Ny tantaran'ireo Koreana ao Kyrgyzstan izay niova ho miozolomana

Abdusabr, Koreana Miozolomana ao Kyrgyzstan, mizara ny tantaran'ny fiovam-pony ho miozolomana. Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube Islamskii Jurnal “Umma” .

Miha-mahavalalanina hatrany ny tantaran'ny Koreana Sovietika any Azia Afovoany. Mizara ny tantaran'ireo Koreana enina ao an-toerana ao Kyrgyzstan izay niditra amin'ny lalan'ny Islamo ny lahatsary YouTube navoakan'ny gazetiboky Islamika “Umma” tamin'ny volana Aprily 2023.

Efa ho 90 taona lasa izay no tonga voalohany tany Azia Afovoany ny Koreana. Tamin'ny taona 1937, nalefa an-keriny tany Kazakhstan sy Uzbekistan ny Koreana miisa 171.781 nonina tany amin’ireo faritany Farany Atsinanana any amin’ny Firaisana Sovietika, izay teo ambany fifehezan’ny Sovietika. Nandefa ireo Koreana ireo ny manampahefana satria natahotra azy ireo ho mpitsikilo japoney ka mety hanampy ny fahavalo amin'ny ady teo amin'ny Firaisana Sovietika sy Japana.

Nifindra ary nonina tany Kyrgyzstan mpifanolo-bodirindrina ny sasany tamin’ireo voaroaka ireo, izay fonenan’ny Koreana miisa 17.000. Kristiana ny ankamaroan’ireo Koreana ao Kyrgyzstan, niely nanerana ny antokom-pivavahana ortodoksa, katolika ary protestanta. Am-polony vitsivitsy no an'ny vondrom-piarahamonina bodista vitsy an’isa ao Kyrgyzstan, ahitana mpikambana miisa 120 eo ho eo.

Hafa tanteraka amin'ny Koreana Tatsimo sy Tavaratra ireo Koreana ao Kyrgyzstan. Manana ny fomban-drazana sy ny fanaony izy ireo. Tafiditra ao anaty fiarahamonina Kyrgyz izy ireo amin'ny alalan'ny kolontsaina eo an-toerana sy ny fifanambadiana amin'ny Kyrgyz sy ireo foko hafa.

Ity misy lahatsary YouTube momba ny fiainan'ny Koreana ao Kyrgyzstan.

Nanjary sarotra kokoa ny fampidirana azy ireo satria nanomboka nanaraka ny lalam-pinoana Islamo ny sasany tamin'ny fiandohan'ny taompolo 2000. Mampiseho izany fironana izany ireo tantara manokana enina nozarain'ny “Umma”. Niova anarana izy enin-dahy mba hifanaraka amin’ny mari-panondroana azy ireo vaovao. Manana ny tantarany teo aloha ity fanovana anarana ity — noteren'ny manampahefana sovietika ny Koreana hanova ny anarany ho Rosiana taorian’ny nifindrany tany Azia Afovoany tamin’ny taona 1937.

Ity ny lahatsary YouTube avy amin’ny Umma momba ny fomba niovan'ireto Koreana ireto ho miozolomana ao Kyrgyzstan.

Yurii Muhammad Yusuf no voalohany tamin'izy ireo niova fo tamin'ny taona 2004. Tsy mampino ny fiovany, na dia ho an'ny tenany aza. “Hoy ny navaliko raha nisy nilaza tamiko tany am-piandohan'ireo taona 2000 fa hamaky ny Korany amin'ny teny Arabo aho fa tsy hisy izany ary nofinofy ihany,” hoy izy.

Tsy mitovy ny antony manosika azy ireo hiova finoana. Lasa Miozolomana i Abdulvahid, Vladimir teo aloha, tamin'ny taona 2008 taorian'ny nahafatesan'ny namany Rosiana akaiky azy niova ho miozolomana. Rehefa nifindra lalana ny namany, izy irery sisa no tsy Miozolomana tao amin'ny vondron’ny namany telo lahy izay Kyrgyz, Rosiana ary Koreana. Hoy izy: “Noraisiko ho famantarana [ny nahafatesan’ny namana]. Nilaza tamiko i Allah mba tsy ho tara [hifindra finoana ho miozolomana].” Hoy koa izy: “Nasain’i Allah ho mpanompony aho, ary nanaiky.”

Nahita ny valim-panontaniany momba ny dikan'ny fiainana ao amin'ny finoana Islamo ny efatra tamin'izy ireo. Nizara i Muhammad Ali fa niova ho Islamo izy mba ahafahany miresaka tsara kokoa amin'ilay feo ao an-dohany. Mino izy fa nitoeran’ny jinn, fanahy ratsy. Tao anatin'ny herintaona taorian'ny fiovam-pony ho Islamo, nanjavona ireo feo, ary niverina tamin'ny laoniny ny fiainany.

Miaiky izy ireo fa manahy momba ny fihetsiky ny namany sy ny fianakaviany manoloana ny fanapahan-kevitra noraisiny. Niaiky toy izao i Solih: “Nitebiteby aho ny amin’izay holazain’ny olona momba ny nanarahako ny lalana Islamo.” Amin'ny tranga sasany, toy ny tamin'i Muhammad Ali sy Solih, nanohana azy ireo ny fianakaviany ary niova fo ihany koa. Ho an'i Yurii Muhammad, hafa no nitranga, ary tsy maintsy nanangana rafitra fanohanana vaovao izy. “Nanova ny fianakaviako i Allah,” hoy izy nanazava, ary nanamarika fa nanambady indray izy ary nanangana fianakaviana vaovao.

Ny fiovam-pon'izy ireo dia vokatry ny fanasilamoana indray an'i Kyrgyzstan , izay nanomboka tamin'ny taona 1991 taorian'ny nahazoan'i Kyrgyzstan fahaleovantena. Niteraka fitomboan'isa moske sy madrasa (fikambanana ara-pivavahana Islamika) haingana dia haingana io dingana io, nanomboka tamin'ny moske miisa 38 sy madrasa aotra tamin'ny taona 1991 ka tonga moske miisa 2.699 ary madrasa miisa 125 tamin'ny taona 2023. Nahazo vahana ihany koa ny famoriana ny olona hanaraka ny lalam-pinoana, ka nitombo hatrany ny isan'ny mpino Miozolomana sy ireo nifindra lalana. Anisan'izany ireo Koreana enina sy ireo Koreana hafa izay mbola andalam-piovàna any Azia Afovoany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.