Manaraka izay voasoratra fahiny ny fitsapankevi-bahoaka momba ny lalàm-panorenana ao ‘Ozbekistàna Vaovao’

Ny filoham-pirenena ao Ozbekistàna, Shavkat Mirziyoyev, nandatsa-bato ho an'ny fitsapankevi-bahoaka momba ny lalàm-panorenana. Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube an'ny  O'zMTRK O'zbekiston milliy teleradiokompaniyasi.

Efa ho roa taona taorian'ny nijoroan'ny governemanta, ela ny ela ka nahazo lalàm-panorenana vaovao ihany i Ozbekistàna. Ny 1 May teo, nambaran'ny Vaomiera Foibe misahana ny Fifidianana ao Ozbekistàna ny vokatra farany tamin'ny fitsapankevi-bahoaka momba ny lalàm-panorenana natao tamin'ny 30 Aprily. 84,54 % ny taham-pandraisana anjaran'ny mpifidy; 90,21% no nifidy ny ‘eny’ ary 9,35% no nanao ‘tsia’  hanaovana lalàm-panorenana iray vaovao. Ny filohan'ilay vaomiera, Zayniddin Nizamkhodjaev, dia niarahaba ny vahoaka tamin'ny “nandaniany lalàm-panorenana iray vaovao, tamin'ny nampiasàn'izy ireo ny zony ho an'ny fitsapankevitra iray natao tamin'ny fomba mangarahara sy misokatra.”

Nanan-kery nanomboka ny 1 Mey ilay lalàm-panorenana vaovao ary manolo ilay iray teo aloha nankatoavina tamin'ny 8 Desambra 1992. Ato anatin'ny volana roa manaraka, ny Kabinetran'ireo ministera ao Ozbekistàna dia handrafitra andiana fepetra mba hahatonga ny fanaovana lalàna hifanaraka amin'ilay lalàm-panorenana vaovao ka hanolotra izany eny amin'ny antenimieram-pirenena. Ato anatin'ny volana telo manaraka koa, ny governemanta dia handany “fandaharanasa hisy ireo fepetra hiantohana ny fametrahana ny adidy aman'andraikitra ara-tsôsialin'ny fanjakàna,” iantohan'ilay lalàna vaovao faratampony. Misy 65 % ny  fahasamihafàna hita ao anatin'ilay lalàna vaovao raha miohatra amin'ilay teo aloha, ary nitombo ho 155 ireo andalana raha 126 izany taloha.

Tafita tamin'ny andrana faharoa

Elabe no niketrehana ilay lalàm-panorenana ary niteraka olana marobe samihafa ho an'ny vahoaka sy ny governemanta tao Ozbekistàna. Tamin'ny Novambra 2021, sambany ny filoham-pirenena, Shavkat Mirziyoyev, nanambara drafitra fanovàna ny lalàm-panorenana, taorian'ny nahalàny azy indray ho an'ny fe-potoana faharoa sady farany hitondràny, araka ilay lalàm-panorenana teo aloha. Ny Jona 2022 no navoaka ny drafitra lalàm-panorenana iray vaovao, niaraka tamin'ireo drafitra hikarakaràna fitsapankevi-bahoaka ny faran'ny taona 2022.

Tanaty trangam-piovàn-javatra nahagaga, tamin'ny alàlan'ny fitsapankevi-bahoaka iray no nanesoran'ilay drafitra tamin'ny Faritra Mizakatenan'i Karakalpakstan ny zo hanao fisintahana amin'ny tanibe. Ny 1 sy 2 Jolay, nidina an-dàlambe ireo Karakalpaks, foko vitsy an'isa ao Ozbekistàna, hanohitra ny fanesorana ny zon'izy ireo hizaka tena. Nivadika ho herisetra ilay hetsi-panoherana ary namoizana ain'olontsotra 17 sy miaramila 4,  nahatonga azy ireny ho ny hetsipanoherana goavana indrindra sy namoizana aina betsaka indrindra teo amin'ny tantaran'i Ozbekistàna. Nahemotry ny governemanta ilay fitsapankevi-bahoana momba ny lalàm-panorenana ary notazoniny ny zon'i Karakalpakstan hitaky fahaleovantena.

Indro ny lahatsary iray Youtube tamin'ireo hetsipanoherana tao  Nukus, renivohitr'i Karakalpakstan.

Fanjakana sôsialy iray ary filoham-pirenena iraisana hatramin'ny 2040

Mety hisy fiantraikany lalina sy maharitra eo amin'ny firenena ny vokatr'ilay fitsapankevitra. Nohamafisin'ny mpitarika ara-pôlitika ao amin'ny firenena ny filàna nandàny ilay lalàm-panorenana vaovao mba hanorenana “Ozbekistàna Vaovao”,  fotokevitra pôlitika novoizin'i Mirziyoyev. Amin'ny fiteniny azy manokana, dia “fiarahamonina iray mivelatra sy tsy miangatra, izay hiahy ny olompirenena tsirairay” izy io. Fa ny tena zava-dehibe, io fotokevitra io dia nahafahan'i Mirziyoyev nanavaka ny fitondràny tsy hitovy amin'ny fitondràna jadona teo alohany fony faha- Islam Karimov, nodimandry tamin'ny 2016.

