Atena Farghdani, Artista Sady Mpikatroka Mafàna Fo Voafonja, Manohitra Amin'ny Alàlan'ny Fitokonana Tsy Misakafo Ny Fampijaliana Azy

Jailed cartoonist and activist Atena Farghdani has been on a hunger strike in protest of verbal abuse in jail. Photo from ICHRI.

Atena Farghdani, mpanao sariitatra sady mpikatroka mafàna fo, tsy misakafo ho fanoherany ny herisetra am-bava ao am-ponja. Sary an'ny ICHRI.

Nipoitra voalohany tao amin'ny iranhumanrights.org ity lahatsoratra ity ary naverina navoaka eto miaraka amin'ny fiarahana miasan'ny Fanentanana Iraisampirenena momba ny Zon'Olombelona ao Iràna.

Hatramin'ny Septambra no efa nanomboka nitokona tsy nisakafo ao am-ponjan'i Evin ilay artista sady mpikatroka mafàna fo, Atena Farghadani, any am-ponja nanomboka ny 10 Janoary 2015, ho fanoherany ny herisetra am-bava tsy mitsahatra ataon'ireo mpitantana ny fonja. Nolazain'i Eshrat Ardestani, reniny, tamin'ny Fanentanana Iraisampirenena momba ny Zon'Olombelona ao Iràna fa mila fikarakaràna ara-pahasalamana maika izy rehefa nidina ambany ny tosidràny nandritry ny hetsi-panoherany.

“Tena toy ny ratsy mihitsy izay nahitàna an'i Atena izay fony izahay nitsidika azy ny 15 Septambra 2015 teo. Zara raha afaka mamindra izy ary tsy afaka mijoro amin'ny tongony roa. Avy eo fantatray fa efa telo andro nanaovana fitokonana maina [tsy hisotro rano sy hisakafo] izy. Tamin'ny andro fahaefatra, nidina ambany be ny tosidràny ka nahatery azy ireo hitondra azy tany amin'ny toeram-pitsaboana teo ambony [filanjàna namboarina ankamehana tamin'ny ] bodofotsy,” hoy i Ardestani.

Raha nanontaniana ny antony nahatonga an'i Farghadani handà sakafo sy rano, dia nolazain'ny reniny fa miverimberina loatra ny herisetra am-bava ataon'ireo mpitantana ny fonja aminy, amin'ny fiheverana fa nanana firaisana ara-nofo tamin'i Mohammad Moghimi, mpisolovava azy izy, .

Nofonjaina nandritry ny andro efatra i Moghimi tamin'ny 13 Jona 2015, taorian'ny nandraisany ny tànan'i Farghadani nandritra ny fitsidihana iray nataony tao am-ponja ary nampangaina ho “nanana firaisana tsy ara-drariny ivelan'ny tokantrano.”

“Nolotoin-dry zareo tao am-ponja ny hajan'ny zanako vavy. Ny maha-olona azy no lalaovin-dry zareo amin'ireo teny [ratsiny]. Efa taona iray mahery i Atena no niatrika izany fanimbazimbàna sy fampijaliana rehetra izany,” hoy i Ardestani nanampy.

Atena Farghadani, ilay nahazo ny lokan'ny Herimpo 2015 tamin'ny Cartooning Award avy amin'ny Cartoonists Rights Network International (CRNI), tambajotra iraisampirenena mpiaro ny zon'ireo mpanao sariitatra, dia nohelohina tamin'ny 1 Jona 2015 hifonja 12 taona sy sivy volana an-tranomaizina taorian'ny nanaovany sariitatra izay naneho mpikambana ao amin'ny Parlemanta Iraniana ho toy ny biby sy nandefasany azy tao amin'ny pejiny Facebook.

Ireo vesatra niampangàna azy dia ny “fihaonana sy fikambanana miafina manohintohina ny filaminam-pirenena,” “fampielezankevitra manohitra ny fanjakàna,” ary “faniratsiràna” ny Mpitarika Faratampony, ny Filoham-pirenena, ireo Mpikambana ao amin'ny Parlemanta, ary ireo olon'ny Fiarovana ny Revolisiona nàka am-bavany azy. Nalefa ho any amin'ny Sampana faha-54 ao amin'ny fitsaràna ambony [mpandrava didy] ny raharahany.

Nanamboatra mari-pamantarana ny aretin'ny lio ihany koa i Farghadani nandritry ny famonjàna azy.

“Be ny zavatra efa verin'i Atena amin'ny maha-tanora mendri-boninahitra mpianatry ny anjerimanontolo azy, nefa any am-ponja. Tsy misy na inona na inona hafa ho antenainy intsony. Tsy misy mihitsy ilàna izao fampijaliana ara-tsaina atao aminà tanora iray voafonja izao.  Fa inona no antony anaovan-dry zareo izay hahasarotra ny fiainany na dia efa any am-ponja aza?” hoy ny reniny.

Raha mila fandrakofana bebe kokoa momba ny raharahan'i Atena :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.