Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Brezila: Toro-hevitra hiatrehana ny krizy avy amin'ilay mpivarotra popcorn an-dalambe

(Marihana fa efa tamin'ny volana Aprily taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Talohan'ny fanombohan'ny krizy ara-toekarena manerantany, an-dalana ho lasa mpandraharaha malaza ao amin'ny firenena ilay Breziliana mpivarotra an-dalambe iray tamin'ny fanaovana zavatra iray: mivarotra popcorn, manana fahaizana manokana amin'izany. Niasa ho mpiasan'ny fambolena i Valdir Novaki, 36 taona, mandra-pahatongany tao Curitiba, tamin'ny taona 1988, izay nanombohany niasa ho mpivarotra gazety, ary avy eo mpamily fiara eny amin'ny fiantsonana. Ny hahazo fahazoan-dalana hanokatra fivarotana popcorn sy ho lasa lehilahy mpandraharaha mahomby no tanjony. Ny tanjony farany dia ny ho lasa mpivarotra popcorn mendrina indrindra sy tsara kalitao indrindra ao Brezila. Ity ny mombamomba azy:

If every one can have a website, why a popcorn seller could not have one?

“Raha afaka manana tranonkala ny tsirairay, nahoana ny mpivarotra popcorn no tsy hanana?”

Mpivarotra popcorn Valdir: Valdir Novak, 36 taona, teraka tao São Mateus do Sul-PR, manambady, manan-janaka 1, ambaratonga faha-4 tany amin'ny sekoly fanabeazana fototra, mpiasa tany (fambolena) nandritra ny fahatanorana, 20 taona nandraisana mpanjifa (fivarotana gazety, sakafo maivana, popcorn). Monina ao Curitiba-PR hatramin'ny taona 1988.

Fifandraisana: Amin'ny alalan'ny “fifandraisana” amin'ny tranonkala na finday: (+55) 41-8417-6579

Toetra manokana: Tia mifandray, tia manampy sy tia mandinika.

Talenta: fahaizana lehibe hahatakatra momba ny tombontsoa ara-pihariana; mora mahazo lesona/torolalana; fahaiza-mitantana; fahaizana mampianatra olona amin'ny ambaratonga rehetra.

Naharitra 12 taona i Valdir vao nahazo fahazoan-dalana avy amin'ny filan-kevitry ny tanàna, ary tamin'ny fotoana nahatanteraka ny nofinofiny, efa tao anatin'ity fihariana ity nandritra nandritra ny telo taona izy, nanofa trano kely fivarotana popcorn manana alalana izay an'ny namany. Rehefa nahazo ny fahazoan-dàlany manokana i Valdir, dia afaka nivarotra popcorn tamin'ny toerana iray ao amin'ny Kianjan'i Tiradentes, izay niasany efa ho 3 taona. Vetivety dia niroborobo ny fihariana, tamin'ny fomba tsy mahazatra amin'ity sehatra mbola tery ity. Álvaro Borba [pt] milaza amintsika ny mampiavaka an'i Valdir, sy toa manintona ny mpanjifa: nahavita nanavao sehatra iray izay heverin'ny maro fa manana toerana kely ho an'ny fampiasana sary an-tsaina izy:

O novo carrinho foi levado para a Praça Tiradentes, o marco zero de Curitiba, e ganhou uma identidade visual feita especialmente para ele. Surgiu, também, o kit higiene, que inclui palito de dente, guardanapo, balinha de hortelã (sempre providencial depois da comilança) e material promocional elogiando a qualidade dos ingredientes, aos quais o pipoqueiro hoje se refere como “insumos”. No bolso frontal dos uniformes usados por ele foram estampados os dias da semana, para que o freguês tenha a certeza de que Valdir não usa hoje a roupa suja de ontem. Por fim, foi criado um plano de fidelidade para beneficiar os mais assíduos e um site (saboreie aqui) para divulgar a marca Pipoca do Valdir.

