Tantara mikasika ny Tonga
Nitaraina i Shina dia nesorin'ny mpitarika ao Pasifika tanaty fanambaràna izay rehetra fanononana an'i Taiwan
Niditra an-tsehatra tao amin'ny Pacific Islands Forum (PIF) i Shina, nanizingizina ny hanesoran'ny mpitarika ao Pacifika izay rehetra fanononana an'i Taiwan amin'ny fampitam-baovao nataony momba ny forum.
Mikatsaka ny hiaro ny kava lasa nahazo laza maneran-tany ireo vondrom-piarahamonina Pasifika
Ny zava-pisotro kava, nentim-paharazana any amin'ny vondrom-piarahamonina nosy Pasifika, dia nanjary fahatsapana maneran-tany, izay miteraka fanahiana momba ny fitrandrahana sy ny fakàna azy.
Ahariharin'ity lalao an-tambajotra ity ny loza ateraky ny fitrandrahana an-dranomasina lalina.
"Ampio ireo mponina any amin'ny faran'ny lalina indrindra mba hiaro ny toeram-ponenan-dry zareo. Lalaovy ny TAPITRA NY LALAO ary fantaro ireo ambana goavana mifandray amin'ny fitrandrahana harena anaty ranomasina lalina."
Vondrona ao Pasifika mankalaza ny herinandron'ny ranomasina amin'ny fanoherana ny fitrandrahana any an-dranomasina lalina any
Vondrona isankarazany ao Pasifika no nankalaza ny Herinandron'ny ranomasina sy Andron'ny Ranomasina tamin'ny 8 Jona, tamin'ny fanaovana antso handavana ny fitrandrahana anaty ranomasina lalina (DSM) ao amin'ny faritra.
Mizara tantara momba ny fomba nahafahan'izy ireo tafavoaka velona tamin'ny fipoahan'ny volkano sy ny tsunami ny mponina ao Tonga
"Toy ny tsapako hoe nisokatra ny lanitra ary nipoaka tao anatin'ny sofiko izao tontolo izao. Tsy mbola nandre feo mahery vaika nandritra ny androm-piainako aho."
Voarahona horarana ao Tonga ny Facebook noho ny lahatsoratra iray nanohitra ny fanjakam-panjaka
"Hampiseho ny tenany ho toa tsy ampy saina na tsy mahomby ny governemanta amin'ny fiezahana hametraka ny fandraràna."
Tongà : Nampangaina Ho Nifehy Ny Haino Aman-jerin'ny Fanjakàna Mialoha Ny Fifidianana Ny Governemanta
"Mila atsahatry ny governemanta ny fampiasana ireo antsoina hoe fatiantoka ho toy ny fialantsiny hampiharana ny fanovàna manasazy mikendry ny hanafoanana ny trano famoaham-baovao sy ny fitantanana any amin'ny iray amin'ireo fampielezam-peom-panjakana fototra any amin'ny faritra."
Mpiadin'ny Toetrandro Ao Pasifika: “Tsy Dobo An-drano izahay, Mbola Mitolona izahay”
Misy fanentanana iray mikatsaka ny hanova ny sarin'ireo mponin'ny Nosy any Pasifika hiala amin'ny hoe traboina tsy mahefa na inona na inona ho lasa mpiady am-pilaminana manohitra ny fiovaovan'ny teotrandro