Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Ozbekistan

27 Jona 2018

Ozbekistan: Ady tsangambato

Ankalazaina ho Andron'ny Mpiaro ny Tanindrazana ao Ozbekistana ny 14 janoary. Andro iray mialoha ity andro ity, nisy ny lanonana fanokafana lehibe amin'ny tsangambato "Fianianana ho an'ny Tanindrazana" natao tao Tashkent, renivohitr'i Ozbekistana.

21 Jona 2018

Ozbekistana: Kajikajy tamin'ny fifidianana parlemantera

Araka ny efa nampoizin'ireo manam-pahaizana samihafa, nankasitrahana ny fifidianana solombavambahoaka tany Ozbekistana. Namoaka izany vaovao izany ny filohan'ny Vaomiera Misahana ny Fifidianana, Mirza-Ulugbek Abdusalomov ny harivan'io andro io ihany (27 desambra),

10 Mey 2018

Namotsotra ny “mpanao gazetiny nigadra farany” i Ozbekistan

Sambany tao anatin'ny roapolo taona mahery no tsy nisy mpanao gazety migadra na dia iray aza ao Ozbekistan, izay firenena nanjakan'ny tsirefesimandidy indrindra teto ambonin'ny tany taloha.

03 Mey 2018

Hanohana an'i Mohamed Salah i Azia Afovoany Amin'ny Mondialy ao Rosia

"Mampiditra ny tena Islam amin'izao tontolo izao i Salah sy ny lazany amin'ny fahaizana milalao baolina fandaka sy ny fitondra-tenany tsara."

20 Avrily 2018

Ozbekistana: Hatsiaka Hafahafa, Fiafaràn'ny “Nirvana” ary ny Tena Politika Mikasika ny Miralenta

Na teo aza io hatsiaka mahery vaika io, niaina ny fianany manokana ihany ny renivohitra. Voafidy ho mpitondra tenin'ny parlemanta i Dilorom Tashmuhamedova [kandidà taloha tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny volana Desambra 2007].

18 Avrily 2018

Ozbekistàna Sy Ny Mpifindra Moniny : Ny Tantaran'ireo Filoha Anankiroa

"Tsy maintsy mitady asa any amin'ireo firenena hafa ny olona satria tsy mamorona asa ho azy ireo isika."

16 Avrily 2018

Ozbekistana: Mikolokolo Ny Fahalalahana Miteny Ny Fanaovana Blaogy

Vao haingana, nokilasian'ny Departemantam-panjakana Amerikana ho anisan'ireo firenena "folo voalohany" amin'ireo firenena tena mpanao didy jadona erantany i Ozbekistana. Nandritra ny efa ho roapolo taona nanjakany, ny filoham-pirenena I. Karimov sy ny ankolafiny no nandray an-tanana ny fifehezana ireo lafim-piainana rehetra ao amin'ny firenena - ara-politika, ara-toekarena ary ara-tsosialy.

28 Marsa 2018

Ozbekistàna: Yusuf Juma, Poeta Martiora

...aroson'ireo antoko mpanohitra sy ireo Ozbeka nisintaka any ivelany ho mpifaninana amin'ny Loka Nobel-n'ny Haisoratra i Juma

18 Marsa 2018

Ozbekistana : Fikorontanan'ny Politikan'Ny Raharaham-Bahiny

Kihon-dalàna lehibe teo amin'ny politikan'ny raharaham-bahiny tao amin'ny firenena ilay fanafoanana tamin-kerisetra nataon'ny governemanta Ozbeka ny fihetsiketsehana iray tao Andijàna ny volana Mey 2005. Tsy navelan'ny governemanta hanao fanadihadiana mikasika ilay tranga ny Fiombonambe Eoropeana, ary taorian'ny fanoherana mafy nataon'ny governemanta Amerikana ny “tsy fanajàna ny zon'olombelona fototra”, noteren'i Tashkent...

01 Marsa 2018

Ozbekistan: Fiampangana Heloka Bevava An'i Umida Akhmedova Mpaka Sary Fanadihadiana

Voampanga ho nanevateva sy nanatsatso ny vahoaka sy ny fomban-drazana Ozbeka i Umida Akhmedova, Ozbeka mpaka sary fanadihadiana, araka ny tatitry ny Fergana.ru [EN].