website

Ao amin'ny Kianjan'ny Tiradentes, tanànan'i Curitiba no misy ny fivarotany vaovao, ary be mpahita noho izy toeram-pivarotana miavaka. Napetraka ihany koa ny fitaovana ara-pahadiovana, harona plastika ahitana hazo kely fisokirana tainify, servieta, vatomamy solila (ilaina aorian'ny fihinanana be loatra) sy ny fitaovana fandrisihana midera ny kalitaon'ny fangaron-tsakafo ampiasaina, izay antsoin'ity lehilahin'ny popcorn ankehitriny ity fa “fanokafam-bavony”. Apetraka printy eo anoloan'ny paosin'ny fanamiana hanaovany ny anaran'andro amin'ny herinandro, amin'izay mahazo antoka ireo mpanjifa fa tsy akanjo omaly intsony no hanaovan'i Valdir androany. Farany, fandaharana hanomezana tombontsoa an'ireo mpanjifa mazoto indrindra sy tranonkala (ankafizo eto izany [pt]) hampiroboroboana ny marika Popcorn an'i Valdir.

Manome “promotion (fihenam-bidy)” amin'ny alalan'ny karatra fahazotoana manjifa i Valdir: ka mahazo harona popcorn maimaim-poana isaky ny mividy fani-diminy ny mpanjifa. Ny faharoa, antsoina hoe “ampolon'ny folo”, dia mandoa vola hahazoana harona popcorn folo mialoha ny mpanjifa ary mahazo roambinifolo. Tao amin'ny tranonkalany, misy ny sarintany ahitana ny toerany mahazatra ho an'ireo mpanjifa vaovao mba hahitana azy ary koa famaritana antsipirahany momba ny fitaovana sy ny vokatra, anisan'izany ireo mpamatsy akora. Mizara ny fomba fanaovana popcorn sy ny tsara ho fantatra momba izany, ireo fijoroana vavolombelona avy amin'ny mpanjifany ary koa vaovao momba ny asa an-tsitrapo ataony amin'ny fikambanan'ny olona sembana, Pequeno Cotolengo sy ny Hôpitaly Fitsaboana Homamiadana Erasto Gaertner, izay hitondrany ny fivarotany popcorn hampialana voly ny ankizy i Valdir. Misy ihany koa ny vaovao mikasika ny fandrosoany arak'asa vaovao: fampianarana momba ny fihariana sy ny varotra.

Valdir, on a lecture for a bank

Valdir, nanao valan-dresaka ho an'ny banky iray. Sary tao amin'ny tranonkalany.

Na dia eo aza ny zava-misy fa sekoly fanabeazana fototra fotsiny no nodiavin'i Valdir, manazatra mpianatra sy mpandraharaha amin'ny ambaratonga rehetra izy ankehitriny. Nandritra ny herintaona monja, nitety an'i Brezila i Valdir manome fampianarana mampazoto, toro-hevitra momba ny fandraharahana ary angamba aingam-panahy vitsivitsy. Ny heviny sasany momba ny fomba hampandrosoana ny fihariana dia avy amin'i Ricardo Coelho [pt], mpanolotsaina ara-barotra sy ara-pihariana sady mpampianatra ary mpanjifa tsy tapaka ny popcorn-ny. Nahita talenta voajanahary tao amin'i Valdir izy ary nanampy tsikelikely ity mpivarotra popcorn an-dalambe ity nanomboka teo mba ho lasa mpanazatra momba ny fihariana i Valdir.

Todos nós sabemos da importância em ajudar quem quer ser ajudado e a satisfação de participar do sucesso destes nossos parceiros. Isto ocorre comigo, quando referendo o pipoqueiro Valdir como um exemplo vivo do que é ser empreendedor e como a prática é uma escola com muito mais conteúdo do que muitos livros de grandes pensadores mercadológicos.

Fantatsika rehetra ny maha-zava-dehibe ny fanampiana ireo izay mila fanampiana sy ny fahafinaretana azontsika amin'ny fandraisana anjara hampahomby ny namantsika. Mitranga amiko izany, rehefa midera an'i Valdir, mpivarotra popcorn ho ohatra velona momba ny atao hoe fandraharahana aho, ary ny fomba fampiharana dia sekoly ahitana votoaty bebe kokoa noho ny boky maro nataon'ireo mpandinika lehibe ara-barotra.