Ireo manampahefana dia namaritra ny fandaniana ilay lalàm-panorenana vaovao ho toy ny fototra amin'ny fitondrana ireo fanavaozana ara-pôlitika, ara-toekarena sy sôsialy. Amin'io lafiny io, fanovàna sasantsasany tsara asongadina ny fanambaràna an'i Ozbekistàna ho ‘Fanjakàna sôsialy, mankato ny fotokevitra hoe  “olona->fiarahamonina->fanjakàna” fa tsy “fanjakana->fiarahamonina->olona,” ary ny fepetra milaza fa tsy azo itsakitsahana ny voninahitra sy ny fahamendrehan'ny olona iray. Na izany aza, azo nampidirina tamin'ny alàlan'ny fomba tsy mandalo fitsapankevi-bahoaka ireny fanovàna ireny, toy ny fandaniana na fanitsiana lalàna.

Indro ny lahatsary Youtube mampiseho izay tena mba hain'ireo olompirenena Ozbeky marina momba ilay lalàm-panorenana vaovao.

Fiombonan-kevitra tsy misy nitsipaka ny an'ny vondrom-piarahamonin'ireo manampahaizana tsy mainkina hoe ny tanjona lehibe amin'ny anaovana fitsapankevi-bahoaka dia ny hanafoanana ilay fe-potoam-piasana roa teo aloha an'ny filoham-pirenena Mirzioyev ary hanokafana varavarana ho an'ny fahafahany mirotsaka hofidiana indray. Nampitomboin'ilay lalàm-panorenana vaovao ny halavan'ny fe-potoana fitondran'ny filoham-pirenena, dimy lasa fito taona, ary mbola afaka mirotsaka fanindroany. Manana fototra araka ny lalàna izao i Mirziyoyev hifikirany eo amin'ny fitondrana mandrapahatongan'ny 2040, ary efa mila hitovy amin'ny fe-potoana nipetrahan'i Karimov teo amin'ny toerany, izay naharitra 25 taona, fivoaran-draharaha iray izay sarotra ampidirina ao anatin'ny kabary miresaka fanavaozana ara-pôlitika. Ny lefitry ny mpitondratenin'ny antenimieran-doholona ao Ozbekistàna, Sodiq Safoyev, dia efa nanazava fa, araka ilay lalàm-panorenana vaovao,  “ny olompirenena rehetra, isan'izany ny filoha amperin'asa” dia afaka mirotsaka hofidiana mandritra ny fifidianana filoha manaraka hatao amin'ny 2026.

Tsy ny fanafoanana ilay fe-potoam-piasan'ny filohampirenena ihany no hany zavatra ahatsiarovana ilay Ozbekistàna teo aloha. Toetra nampiavaka ilay fitsapankevitra ny tsy nisian'ny fifanakalozankevitra ho fanakianana manodidina ireo fanovàna natolotra, ary ireo tsy fanarahan-dalàna marobe tamin'ny andro nandatsaham-bato. Ny tsy fanarahan-dalàna mahazatra tena voarakitra dia ny olona iray mifidy amin'ny anaran'ireo olona ao anatin'ny fianakaviany, fomba fanao izay hita mandritra ireo fifidianana virtoaly rehetra tao Ozbekistàna. Notaterin'ireo mpanao  gazety ihany koa ny fitazanam-potsiny nataon'ireo mpanaramaso, ary tamin'ny toerana sasany dia ny tsy fisian-dry zareo ireny mihitsy.

Indro ny lahatsary iray ahitàna vehivavy iray mameno vatom-pifidianana enina raha kely indrindra. Lahatsary avy amin'i fantsona Telegram an'i Shuhrat Latipov, azon'ny daholobe tsidihana.

Namaly azy ireny ny Vaomieran'ny fifidianana ary nanafoana ny fanisàna vato tany amina biraom-pifidianana miisa telo, no sady nilaza fa kely tsy hanohintohina ny vokatra manontolo izy ireny. Ny iraka mpanaramaso avy amin'ny OSCE ODIHR dia nidera ny fanomanana ara-teknika ilay fitsapankevitra, saingy nanamarika fa “tsy tao anaty tontolo tena misy ny fahamaroana ara-pôlitika no nanatontosàna azy, ary tsy nisy fanoherana voarindra mba ho tsindrin'entana tamin'ireo fanovàna natao tamin'ilay fitsapankevitra.” Ny tian'io fanambaràna io ambara, tsy mivantana, dia ny zavanisy hoe ny fanjakana dia tsy namela ny hisian'ny fampielezankevitra momba ilay fitsapankevitra afa-tsy ireo fanehoankevitra manohana ilay lalàm-panorenana vaovao. Tsy hita teny amin'ireo habaka natao ho an'ny daholobe ny fanakianana ireo fanovàna sy ny fanoherana ny hanaovana ilay fitsapankevitra, mampahatsiahy ireo andron'ny jadona fahiny fony fitondran'i  Karimov. Ny 30 Aprily, indrisy fa nitovy tanteraka tamin'ilay tany alohany ilay “Ozbekistàna Vavoaon'i” Mirziyoyev.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.