Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Septambra, 2015
Antson'ny Mpikatroka Hampitsaharana ny Ady An-trano Naharitra 60 Taona Ao Myanmar
Nankalaza ny Andro Iraisampirenena ho An'ny Fandriampahalemana ny vondrona isan-karazany ao Myanmar tamin'ny alalan'ny diabe tao an-drenivohitra teo aloha Yangon tamin'ny 21 Septambra, mitaky ny famotsorana ireo gadra politika sy ny famahana ny olan'ny ady an-trano naharitra dimampolo taona mahery tao amin'ny firenena.
“Eto Izahay Manohana Anao”: Holandey Mandray Mpitsoa-ponenana
Nitambatra ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Gara Afovoany ao Amsterdam mba handray sy hanohana ny fahatongavan'ny mpitsoa-ponenana. "Ny tsy nampoiziko hoy i Faten Busheri nanoratra dia ireo tantara nolazain'izy ireo tamiko."
Atena Farghdani, Artista Sady Mpikatroka Mafàna Fo Voafonja, Manohitra Amin'ny Alàlan'ny Fitokonana Tsy Misakafo Ny Fampijaliana Azy
“Nolotoin-dry zareo tao am-ponja ny hajan'ny zanako vavy. Ny maha-olona azy no lalaovin-dry zareo amin'ireo teny [ratsiny]."
“Nandositra” Ny Mpandraharaha Ambony Iray Ao Hong Kong. Manontany Ny Mpiserasera Shinoa hoe, Nahoana Kosa Izy No Tsy Tokony Handositra?
Tamin'ny lahatsoratra izay voafafa avy hatrany, nanaratsy an'i Li Ka Shing noho izy namindra ny fandraharahanany ivelan'i Hong Kong sy Shina tanibe ny mpandini-draharaha'ny governemanta Shinoa.
Mandray Anjara Goavana Amin'ny Fampianarana Ao Japana Ny Sakafo Atoandro Any An-tsekoly
Nanatontsa lahatsary fampahafantarana manome fomba fijery lehibe mikasika ny maha-zava-dehibe ny sakafo atoandro any an-tsekoly amin'ny fianarana any amin'ny sekoly Japoney ny Cafeteria Culture (CafCu) (Kolontsaina Hotely Fisakafoanana).
Ny Tantaran'i Raiza Ruiz, Nolazaina Fa Maty Nefa Velona Mirijarija Be
Nambara fa maty i Raiza Ruiz taorian'ny fidarabohan'ny fiaramanidina iray tao Amazona. Na dia hita velona nony andro maro taty aoriana aza, hafahafa tsy mahazatra ny toerana misy azy manoloana ny lalàna.
Tsy Irery Ireo Bilaogeran'ny Zone9: Mpiserasera Ethiopiana Maro Ihany Koa No Voampanga Amin'ny Fampihorohoroana
Maro be ireo bilaogera Ethiopiana, mpikatroka antserasera sy mpanao politika izay mbola tsy ao anaty sarintany ny anaran'izy ireo. Ankoatra ny raharaha malaza Zone 9 Bloggers, misy ihany koa ireo tanora hafa marobe miatrika fiampangana mitovy amin'izany.
Sariitatry Ny Charlie Hebdo Momba An'i Aylan Kurdi, Miteraka Andiana Adihevitra iray Hafa
Adihevitra iray vaovao indray momba ny fahalalahana maneho hevitra no nateraky ny sariitatra farany navoakan'ilay gazetiboky frantsay mpanaraby, momba ny olan'ny mpitsoa-ponenana sy an'i Aylan Kurdi, ilay zazakely siriana maty an-drano .
Mihamanatona ny fifidianana, mitodika any amin'ny media sosialy i Myanmar eo amin'ny kihon-dalan'ny demaokrasia
Eto amin'ity fifidianana ity no ijeren'ny maro ny fahavononan'ny governemanta amin'izao fotoana izao hanatontosa fifidianana marina sy madio, sy ho dingana lehiben'ny tetezamitan'ny firenena mankany amin'ny demaokrasia maoderina.
Zokiolona Thailandey Mpanao Gazety, Notànana Taorian'ny “Fanitsiana Toetsaina”
"Tsy ho voatazona ny fahalalahana raha tsy vonona ny hiaro azy io isika," hoy i Pravit tamin'ny bitsika nalefany ny andron'ny nitazonana azy.