Olontsotra tia manoratra gazety vao nahazo amboara nisy namono tao Idlib, Syria

Ahmad Mohamed Almossa, a member of Raqqa is Being Slaughtered Silently (RBSS), was assassinated in Idlib, Syria, by unknown masked men, according to a tweet from RBSS.

Novonoin'olona misaron-tava i Ahmad Mohamed Almossa, mpikambana ao amin'ny Kendaina Mangina i (tanàna) Raqqa ary tao Idlib, Syria, no nanaovana izany araka sy sioka avy amin'ny RBSS.

Novonoin'olona maromaro misarontava tao Idlib, avaratra andrefan'i Syria tamin'ny 16 novambra 2015 lasa teo i Ahmad Mohamed Almossa, mpikambana ao amin'ny fiaraha-mientan'olom-pirenena Syriana tia manoratra gazety Raqqa is Being Slaughtered Silently (RBSS).

Anisan'ny vondrona mpiserasera mitatitra avy ao Raqqa i Almossa, ao amin'ny nolazain'ny vondrona mitam-piadiana ISIS ho renivohiny, izay nisokitra ilay lazaina ho Fanjakana Islamika amin'ny ampahan-tanin'i Syria sy Iràka. Tsongain'ny fampitam-baovao mila ho isan'andro ny RBSS ary maneho fomba fijery akaiky amin'ny fihetsika mampihoron-koditra ataon'ny ISIS, ny tafiky ny governemanta Syriana ary ny daroka an'habakabaka ataon'ny vondrona mpiara-dia hamelezana ny sivily. Efa nisy mpanao gazety roa hafa tao amin'ny vondrona ihany koa maty novonoina tamin'ity taona ity. Efa norahonan'ny ISIS noho ny famoahana ny heloka bevava nataony ho hitan'izao tontolo izao sy ny famoahana ny fijoroan'ny vahoakan'i Raqqa manoloana ny fanjakazakany ihany koa ity vondrona izay nijoro tamin'ny Avrily 2014 ity.

Tsy nisy ny vaovao fanampiny hafa hita momba an'i Almossa, saingy nomelohina teo amin'ny sehatra iraisampirenena kosa ny namonoana azy, ka tondroina noho ny fahafatesany ny ISIS.

Maro ireo naneho ny fihetseham-pony tamin'ny sioka nanambarana ny fahafatesan'i Almossa tao amin'ny RBSS:

Ahmad Mohamed Almossa iray amin'ny mpikamban'ny RBSS maty novonoin'ny vondrona tsy fantatra misarontava tao Raqqa.

Novonoin'olona tsy mifaditrovana. Maty noho ny fotokevitra izay maha-kanosa ahy tanteraka tsy sahiko fihinina izy. Poa-tsatroka ho an'i Ahmad Mohamed Almossa sy ny mpikamban'ny RBSS rehetra avy amiko.

Firy amintsika raha sedraina no hanana ny fahasahian'ity lehilahy ity? Mieriteritra aho fa natokana ho an'ny olona tahaka azy ny paradisa.

Nanameloka izao famonoana izao ny Komitim-Piarovana ny Mpanao Gazety, izay vao avy nanome amboara ny RBSS tamin'ny volana lasa teo tamin'ny Lokan'ny Fahalalahan-Gazety Iraisampirenena 2015 tamin'ny fahasahiany mitati-baovao ao Syria, ary nanampy hoe:

At least two other members of Raqqa is Being Slaughtered Silently have been murdered since the group was founded in April 2014. In October 2015, Ibrahim Abd al-Qader was killed by Islamic State militants, along with fellow journalist Fares Hamadi, in Urfa, southeastern Turkey. In May 2014, Al-Moutaz Bellah Ibrahim was kidnapped by Islamic State and murdered. In a two-part video series released earlier this year, Islamic State militants claimed responsibility for the kidnapping of al-Mousa's father and four other Syrians accused of being members of the group. Raqqa is Being Slaughtered Silently told CPJ none of the victims were members of its group.

Farafahakeliny mpikambana roa hafa amin'ny “Kendaina Mangina i Raqqa” no maty novonoina hatramin'ny nananganana ny vondroona tamin'ny Avrily 2014. Tamin'ny Oktobra 2015 i Ibrahim Abd al-Qader no matin'ny mpitolon'ny Fanjakana Islamika, niaraka tamin'ny namana mpanao gazety Fares Hamadi, tao Urfa, atsimo atsinanan'i Torkia. Nalain'i Fanjakana Islamika an-keriny i Al-Moutaz Bellah Ibrahim ary novonoiny.

Na dia eo aza izao fahavoazana maharary izao dia mbola manohy ny asany ihany ny RBSS. Indro ny sioka tamin'ny 22 Desambra :

Fiainana andavanandro ao Raqqa androany

Raha hanaraka ny RBSS, hamarino ny asany ao amin'ny Facebook, Twitter ary blaogy, izay manana mpanjohy an'arivony.

Ny “Reporters without Borders” dia mandahatra an'i Syria ho anisan'ireo mpanitsakitsaka ny fahalalaham-pitenenana indrindra, mametraka azy amin'ny faha-176 amin'ny firenena 179 amin'ny fampandaharany ny fahalalahan-gazety manerantany. Hatramin'ny Marsa 2011, dia mpanao gazety 50 no maty nisy namono tao Syria, valo ny mpanao gazety fonjaina, 17 ny mpiserasera migadra ary 141 ny isan'ny mpiserasera ny olo-tsotra manoratra gazety maty.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.