-panjakana ambony maro ka lasa ben'ny tanànan'i Dushanbe sy filohan'ny antenimieran-doholona. Ankoatra ny fisahanany ireo asam-panjakana ambony roa ireo miaraka, dia mbola mitarika ny federasiona football i Emomali.
Naseho ny finiavany ara-pihetseham-po sy ny fampiasam-bolany tamin'ny football Tajik taorian'ny fandresena mampitolagaga azon'ny Lions teo anatrehan'ny ekipa Emira Arabo Mitambatra nandritra ireo lalao fifanintsanana.
Ity misy lahatsary Instagram ahitana fankalazan'ny mpilalao Tajik ny fandresena manoloana ny ekipan'ny Emira Arabo Mitambatra.
Nanambara i Emomali fa hahazo vola mitentina 450.000 dolara amerikana ny mpilalao noho izy tafakatra tamin'ireo lalao fifanintsanana sy ny fandresena teo anoloan'ny Emira Arabo Mitambatra ary nampanantena 200.000 dolara fanampiny ho an'ny fandresena amin'ny ampahefa-dalana. Niafara tamin'ny faharesena manoloana an’i Jordania tamin’ny isa 1 noho 0 ny lalao anganon'ny Lions. Na izany aza ny vokatra, dia nisy fankatoavan’ny besinimaro ny ekipa ho maherifon’ny firenena, izay nihoatra ny nantenaina rehetra.
Hitondra fahatokisana sy fanantenana ho an'ny rehetra manatanteraka ny fandaharan'asa fampandrosoana ny football nasionaly antsoina hoe “Orzu-2026” (Nofinofy-2026) ny herim-pon'ny ekipam-pirenena. Natsangana tamin'ny taona 2022, nametraka tanjona lehibe ho tafita amin'ny fiadiana ny Mondialy 2026 ny tenany. Taorian'ny vokatra mampitolagaga azon'ny ekipa tamin'ny fiadiana ny Amboaran'i Azia AFC, misy ny fientanentanana sy finoana azo tsapain-tanana fa mety ho tratra ny tanjona.