Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Desambra, 2015
Teny Folo Fampiasa Andavanandro Amin'ny Teny Espaniola Sy Anglisy Avy Amin'ny Quechua
Heverina fa any amin'ireo firenena "Andin" ihany no itenenana ny quechua. Nefa, teny maro amin'io fiteny io no ampiasaina amin'ny castillan sy amin'ny fiteny hafa toy ny Anglisy.
Olontsotra tia manoratra gazety vao nahazo amboara nisy namono tao Idlib, Syria
Maty novonoin'olona misarontava tao avaratr'i Syria i Ahmad Mohamed Almossa, mpikambana iray ao amin'ny fiarahan'ny Syriana olon-tsotra tia manao gazety ao amin'ny "Raqqa is Being Slaughtered Silently" (RBSS), hoy ny fanambaran'ny vondrona tao amin'ny Twitter.
Nandatsa-bato Tamin'ny Fifidianana Manan-tantara Ny Vehivavy Saodiana; Te Hanana Zo Bebe Kokoa Izy Ireo Ankehitriny
Vehivavy Saodiana iraika amby roapolo no nahazo seza tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna, sambany teo amin'ny tantara. Ankehitriny, mitady zo maro hafa ny vehivavy Saodiana, izay voaràra tsy mahazo mitondra fiara.
Nahoana No Faranan'ny Filohan'i Taiwan Ma Ying-Jeou Amin'ny Fihaonana Antampon'ny Helodrano Ety Ny Fitondrany ?
Midika fa misy zavatra tena, tena tsy ampoizina ny minitra farany nihaonan'ny Filoha Shino Xi Jiping sy ny Filoha Taiwane Ma Ying-Jeou roa volana mialoha ny fifidianana filoham-pirenena any Taiwan.
Ilay Nepaley Mpiaro Tigra Rotiky ny Tigra Ny Masony Ilany Ary Nahazo Ny Solomason'i DiCaprio
[...] "Tamin'ny voalohany, nahatsapa toa mikaroka sy mamono ilay tigra nanafika ahy aho, saingy avy eo, nihevitra aho fa mety nanafika ahy mba hamonjy ny tenany amin'ny loza mitaotao izy," hoy i Bhadai.
Ahoana ny Fomba Nentinao Nanamarika Ny Andro Iraisam-pirenena Ho An'ireo Mpifindra Monina?
Nandritra ny tantaran'ny zanak'olombelona, fanehoana amim-pahasahiana ny fanirian'ny tsirairay hihoatra ny fahasamihafana sy hiaina fiainana tsara kokoa ny fifindra-monina.
Marika hita maso amin'ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetrandro amin'ny biby sy ny zavamaniry ao Nepal
Mifindra monina ny vorona maro isan-karazany, mamelana aloha loatra ny voninkazo, miatrika ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetrandro ihany koa i Nepal, na dia eo aza ny fandraisany anjara amin'ny fampihenana ny fiakaran'ny maripàna.
Ny Fahasarotan'ny Fiatrehana Ny Fiovaovan'ny Toetrandro Ao Benin
Ny fahantrana, ny fomba fampiharana sy ny tsy fisian'ny fanentanana no mahasarotra ny ezaka fanatanterahana, hoy ireo manampahaizana tamin'ny fihaonambe momba ny fampandrosoana sy ny fiovaovan'ny toetrandro tao Benin.
Raha Misy Ahiahy, Anontanio ny Tenanao “Inona No Hataon'ny Filoha Tanzaniana?”
Ny fepetra hentitra nataon'ny Filoha John Magufuli any Tanzania mba hitsitsiana vola no nahatonga ny tenifototra misy fironana mahatsikaiky, #WhatWouldMagufuliDo.
Misaona an'ilay mpampianatra ambony, Benedict Anderson, ilay nanao izay ivoahan'ny fandripahana ny komonista tamin'ny 1965 ho fanta-bahoaka, i Indonezia
Mankalaza ny fiainan'ilay Profesora Benedict Anderson, mpanoratra ny boky "Fiarahamonina Nosaintsainina" sady manam-pahaizana momba an'i Azia Atsimo-atsinanana ao amin'ny Oniversite Cornell ny Indoneziana. Namoy ny ainy tamin'ny herinandro lasa teo i Anderson.