Antson'ny Mpikatroka Hampitsaharana ny Ady An-trano Naharitra 60 Taona Ao Myanmar

International Day of Peace Myanmar (6)

Sary nozarain'ny Tambajotran'ny Tanoran'i Yangon

Nankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho An'ny Fandriampahalemana tamin'ny 21 Septambra ny vondrona isan-karazany ao Myanmar tamin'ny alalan'ny diabe tao an-drenivohitra teo aloha Yangon, mitaky ny famotsorana ireo gadra politika sy ny famahana ny olan'ny ady an-trano naharitra am-polo taona maro ao amin'ny firenena.

Nanazava ny maha-zava-dehibe ny hampitsaharana ny ady ara-politika mitam-piadiana ao amin'ny firenena ny mpikarakara ny hetsika:

နှစ်ခြောက်ဆယ်ကျော် ပြည်တွင်းစစ်ပွဲများ ဖြစ်ပွားနေခဲ့သော ပြည်ထောင်စုကြီးအတွင်း စစ်မှန်သော ငြိမ်းချမ်းရေး ရရှိနိုင်ရန် ရည်ရွယ်၍ စက်တင်ဘာလ ၂၁ရက်နေ့ အပြည်ပြည်ဆိုင်ရာ ငြိမ်းချမ်းရေးနေ့တွင် ငြိမ်းချမ်းရေးလိုလားသူ ကျောင်းသားလူငယ်များ ပြည်သူများမှ တစ်နိုင်ငံလုံး ငြိမ်းချမ်းလွတ်လပ် ဟူသည့်ကြွေးကြော်သံဖြင့် ချီတက်ပွဲတစ်ရပ်ပြုလုပ်သွားမည်ဖြစ်ပါသည်။

စစ်မှန်သော ငြိမ်းချမ်းရေးရရှိရန်မှာ လက်နက်ကိုင် ပဋိပက္ခများသာမကပဲ နိုင်ငံရေး ပဋိပက္ခများပါ ပြေလည်ရန်လိုအပ်ပြီး နိုင်ငံရေးကြောင့် ဖမ်းဆီးခံထားရသော အကျဉ်းသား မရှိရန် လိုအပ်သည်ဟု ယုံကြည်သဖြင့် ယခုနှစ်ချီတက်ပွဲတွင် နိုင်ငံရေးအကျဉ်းသားအားလုံး ခြွင်းချက်မရှိ လွတ်မြောက်ရေးကို အထူးအလေးထား တောင်းဆိုသွားမည် ဖြစ်ပါသည်။

Ao anatin'ny fanantenana ahatongavana amin'ny tena fandriampahalemana ao anatin'ny Firaisantsika saina nanjakan'ny ady an-trano isankarazany nandritra ny 60 taona mahery, hanao diabe ny olom-pirenena sy ny mpianatra tia fihavanana amin'ny Andro Iraisampirenena ho An'ny Fandriampahalemana amin'ny 21 Septambra, hiantsoantso ny teny fanevan'ny Fandriampahaleman'ny firenena.

Ny ahatongavana amin'ny filaminana tena izy dia ny famahana olana tsy ny ady mitam-piadiana ihany fa ny ady ara-politika ihany koa, ary mino izahay fa tsy tokony hanana gadra politika ny firenena. Noho izany, hotakiantsika ny famotsorana ny tsy misy fepetra ny gadra politika rehetra.

Teo ambanin'ny fitondrana jadona miaramila nandritra ny dimampolo taona mahery i Myanmar. Nandritra izany fotoana izany, nihamafy ny ady an-trano teo amin'ny vondro-tafika sy ny mpioko mitam-piadiana ara-poko. Niditra tao anatin'ny  tetezamita ara-politika ny firenena tamin'ny 2011 izany mankany amin'ny fametrahana ny fitondrana demaokratika, saingy mbola nanjakan'ny ady mitam-piadiana ao an-toerana sy ny herisetram-piarahamonina izany. Olona eo amin'ny 1,5 tapitrisa nafindra toerana ao anatiny no mbola monina ao anaty toby vonjimaika noho ny ady an-trano maharitra sy ny adin'ny fiarahamonina manerana ny firenena. Araka ny filazan'ny Fikambanana Manampy ny Gadra Gadra Politika (Burma), mbola misy gadra politika 108 any am-ponja, anisan'izany ny mpianatra sasany izay mitaky fanavaozana.

Topazo maso ireo sary sasany tamin'ny diabe izay nalaina tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Tambajotran'ny Tanoran'i Yangon sy ny Andro Iraisampirenena Hoan'ny Fandriampahalemana, Myanmar:

International Day of Peace Myanmar (3)

Diaben'ny Fandriampahalemana tao Yangon. Sary nozarain'ny Tambajotran'ny Tanoran'i Yangon.

International Day of Peace Myanmar (2)

Hoy ny vakin'ny sora-baventy “Ny fananganana firaisana federaly no lalana mankany amin'ny tena fandriampahalemana.” Sary nozarain'ny Tambajotran'ny Tanora Yangon.

International Day of Peace Myanmar

Mpikatroka manao kabary nandritra ny diabe tao Yangon. Sary nozarain'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Fandriampahalemana, Myanmar.

International Day of Peace Myanmar (4)

Ny fehezanteny eo amin'ny fitafiana dia mivaky hoe: (Elatra) “Ario ny fitiavan-tenanao sy ny avonavonao.” (Vatana) “Ry namana, fotoana izao hanariana ny fankahalanao.” Sary nozarain'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Fandriampahalemana, Myanmar.

International Day of Peace Myanmar (5)

Hoy ny vakin'ny sora-baventy “Milamina ny firenena manontolo, afaka.” Sary nozarain'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Fandriampahalemana, Myanmar.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.