Mihamanatona ny fifidianana, mitodika any amin'ny media sosialy i Myanmar eo amin'ny kihon-dalan'ny demaokrasia

Profile Picture of Vote for Myanmar Facebook page.

Ny soratra eo amin'ny sary dia mivaky hoe “Andao hifidy.” Sary: Hifidy an'i Myanmar / Facebook.

Koa satria moa mihamanatona ny fifidianana ankapobeny ao Myanmar, dia mihamavitrika kokoa ny firaisamonim-pirenena amin'ny fananganana pejy Facebook sy amin'ny fampiroboroboana ny diezy amin'ny media sosialy ho fampahatsiahivana ny olona hifidy. Hita amin'ireo diezy malaza indrindra amin'izao fotoana izao ny #MyanmarVotes, #maepaysoh (#Andao hifidy), #CheckVoterList (Amarino ny lisi-pifidianana), ary ny #ivotebecause (mifidy aho satria).

Ho hita amin'ity fifidianana ankapobeny faharoa hotontosaina ao Myanmar amin'ny 8 Novambra ity ny antoko mpanohitra ao amin'ny National League for Democracy (NLD na Ligy Nasionaly ho amin'ny Demaokrasia), tarihin'i Aung San Suu Kyi, ilay efa nahazo ny Loka Nobel Fandriampahalemana, hifaninana amin'ny antoko mitondra eo amin'ny fitondrana Union Solidarity and Development Party (USDP na Antokon'ny Firaisankina sy ny Fampandrosoana). Eto amin'ity fifidianana ity no ijeren'ny maro ny fahavononan'ny governemanta amin'izao fotoana izao hanatontosa fifidianana marina sy madio, sy ho dingana lehiben'ny tetezamitan'ny firenena mankany amin'ny demaokrasia maoderina.

Koa satria efa manomboka, ny fotoam-panentanana dia efa samy nandrakotra ny aterineto amin'ireo fitaovana fampiroboroboana ny mpanohana ireo antoko roa tonta ireo. Mandritra izany fotoana izany ny pejy Facebook tahaka ny  Vote for Myanmar, Mae Pay Soh (#Andao hifidy), sy ny Let's Check Voter List (Andao hanamarina ny lisi-pifidianana) dia efa lasa sehatra malaza ahazon'ny vahoaka torohay amin'ny fombafombam-pifidianana. Mampahatsiahy ny olona amin'ny zony ho mpifidy sy amin'ny mahaolompirenena azy ny pejy tahaka ireny.

Noho ireo tatitra fisian'ny lisitry ny mpifidy hosoka, dia ampahatsiahivin'ireo mpanaramaso ny fifidianana ihany koa ny olompirenena hanamarina ny anarany eo amin'ny lisitra ofisialin'ny mpifidy. Ho fanohanana ity fanentanana ity, dia mandrisika ny mpankasitraka azy ihany koa ireo olo-malaza hampiely ny fampahatsiahivana.

Ny kisarintsarin-tsoratra eto ambany no mampianatra ny mpifidy ny fomba atao ahitana tokoa fa tafiditra ao anatin'ny rejisitra ofisialy ireo mpifidy:

Kisarisary avy amin'ny pejy Facebook-n'ny Hamarino ny Lisitry ny Mpifidy.

Miangavy ny olona hamoaka sary ny pejy Facebook Andao hanamarina ny lisitry ny mpifidy rehefa voamarin-dry zareo tsara fa ao anaty lisitra ny anaran-dry zareo. Mpikatroka LGBT iray namoaka sary iray manasongadina izao hafatra manaraka izao:

မဲစာရင်း ကြည့်ပြီးပြီလား ။ တို့တော့ ကြည့်ပြီးပြီ၊
မဲစာရင်း ဆိုတာ နိုင်ငံသားတစ်ယောက်ရဲ့ အခွင့်အရေး ဖြစ်ပါတယ် ။
LGBT (လိင်စိတ်ခံယူမှု ကွဲပြားသူ)တွေကလည်း နိုင်ငံသားတွေဖြစ်ပါတယ် ။ ကဲ LGBT အသိုက်အဝန်းမှ လူများ မဲစာရင်း ကြည့်ပြီးကျပြီလားရှင့်။
ကျမတို့ရဲ့ အခွင့်အရေး တွေကိုဆောင်ရွက်ပေးနိုင်မယ့် အမတ်လောင်း ကို ရွေးချယ်မဲပေးနိုင်ဖို့ မဲစာရင်းကြည့်ဖို့လိုအပ်ပါတယ်။
မဲစာရင်းသွားကြည့်စို့။ မဲစာရင်းသွားကြည့်အောင် တိုက်တွန်းကြစို့။
#CheckVoterList

Efa nanamarina ny lisitry ny mpifidy ve ianao? Nanamarina.

