“Nandositra” Ny Mpandraharaha Ambony Iray Ao Hong Kong. Manontany Ny Mpiserasera Shinoa hoe, Nahoana Kosa Izy No Tsy Tokony Handositra?

Li Ka Shing took photo with former Chinese leader Deng Xiaoping in 1990. Screen capture from Youtube.

Li Ka Shing maka sary miaraka amin'ny filoha Shinoa teo aloha Deng Xiaoping tamin'ny taona 1990. Pikantsary tao amin'ny YouTube.

Namindra tsikelikely ny fandraharahany hiala ao Shina tanibe sy Hong Kong nanomboka tamin'ny taona 2013 ilay olona ambony malaza ao Hong Kong, Li Ka Shing, herintaona taorian'ny nandresen'i Leung Chun-ying an'i Henry Tang, kandidà tohanan'ny sehatry ny fandraharahana tamin'ny fifidianana izay ho filoha mpanatanteraka ny tanàna.

Ny fanapahan-kevitra noraisiny farany dia ny famarotana ny tranobe iray ao Shanghai tamin'ny vidiny 20 miliara yuan (eo amin'ny 3,14 lavitrisa dolara Amerikana eo) ary nanolo-kevitra handray ny renivolany ao amin'ny orinasa mpamokatra herinaratra ao Hong Kong ny orinasa ivelan'ny morontsiraka ao Cheung Kong, fanapahan-kevitra sokajian'ny Tsanganan'ny Marainan'i Shina Atsimo ho “fizarana farany amin'ny fialàny ao an-tanàna izay efa voaomana tsara.”

Fotoana fohy taorian'ny fanambarana fanovana, dia namoaka lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe , “Aza avela hitsoaka i Li Ka Shing” ny Vondron'Olona mpandini-draharaha mikambana amin'ny governemanta Shinoa, izay nitsikera ireo goavan'ny fandraharahana ao an-tanàna ho mandray tombontsoa avy any Shina kanefa tsy manatanteraka ny adidin'izy ireo ara-tsosialy, tahaka ny sehatry ny fandraharahana mpitari-dalana mihazona ny fahamarinan-toerana ao Hong Kong, manangana fampiantranoana ara-toekarena sy mampiasa vola amin'ny orinasa ara-tsosialy. Na dia nofafana haingana tao amin'ny habaka aza ny lahatsoratra, dia nanjary lohahevitra mafana tao amin'ny media sosialy Shinoa ny “Aza avela handositra i Li Ka Shing” saingy nasiana fanovana. Namerina indray ny fanontaniana ny ankamaroan'ny fanehoan-kevitra, nanontany ny antony tsy tokony handosiran'i Li Ka Shing.

Ny fiforonan'ny ‘sarangan'ny tena mpanankarena’

Nasongadin'ny piesy natao fanivanantena :

众所周知,在中国,地产行业与权力走的很近,没有权力资源,是无法做地产生意的。由此,地产的财富,并非完全来自彻底的市场经济。恐怕不宜想走就走。[…] 低买高卖,确实是市场经济,但是,地产、港口等产业,恰恰是中国最不市场化的产业,没有权力的扶助,哪里来的机会?合作时借权力,卖出时说市场,似乎双重标准,让人难以淡定。

Fantatry ny rehetra fa miasa miaraka amin'ny manampahefana akaiky ireo mpandraharahan'ny fanana-mifàka [immobilier]. Rehefa tsy manana fifandraisana ara-politika dia tsy afa-mivelatra eo amin'ny tontolon'ny fanana-mifàka. Izany no mahatonga ny harena ateraky ny fanana-mifàka tsy ho avy amin'ny tsena malalaka. Tsy mety amin'izy ireo ny handao ny firenena araka ny sitrapony […] Amin'ny toekarenan'ny tsena dia mitobina ny mividy mora sy mivarotra lafo. Saingy eo amin'ny fandraharahan'ny fanana-mifàka sy ny seranana, ireo sehatr'asa ireo no tsy misy indrindra eo amin'ny tontolon'ny tsena [ao Shina], ka raha tsy misy ny fanampian'ny manampahefana dia tsy hisy mihitsy ny fanararaotra. Mindram-pahefana amin'ny anaran'ny fiarahamiasa ianao. Fa rehefa mivarotra azy ianao dia miresaka tsena izay. Mandray roa izany ary tsy azo ekena.

Nanome tsiny bebe kokoa ny hevitra “olon'i Hong Kong no mitondra an'i Hong Kong” ny lahatsoratra avy eo, nampidirina tao ny Fanambarana niarahan'ny Shinoa sy ny Britanika izay nanambaran'i Angletera fa hanolotra an'i Hong Kong zanataniny teo aloha amin'i Shina tamin'ny taona 1997, ho miteraka ny sarangan'ny mpanankarembe:

香港四十大家族占据全港三分之二的财富,集中程度非常吓人。[…] “港人治港”的政策,客观上造就了豪族,而在回归之后,这种势力则更是有增无减[…] 为今之计,为争取民心,推动改革 […] 中央政府应权衡利弊,果断抛弃不再有利用价值的香港豪族,平抑豪族,扶持农工,在政治上,推动社会阶层的扁平化,在经济上,发展多元产业,防止一业独大。

