Podcast: Manitsy ny vokatry ny korontana ara-jeopolitika i Asia Afovoany

The silhouette of a weighing scale, tilted to the right, is superimposed on a faded map of Central Asia

Sary indrana avy amin'i Ameya Nagarajan Image courtesy Ameya Nagarajan

Amin'ity herinandro ity isika mandehandeha manerana an'i Azia Afovoany miaraka amin'i Zhar Zardykhan, tonian-dahatsoratry ny Azia Afovoany, mba hijery ny ny voka-dratsin'ny fialàn'i Etazonia tao amin'ny faritra [mg] Afghanistan arahin'ny fisandratan'ny Taliban, izay miteraka tahotra fitolomana mitam-piadiana, sady mangeja ny varotra ihany koa, sy amin'ny fivezivezena sy ny filaminana. Mandritra izany fotoana izany, ny fananiham-bohitra ataon'i Rosia any Okraina mametraka ireo firenena ireo amin'ny tany mihozongozona, ka tsy maintsy lanjalanjaina ny filany hanamafy ny tsy fivakisan'ny zaratany manoloana ny fiankinan-dry zareo amin'i Rosia eo amin'ny lafiny fiarovana, fandefasam-bola avy amin'ny havana ary ny varotra.

Mitondra ho anao ny vaovao avy eny an-toerana manerana izao tontolo izao ny Podcast an'ny Global Voices. Isankerinandro ireo avy ato anatin'ny vondrompiarahamoninay mizara ireo vaovao manandanja indrindra avy any amin'ny vondrompiarahamonina misy azy sy ny fomba nananganany ny tantarany niainga avy amin'ny zavanisy teo an-toerana. Henoy ary izao ny fatram-baovao ho anao isankerinandro avy amin'ny feon'ny eny an-toerana.

Raha nankafizinao ity fizaràna ity, miangavy anao hamandrika sy hilaza amin'ireo namanao ny momba anay! Azonao atao ny manaraka anay ao amin'ny Twitter. Ny hira ao amin'ity Podcast ity dia avy amin'ny “Voyage” an'i NikMartken, avy amin'ny vondrompiarahamonina midadasiky ny Global Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.