Zon'olompirenena ny lisitry ny mpifidy.

Olompirenena ihany koa ny LGBT. Efa nanamarina ny lisitry ny mpifidy ve ny fiarahamonina LGBT?

Ilaintsika ny kandidà iray izay ho afaka ny hiasa ho amin'ny zontsika.

Na izany aza dia mila manamarina ny lisitry ny mpifidy isika ary handrisika [ny ao amin'ny fikambanantsika] hanamarina sy [hifidy].
#CheckVoterList

Eny fa na dia ny mpiantsehatra vavy iray ao Hollywood, Angelina Jolie, aza dia naka fotoana hanaovana hafatra amin'ny lahatsary—izay niely haingana dia haingana—mandrisika ny olompirenena ao Myanmar hifidy handrotsa-bato. Mandritra izany fotoana izany, ny governemanta, amin'ny alalan'ny Firaisan'ny Vaomieran'ny Fifidianana, efa nahazara lahatsarin’ny artista isan-karazany ao amin'ny Facebook hitaiza ny olona amin'ny zony hifidy.

Navandravandran'i Thein Sein filohan'i Myanmar ihany koa ny anjara toeran'ny fifidianana 2015 eo amin'ny famolavolana ny hoavin'ny firenena. Ny pejy Facebook Mifidiana ho an'i  Myanmar dia nizara ny fehin'ny kabarin'ny filohampirenena:

မဲဆန္ဒရှင်ပြည်သူလူထုအနေနဲ့ အခြေခံကျတဲ့ နိုင်ငံသားတာဝန်ဖြစ်တဲ့ ဆန္ဒမဲပေးခြင်းဆိုတဲ့တာဝန်ကို မပျက်မကွက် ထမ်းဆောင်ဖို့ တိုက်တွန်းလိုကြောင်း၊ ဆန္ဒမဲပေးတဲ့အခါမှာလည်း မိမိတို့ကိုယ်အမှန်တကယ်ကိုယ်စားပြုမဲ့၊ ပြည်သူလူထုရဲ့ လိုလားချက်များကို အမှန်တကယ်ဖော်ဆောင်ပေးနိုင်တဲ့၊ အရည်အသွေးရှိတဲ့ လူထုကိုယ်စားလှယ်များကို ရွေးချယ်တင်မြောက်ပေးကြဖို့ အထူးအရေးကြီးကြောင်း၊ ဒါမှသာလျှင် ကျွန်တော်တို့အားလုံးရဲ့ မျှော်မှန်းချက်ဖြစ်တဲ့ ဒီမိုကရေစီထွန်းကားပြီး ပွင့်လင်းလွတ်လပ်တဲ့ လူ့အဖွဲ့အစည်းတစ်ရပ်တည်ဆောက်ရေးကို ၂၀၁၅ အထွေထွေရွေးကောက်ပွဲများကနေ ဆောင်ကြဉ်းပေးနိုင်မှာ ဖြစ်ကြောင်း နိုင်ငံတော်သမ္မတဦးသိန်းစိန်မှ ပြောကြားသည်။

Ampirisihan'ny filoha Thein Sein ny vahoaka hampihatra ny andraikitra fototra hifidy, ary navoitrany fa tena zavadehibe ny mifidy ny kandidà izay tena hitondrateny tokoa amin'ny tombontsoam-bahoaka tsara indrindra, hanatanteraka ny zavatra ilain'ny olona, ary manana ny fahaiza-manao tsara indrindra. Izay isika vao afaka mampiroborobo ny karazana demaokrasia irintsika, ary ho afaka mandroso mankany amin'ny fananganana fiarahamonina misokatra sy malalaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.