Fianakaviana efapolo ao Hong Kong no mitàna ny roa am-pahatelon'ny harena ao an-tanàna. Mampivarahontsana ny tahan'ny fitobian-karena. […] Niteraka sarangan'ny mpanankarembe ny “olon'i Hong Kong no mitondra an'i Hong Kong” ary niharihary kokoa izany lamaody izany taorian'ny fitambarana indray tamin'i Shina. […] Ny vahaolana tokana dia ny fahazoana ny fanohanan'ny olona amin'ny fanavaozana […] Tokony hodinihan'ny governamanta foibe ny toe-draharaha ary hialàna ny sarangan'ny mpanankarembe, foanana ny fahefan'izy ireo ary omena ny olo-tsotra ny tombotsoa. Raha jerena ara-politika, tokony hampitoviana tantana ny fiarahamonina, ary raha tenenina ara-toekarena dia tokony ahitana karazan-toekarena ao an-tanàna ary sorohina ny ampihimamban'ny indostria tokana.

Tsy vao voalohany ny gazetim-panjakana Shinoa no nitsikera an'i Li Ka Shing. Tamin'ny fiandohan'ny volana Janoary, namoaka lahatsoratra mandrisika ny vahoaka mba tsy hatahotra ny fikasan'i Li hanaisotra ny fampiasam-bola ao Shina ny Global Times.

Amin'ny maha mpitarika ambony eo amin'ny sehatry ny fandraharahana azy, dia olona manana ny maha-izy azy tao amin'ny Mandan'Asa Tafaray an'ny Antoko Komonista Shinoa i Li ary manana fifandraisana betsaka manokana amin'ireo mpitarika ao amin'ny antoko, anisan'izany i Deng Xiaoping efa maty, injenieran'ny fanavaozana ara-toekarena liberaly ao Shina. Midika ho fanovana ny politikam-panjakana ao Hong Kong ny tsikera misokatra mahazo an'i Li

‘Nandray fanapahan-kevitra tsara i Li’

Na dia marina aza ny voalazan'ny lahatsoratra amin'ny filazana ny olan'ny hantsana ara-toe-karena ao Hong Kong ary hita ny fiaviany avy amin'ny firaisana tsikombakomban'ny governemanta sy ny mpandraharaha, dia maro ireo nahita ny baiko “manafoana ny mpanankarena, mividy ny fanohanan'ny olo-tsotra, manamafy ny fahefan'ny antokom-panjakana” (打压富豪,收买底层,扩大政权根基) ho fampahatsiahivana ny hetsika adin-tsaranga nandritra ny Hetsika miady amin'ny helatra ankavanana sy ny Revolisiona Ara-kolontsaina.

Amin'ny lohatenim-baovao ao amin'ny Weibo, mitovy amin'ny Twitter ao Shina, tsy nankasitraka ny lahatsoratry Mpandini-draharaha ny ankamaroan'ny mpiserasera Shinoa. Ireto ambany ireto ny dikan'ireo fanehoan-kevitra miavaka sasany nofantenana tao amin'ny randram-baovao:

冬江水冷鸭先知。意识形态左转,香港政改泡汤,李先生感到不踏实。36计,走为上

Ny ganagana no biby voalohany mahatsiaro maripàna mangatsiaka ao an-drenirano amin'ny ririnina. Ny fivadibadihan'ny firehan-kevitra, tsy fahombiazan'ny fanavaozana ara-pifidianana ao Hong Kong. Mahatsiaro sahiran-kevitra amin'izany rehetra izany Andriamatoa Li ary tsy maintsy nandeha

再不撤资 就要被共产了….

Raha tsy mandao an'i [Shina] izy, hongiazan'ny komonista ny volany…

没几年马云都会跑

Ao anatin'ny roa taona, hitsoaka ihany koa i Jack Ma  [mpanorina ny Alibaba, sehatra ara-barotra antserasera goavana indrindra ao Shina]

不是说好了依法治国吗?李嘉诚的公司如果在大陆经营过程中如果有行贿逃税等违法行为,依法查处就是了,既不敢查怕牵扯出某些得罪不起的大人物,又不爽老李在老李在内地捞了那么多拍拍屁股就走的行为,只能喊两句早已过时惹人笑话的口号了!

Nankaiza ny fitsipi-dalàna? Raha nahavita fandosiran-ketra na kolikoly i Li tamin'ny fandraharahana nataony tao Shina, ampiasao ny lalàna. Toa tsy sahy mamoaka [ny antsipirahan'ny kolikoly vitan’] ireo rahalahy goavana mifandray amin'i Li ianao, kanefa kivy koa amin'ny fandosiran'i Li miaraka amin'ny vola betsaka azony. Tahaka ny hanihany ny mandre teny faneva ara-politika.

这些文章确实代表的是官方的意思。只看这文章,就说明李跑对了!还有很多人要跑

Mampiseho ny fijery ofisialy ity lahatsoratra ity. Amin'ny famakiana azy, nandray fanapaha-kevitra tsara i Li mba hitsoaka. Maro ihany koa no tokony handositra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.