Lasa mahavariana amin'ny Twitter manerana an'i Afrika ny Filoha vao voafidy tao Tanzania, Dr. John Magufuli, nomena ny anaram-bosotra hoe “ilay bilidaozera”, taorian'ny fepetra hentitra natolony hampihenana ny fandaniam-bola, izay tsy fahita firy any amin'ny firenena Afrikana. Najanon'i Magufuli ny fankalazàna ny fahaleovan-tena, raha vao vita ny fametrahana azy tamin'ny fomba ofisialy, fa nosoloiny fandaniana ny vola amin'ny fotodrafitrasa ho an'ny fahasalamana, ady amin'ny kôlerà any amin'ny faritra voakasik'izany ary fividianana fandriana sy fitaovana ho an'ny hopitaly.
Ka nilaza hoe: “tena mahamenatra hoe isika mandany vola be dia be hankalazàna ny faha 54 taonan'ny fahaleovantena, nefa ny olontsika matin'ny kôlerà,” nanambara ny filoha fa amin'ny andron'ny fahaleovantena, takiana handray anjara amin'ny fanentanana fanadiovana manerana ny firenena ny tokantrano tsirairay.
Nahazo fahaleovantena avy amin'i Grande-Bretagne tamin'ny 9 Desambra 1961 ny tanibe Tanzania, Tanganyika taloha.
Ny fihenana hafa dia ahitàna ny fampiatoana ny dia tsy ilaina mankany ivelany ho an'ny manampahefana ao amin'ny governemanta, tambinkarama mikasika ny seminera sy ny fivoriana, anisan'izany ny an'ireo Mpikambana ao amin'ny Parlemanta, ary ny fiaraha-misotro sy misakafo lafo vidy ataon'ny andrim-panjakana. Ny sakafo hariva iray ho an'ny fanokafana ofisialy ny parlemanta ao amin'ny firenena, ohatra, dia mandany 300 tapitrisa shillings Tanzaniana. Nahenan'i Magufuli ho 25 tapitrisa ny tetibola ary nanome baiko izy fa halaina hividianana fandriana sy kidoro 300 ary lambam-pandriana 600 ho an'ny hopitaly ny vola ambiny.
Ary raha saika handeha hanao fitsidihana hitety ireo firenena ao anatin'ny Commonwealth ny vondrona manampahefana 50 ao amin'ny governemanta ny 21 Novambra 2015, dia nahenan'ny filoha ho olona efatra ilay lisitra, nahafahana nitsitsy 600 tapitrisa shillings ho an'ny governemanta tamin'ny saram-pitanterana, fampiantranoana ary tambinkarama isanandro.
Ahitana fampiatoana ny dia mankany ivelany ny fepetra fitsitsiana hafa; atao am-pitsitsiana raha tena ilaina ny dia — tsy misy tapakila kilasy voalohany intsony ho an'ny mpiasam-panjakana ao amin'ny governemanta), hotely sy fiara lafo vidy (ankoatry ny Filoha, ny Filoha Lefitra ary ny Praiminisitra. Nisy vola fanome ihany koa najanona ary mikasa haka indray ny orinasam-panjakana rehetra tsy nihodina ara-dalàna izay nomena ho tantanan'ny tsy miankina ny governemanta.
Noraràn'ny filoha ihany koa ny mpiasam-panjakana tsy haka amin'ny volan'ny governemanta handefasana karatra firariantsoa noho ny Krismasy sy Taombaovao. Hampiasaina handoavana izay trosa tokony haloan'ny sampan-draharahan'ny governemanta amin'ny fividianana entana sy ny asa natao ny vola natokana ho amin'ny fanontàna ireo karatra ireo. Ny hetsika iray hafa be herim-po dia, raha tokony hanohana ny fampirantiana isan-taona rehefa Andro Erantany momba ny SIDA, hampiasaina mba hividianana fanafody ho an'ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH ny vola voatsitsy ho an'ilay hetsika.
Niaiky volana tamin'ny fahatsaran'ny vokatra vitany i Talkative Rocker mpampiasa Twitter ka nanome sosokevitra fa tokony hitarina any ivelan'i Tanzania ny fitarihan'i Magufuli:
Should President John Magufuli just become President of East Africa and we create KENYUGANZANIA
— Talkative Rocker (@beewol) November 24, 2015
Raha ny Filoha John Magufuli no lasa Filohan'ny Afrika Atsinanana fotsiny dia hamorona KENYUGANZANIA isika
Eny tokoa, nasehon'ireo mpampiasa Twitter manerana an'i Afrika ny fankasitrahany ny fepetram-pitsitsiana amin'ny fampiasana ny iray amin'ireo tenifototra ara-politika mampihomehy indrindra ao amin'ny tanibe, #WhatWouldMagufuliDo — raha adika, alohan'ny handraisanao fanapahankevitra, tokony hanontany tena aloha ianao amin'izay hataon'ny Filoha Tanzaniana amin'ny toe-javatra toy izany.
Noho izany, #WhatWouldMagufuliDo? Toy izao ny hevitry ny mpampiasa Twitter:
When she wants some silverware jewelry but then you're smart so you start thinking: #WhatWouldMagufuliDo pic.twitter.com/etvFZy9iPx
— Given Edward (@GIVENALITY) November 26, 2015
Raha te-hahazo firavaka volafotsy ikala nefa ianao marani-tsaina, noho izany manomboka mieritreritra ianao: #InonaNoHataoniMagufuli
I Wanted to buy an iPhone then thought #WhatWouldMagufuliDo and here i am.. pic.twitter.com/8eCD3Ymf52
— ule vid (@kirio_kario) November 28, 2015
Te-hividy iPhone aho dia avy eo nieritreritra #InonaNoHataoniMagufuli dia eto aho..
