Nandatsa-bato Tamin'ny Fifidianana Manan-tantara Ny Vehivavy Saodiana; Te Hanana Zo Bebe Kokoa Izy Ireo Ankehitriny

Saudi Fawzia Al Rashid posts this photograph of herself on Twitter @fawziaalrashid after taking part in the municipal elections, which allowed Saudi women to nominate themselves and vote for the first time

Saodiana Fawzia Al Rashid nandefa ity sariny ity tao amin'ny Twitter @fawziaalrashid rehefa avy nandray anjara tamin'ny fifidianana monisipaly, izay namela ny vehivavy Saodiana hirotsaka hofidiana sy sambany hifidy.

Vehivavy iraika amby roapolo no nahazo seza tao amin'ny fifidianana monisipaly tao Arabia Saodita, fifidianana voalohany indrindra tao amin'ny firenena misokatra ho an'ny mpifidy sy kandidà vehivavy. Vehivavy manodidina ny 900 no nifaninana tamin'ny kandidà lehilahy 6.000 tamin'ny fifidianana amin'ny seza 2.100 ao amin'ny filankevitra monisipaly 284,  tompon'andraikitra amin'ny raharaha ao an-toerana, anisan'izany ny zaridainam-bahoaka, ny tatatra fanariana rano maloto sy ny fanangonana fako. Mpanolotsaina 1050 hafa ihany koa no hotendrena, maro no manantena ny vehivavy amin'izy ireo.

Notontosaina tamin'ny (12 Desambra) ny fifidianana manan-tantara izay ahitana vehivavy 130.000 nisoratra anarana hifidy, ary 978 no kandida mifaninana. Zava-baovao lehibe ho an'ny vehivavy Saodiana izany – fotoana iray miavaka ao amin'ny firenena tena mpandala ny nentim-paharazana izay tsy mahazo mitondra fiara ny vehivavy ary manaiky fa ny lehilahy no manjaka araka ny lalàna. Vehivavy 130.000 no voasoratra anarana hifidy, raha ampitahaina amin'ny lehilahy 1,3 tapitrisa. Tombanana ho 47 isan-jato ny taham-pahavitrihana.

Vehivavy mpikatroka roa no tsy nahafeno fepetra tamin'ny fifaninana. Loujain Al-Hathloul, izay nanao fanentanana ary nahintsana noho ny fiarovana ny vehivavy hitondra fiara sy ilay Shiita mpikatroka ny zon'olombelona Naseema Al-Sadah.

Tao amin'ny Twitter, nitaky valinteny mikasika ny antony tsy nanekena ny firotsahany hofidiana i Al Hathloul. Hoy izy :

Na dia eo aza ireo lafiny ratsy niseho tamiko sy ny hafa tamin'ity fifidianana ity, faly aho tamin'ny fahombiazan'ny lehilahy sy vehivavy voafidy tao amin'ny filankevitra. Arahabaina ireo mpandresy rehetra ary mirary fahombiazana ho anareo

Voaràra tsy mahazo mirotsaka hofidiana, namita ny adidiny hifidy i Al Sadah, mandrisika ny vehivavy hafa mba hahenoana ny heviny:

Fotoana manan-tantara ity fotoana nandatsahan'ny vehivavy vato tao anaty vata fandatsaham-bato ity ary aza miala amin'ny zonao hifidy sy handray anjara.

Mampahatsiahy ireo Saodiana ihany koa izy:

Mety tsy hitarika any amin'ny olona voafidy tsara indrindra ny fifidianana, fa hamoaka ireo izay mahazo vato be indrindra.

Na dia teo aza ny fahadisoam-panantenana, faly tamin'ny fifidianana ny vehivavy, maro ireo nizara lahatsary sy sary misy azy ireo mifidy.

Mpikatroka Tamador Al-Yami nizara ity lahatsary ity rehefa avy nifidy:

Hoy izy tao amin'ny lahatsary:

“I have just completed voting and may the women candidates be successful and we see the biggest changes at their hands.”

“Vao avy nahavita adidy nifidy aho ary hahomby anie ny kandida vehivavy ary hahita ny fanovana lehibe isika eo ampelatananizy ireo”

Tahaka ireo vehivavy Saodiana maro, mahita ny tantaran'ny fifidianana ao anatin'ny fanantenana be dia be i Al-Yami, amin'ny fanatsarana ny fepetra momba ny vehivavy ao amin'ny Fanjakana.

Ankehitriny Mila zo hafa maro Izy ireo

Nanantena handray ny fifidianana ho fahafahana mampahatsiahy ny olona ny fitakian'izy ireo miantso an'i Arabia Saodita hanaisotra ny fandraràna ny vehivavy tsy mitondra fiara ny hetsika 26 Oktobra, izay nanatontosa fampielezan-kevitra manerana ny firenena ho an'ny vehivavy mba hitondra fiara:

“Miarahaba ireo vehivavy mpandresy izahay ary manararaotra izao mba hampahatsiahy ny olona ny fitakianay hanaisotra ny fandraràna ny vehivavy tsy hitondra fiara”

Maniry fahalalahana bebe kokoa ho an'ny vehivavy ao amin'ny fireneny i Abdulla Al-Alami:

Manova ny fehezan-dalàna momba ny sata sivily hiantohana ny zon'ny vehivavy ary mamela ny vehivavy hiditra ao amin'ny filankevitra monisipaly. Ny dingana manaraka dia manome fahafahana ho an'ny vehivavy ho afaka mandehandeha, handeha toeran-kafa, mitsabo tena, mianatra ary miasa any ivelany.

Nanazava ny antony tokony hifidianan'ny olona ny vehivavy Saodiana i Hind Al-Zahed:

Mandeha any amin'ny vehivavy ny safidiko. Tsy misitraka fahafaha-manao zavatra amin'ny lehilahy ny vehivavy ao amin'ny fireneko ary izany no mahatonga ahy hanohy hanohana azy ireo mandra-pisian'ny hitsiny ary avy eo afaka mifidy izay tsaratsara kokoa isika

Tao amin'ny sioka roa, mamaritra ny fiovan'ny fihetseham-po teo amin'ny fanjakana mpandala ny nentim-paharazana, mamela ny vehivavy hifidy i Albara Al-Auhali:

Vehivavy Saodiana maro no niala ny tranony androany mba handray anjara amin'ny fifidianana ben'ny tanàna ary hita fa tena ara-dalàna izany rehetra izany. Efa-taona monja lasa izay, nisy ny adihevitra mafana nataontsika mikasika ity lohahevitra ity.

Fifidianana 2005 : Voaràra ny vehivavy mifidy ary tsy misy olona manana herim-po na dia hitaky izany aza!
Fifidianana 2011 : Niadian-kevitra izany saingy nolavin'ny maro an'isa
Fifidianana 2015: Tsy hoe ara-dalàna ihany ny raharaha fa zon’ ny vehivavy!

Tamin'ny taona 2013, vehivavy Saodiana 30 no voatendry ho mpikambana tao amin'ny Shura 150 na Filankevitra, birao mpanolo-tsaina ho an'ny governemanta. Maro no nidera izany “dingana voalohany” noraisin'ny fanjakana tsy refesi-mandidy izany, manantena fanavaozana bebe kokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.