Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ahoana ny Fomba Nentinao Nanamarika Ny Andro Iraisam-pirenena Ho An'ireo Mpifindra Monina?

6886069226_c51dae64e0_b

Mpifindra monina eo ambonin'ny “la Bestia”. Isan-taona, an'aliny ireo olona miampita an'i Meksika anatin'ny fanantenana hahazo an'i Etazonia, ny 90 isanjaton'ireto farany dia avy ao Amerika Afovoany. Sary nalaina avy ao amin'ny kaonty Flickr-n'i Peter Haden teo ambanin'ny Lisansa Creative Commons (CC BY 2.0)

Ny 18 Desambra dia andro natao hahatsiarovana ireo mpitsoa-ponenana s'ireo mpifindra monina, na avy any Siria izany, na Inde, na Shina, na Amerika Latina, eny fa na aiza na aiza eran-tany.

Amin'ity taona ity, koa satria ampoizina fa hahatratra taha avo dia avy ny isan'ireo olona eran-tany mikatsaka toerana hialofana, dia manao antso amin'ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena ny Fikambanana Iraisam-pirenena Misahana ny Fifindra-monina (IOM):

mba hivondrona ka hahatsiaro ireo mpitsoa-ponenana sy mpifindra monina namoy ny ainy na tsy hita popoka raha niezaka hahatratra toeram-pialofana azo antoka taorian'ireo dia sarotra namakivakiana ranomasina sy efitra maro.

Maro ireo vahoaka any Etazonia no mahatakatra izany, na eo aza ireo adihevitra s'ireo toerana mahery fihetsika nisongadina nandritra ny hazakazaky ny mpirotsaka hofidiana avy ao amin'ny Antoko Repoblikana.Vahoaka maro avy ao amin'ny Faritry ny helo-dranomasin'i San Francisco, ohatra, no mbola mitady ny rariny sy miady ho an'ny fandraisana tsara kokoa an'ireo mpitsoa-ponenana s'ireo mpifindra monina.

Saingy ankoatra ireo marika mipetaka s'ireo toe-draharaha, dia olombelona ihany ny olona.

Maneho izany tsara mihitsy ny tenifototra #Iamamigrant.

Amin'izao Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Mpifindra monina izao, dia indro misy fampahatsiahivana fotsiny: Zanakà mpifindra monina avokoa isika rehetra.

Zarao ny tantaranao.

Amin'izao andro natokana ho an'ny Mpifindra monina izao, jereo ny https://t.co/N1WL8IUlc2 ho an'ireo vaovao farany avy amin'ny IOM.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.