Misaona an'ilay mpampianatra ambony, Benedict Anderson, ilay nanao izay ivoahan'ny fandripahana ny komonista tamin'ny 1965 ho fanta-bahoaka, i Indonezia

Benedict Anderson delivering a lecture in Indonesia. Photo from ‏@BSL_Forum

Benedict Anderson nandritra ny fampianarana itambarambe tao Indonezia. Sary avy amin'ny ‏@BSL_Forum.

Nodimandry tamin'ny 12 Desambra 2015 tao an-tanàna Indoneziana ao Malang, Atsinanan'i Java ny profesora Benedict Anderson, mpanoratra ny boky “Imagined Communities” (Fiarahamonina Nosaintsainina) sy manam-pahaizana momba ny Azia Atsimo-atsinanana ao amin'ny Oniversite Cornell.

Fantatra kokoa amin'ny “Fiarahamonina Nosaintsainina”, izay miresaka momba ny fitomboan'ny nasionalisma sy ny fomba nanovan'izany ny tantaran'izao tontolo izao i Anderson. Tsy dia malaza saingy hajaina tanteraka noho ny fikarohany momba ny kolontsaina sy ny tantara Indoneziana izy.

Ao Indonezia, malaza noho izy mpiara-manoratra lahatsoratra nihantsy ny fitantaran'ny governemanta momba ny vono olona faobe tamin'ny taona 1965 i Anderson. Ny taratasin'i Cornell tamin'ny 1971, mitondra ny lohateny hoe “Fanadihadiana santatra momba ny Fanonganam-panjakana tao Indonezia tamin'ny 1 Oktobra 1965,” no namoaka ny filazana diso nataon'ny “Holafitra Vaovao” an'i Suharto tamin'ny nahatonga ny fandripahana faobe tanatin'ny ra mandriaka ireo Komonista teo anelanelan'ny taona 1965 sy 1966. Nahazo tsiny tamin'i Suharto ho nanao fanonganam-panjakana tsy nahomby ny komonista, ka izany no nolazainy nahatonga ny tafika hanafay tanteraka. Voalaza fa olona atsasaky ny tapitrisa ny namoy ny ainy tamin'ny fandripahana, izay ahiahiana fa mpanohana ny komonista ny ankamaroan'izy ireo.

Noho ny lahatsoratra tamin'ny 1971, tsy navelan'ny manampahefana Indoneziana niverina nody tao amin'ny firenena mandritra ny 26 taona manaraka i Anderson. Tafody ihany izy tamin'ny taona 1998, rehefa niongana ny fitondrana Suharto.

Tamin'ny antsafa vao haingana niarahana tamin'ny “Gazetiboky Loka” (Gazetiboky Manerantany), niresaka momba ny tantaram-piainany hivoaka atsy ho atsy, ny fomba fijeriny momba ny tanora Indoneziana, sy ny heviny momba ny fianarana Indoneziana i Anderson.

Nanoratra tantaram-piainan’ ny maty, mitondra ny lohateny hoe “Mas Ben” (Rahalahy Ben), midera ny firehetam-po, ny fikirizana, sy ny fankamamiana fatratra ananan”ity mpampianatra ambony ity amin'ny tolon'i Indonezia hijoro ho firenena iray ilay Indoneziana mpanoratra antsoina hoe Goenawan Mohamad.

Noho ny asany naharitra ela teo amin'ny fampianarana ambony tao Indonezia ,nanome aingam-panahy ho an'ireo taranaka mpianatry ny oniversite miantso azy ho “Pak Ben” (Ramose, na Dada, Ben) i Anderson. Nizara fanomezam-boninahitra azy tao amin'ny Facebook ny sasany tamin'ireo mpiara miasa aminy teo aloha:

Ohatra, Sandra Hamid nampahatsiahy ny iray tamin'ireo fampianarana itambarambe vao haingana natolotr'i Anderson tao Indonezia:

RIP Ben Anderson. One of his last messages from
the widely attended public lecture in the University of Indonesia, just last Thursday: you can be a nationalist AND be ashamed of your country.

Thanks, Pak Ben.

Listen up, Indonesia!;
listen up, USA!; listen up, Australia!

Mandria am-piadanana i Ben Anderson. Iray amin'ireo hafatra farany napetrany nandritra ny fampiofanana natrehin'ny daholobe tao amin'ny Oniversiten'i Indonezia, vao tamin'ny Alakamisy farany teo: afaka ho nasionalista ianao ARY menara amin'ny firenenao.

Misaotra, Pak Ben.

Mihainoa, Indonezia!;
Mihainoa, Etazonia!; mihainoa, Aostralia!

Film Senyap sy Jagal kosa nanoratra ny lova navelan'i Anderson manazava ny zava-nitranga mampiadi-hevitra amin'ny tantara maoderin'i Indonezia:

Dari Ben Anderson kita belajar untuk meragukan kebenaran sejarah versi Orde Baru. Dari makalah lain yang berjudul “How Did The Generals Die”, dengan menelaah dokumen otopsi, kita diajak mengenali adanya propaganda hitam mengenai penyiksaan para perwira tinggi Angkatan Darat di Lubang Buaya dan mengenali bahwa penyiksaan itu sesungguhnya tidak pernah terjadi. Terima kasih dan selamat jalan, Ben.

Tamin'ny alalan'i Ben Anderson, nianatra hitsipaka ny fomba fitantaran'ny Holafitra Vaovao ny tantara izahay. Tamin'ny alalan'i Ben, nahafantatra izahay fa tsy mbola nampijalian'ny [komonista] mihitsy ireo manampahefana ambony ao amin'ny tafika. Misaotra Ben.

Tao amin'ny Twitter, mampiasa ny diezy #RIPBenAnderson ireo mpisaona:

Mirary fiononana feno noho ny fahalasan’ ilay Indoneziana manampahaizana Ben Anderson.Tsara vakin'ny taranaka ankehitriny tokoa ny “Imagined Communities” [“Fiarahamonina Nosaintsainina”]

Afaka manaiky sy tsy manaiky ny fehin-keviny isika, saingy nahavita hatrany nanova ny fontsika sy ny saintsika ny tahiriny sy ny fotokeviny. Misaotra!

Ny fampianarana itambarambe farany tao amin'ny UI [Oniversinten'i Indonezia] tamin'ny 10 Desambra 2015.

Mandria am-piadanana i Ben Anderson, hahita fiadanana ao amin'ny tanindrazana malalanao anie ianao, misaotra tamin'ny asa vitanao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.