When you call her out for a date and she comes with her girls then you ask yourself #WhatWouldMagufuliDo pic.twitter.com/jq1yNVHTpE
— Jeff 2.7.7™ (@andsjeff) November 26, 2015
Rehefa miantso azy hifanao fotoana ianao ka tonga miaraka amin'ireo zanany vavy izy dia manontania tena ianao avy eo hoe #InonaNoHataoniMagufuli
After my Iron stopped working before buying a new one i asked myself #WhatWouldMagufuliDo and Voila!! pic.twitter.com/v3PIhvAlOA
— Mahmud (@MahmudKullane) November 26, 2015
Rehefa tsy nandeha ny Fera fipasohako, alohan'ny hividianako vaovao, nanontany tena aho hoe #InonaNoHataoniMagufuli Dia izay!!
#WhatWouldMagufuliDo na dia nampahafantatra ny fanapahan-kevitry ny mpisera anaty aterineto iray momba ny hanatrehana lamesa ho an'ny daholobe izay nataon'ny Papa François nanao fitsidihana tany Nairobi, Kenya ny Alakamisy 26 Novambra:
I wanted 2 spend fare n go watch the #papalmass frm uhuru park bt afta thinkin #WhatWouldMagufuliDo ,i decided to save fare n watch frm home
— STEVEN G.I.D.I (@OUMASTEVE1) November 26, 2015
Te handany vola amin'ny vidin'ny tapakila hijerena ny #lamesan'i papa ao amin'ny Kianja Uhuru aho fa rehefa nieritreritra #InonaNoHataoniMagufuli , dia nanapaka hevitra ny hitsitsy ny vidin'ny karatra amin'ny fijerena izany ao an-trano
Mahatsikaiky tanteraka ny ampahany amin'ny fitsitsiana nalain-tahaka tamin'i Maguful:
My girlfriend wanted money for eye-liner, I asked myself #WhatWouldMagufuliDo ; we used office marker pens instead pic.twitter.com/mdQL7OdRFr
— Dave (@MyUglyMustache) November 26, 2015
Nila vola ny sipako hividianana manjamaso, nanontany tena aho #InonaNoHataoniMagufuli ; penina fanamarihana any amin'ny birao no nampiasainay ho solony
I wanted to take my wife to a resort in ZNZ then i thought #WhatWouldMagufuliDo so i filled up the bathtub with water & salt now we chilling
— Mahmud (@MahmudKullane) November 26, 2015
Te hitondra ny vadiko ho amin'ny toerana iray fialantsasatra any ZNZ aho ary nieritreritra #InonaNoHataoniMagufuli ka nameno ny kovetabe fandroana amin'ny rano sy sira, afa-bizana izahay ankehitriny
I wanted to buy a cap but the I thought of #WhatWouldMagufuliDo pic.twitter.com/wIlsCqW7fx
— Victor Mochere (@VictorMochere) November 26, 2015
Te hividy kasikety aho, saingy nieritreritra #InonaNoHataoniMagufuli
Niresaka koa ny olana ara-tsosialy sy ao amin'ny firenena ny sasany amin'ireo mpisera anaty aterineto:
Beggars in the street asking for money but #WhatWouldMagufuliDo pic.twitter.com/ZRCGWdT2CT
— The Music (@Classic_Greg) November 26, 2015
Mpangataka eny an-dalambe izay mangataka vola fa #InonaNoHataoniMagufuli
I seriously wanted to increase Uganda's defence budget but then tweeps asked me #WhatWouldMagufuliDo and I was like pic.twitter.com/Z617mEJoCo
— Allan Ssenyonga (@ssojo81) November 26, 2015
Te hampitombo marina ny tetibolan'ny fiarovana any Ouganda aho, nefa avy eo nanontany ahy ny tweeps hoe #InonaNoHataoniMagufuli ary tahàka ity aho pic.twitter.com/Z617mEJoCo
Anaty hatsikana, na izany aza, mahatsapa ny Afrikana fa misy betsaka kokoa any amin'ilay tenifototra:
As fun as #WhatWouldMagufuliDo is, it is also real expression of wider disillusion w/ rampant kleptocracy in #Africa https://t.co/P7qrmUodYV
— Frezer Haile (@frezerhaile) November 26, 2015
Na mahafinaritra aza ny #InonaNoHataoniMagufuli , fanehoana marina ihany koa ny hadisoam-panantenana mivelatra kokoa amin'ny fihanaky ny kleptocracy (fitiavantena sy kolikoly) any #Africa izy
We might be making fun of H.E Magufuli but deep down we know tht many African C’tries need “Magufuli” 4 president & MPs #WhatWouldMagufuliDo
— Maureen Agena (@maureenagena) November 26, 2015
Afaka maneso an'i HE Magufuli isika saingy ny tena marina fantatsika fa firenena Afrikana maro no mila “Magufuli ” ho filoha & solom-bavambahoaka #InonaNoHataoniMagufuli
Maro amin'ny Tanzaniana no manantena fa hitazona ny vàhana mandritra ny dimy taona manaraka ao amin'ny andraikiny ny filohany vaovao.