Mizara ny tantaram-piainany voalohany amin'ny maha-mpanjifa azy i Marina [pt], niaiky fa mpankafy popcorn ary manazava ny antony mahatonga an'i Valdir no mpivarotra popcorn ankafiziny hatrizay:

Com dois reais você compra um BIG pacote de pipoca (que vem com aquela sacolinha para você poder levar melhor pela sua caminhada e onde a ajudante do pipoqueiro faz questão de colocar mais pipoca ). Só que além disso, olha o que é ser pipoqueiro no século XXI: ele coloca um pacotinho com um guardanapo, um palito de dente e uma bala de hortelã. Quer mais do que isso? Ele ainda te atende como se você fosse a melhor cliente, a mais especial e que ele ficou muito feliz em ver! Além de alguns visíveis cuidados de higiene. Para ver, que até no mercado de pipocas é preciso se adaptar… Viva o Valdir, o melhor pipoqueiro do mundo!

The Hygiene Kit - Why didn't anybody think about it before?

Fitaovana ara-pahadiovana-nahoana no tsy nisy nihevitra izany taloha?

Amin'ny vidiny R $ 2.00 no hividiananao ny fonosana popcorn LEHIBE (izay ao anaty harona mora entina mandritra ny dianao sy azo antoka fa nofenoin'ny mpanampin'i Valdir popcorn bebe kokoa). Saingy ambonin'izany, jereo izay mpivarotra popcorn tamin'ny taonjato faha-21: nanampy harona kely miaraka amin'ny servieta, fisokirana tainify sy vatomamy solila izy. Inona no mbola tadiavinao? Mandray anao ihany koa izy toy ny hoe ianao no mpanjifa tsara indrindra, ilay manokana indrindra ary mampiseho fa tena faly izy mahita anao! Ankoatra izany, misy marika famantarana hita fa miahy ny fahadiovana izy. Hitanareo, na dia ao amin'ny tsena popcorn aza isika dia mila manara-bolontany … Ho ela velona i Valdir, mpivarotra popcorn mendrika indrindra manerana izao tontolo izao!

Nanadihady an'i Valdir ny Geziane de Mattos Diost [pt] ary nanamafy fa tena tia namana, tsara fanahy ary manintona izy, olona mahafantatra ny fomba hampifaliana ny mpanjifa rehetra sy mamaly ny filàn'izy ireo rehetra, miaraka amin'ny tsikitsiky lehibe eo amin'ny tarehiny. Ny fifantohana, ny fanavaozana ary ny fahaiza-mamorona no teny filamatrany, fa ankoatra izay, tiany ny zavatra ataony ary izany no mety hahatonga ny popcorn ho matsiro kokoa noho ny an'ny mpifaninana aminy:

Mas o sr. Valdir vive sempre assim, de bom humor? “Ah, todo dia eu tô de bom humor. E o segredo pra isso é a gente olhar pra trás. Se a gente olhar pra trás, vai ver que tem gente muito pior que a gente. Eu tô com saúde, tô trabalhando, minha família não tá passando necessidade… então, é só alegria! Dessa forma a gente supera as dificuldades! Tô sempre com o sorriso no rosto porque eu sempre digo que o sorriso é a menor distância entre duas pessoas. E pra eu ser um pipoqueiro eu tenho que estar feliz!”.

Atoa Mr Valdir, faly endrika foana ve ianao? “Oh, falifaly endrika aho isan'andro. Ary ny tena zava-dehibe dia ny mijery lavitra. Raha mijery lavitra isika, dia ho hitanao fa misy olona [miaina] amin'ny fepetra ratsy bebe kokoa noho isika. Salama aho, miasa aho, tsy sahirana ny fianakaviako … Noho izany dia fifaliana izany! Izany no ahafahantsika mandresy zava-tsarotra! Mitsiky foana aho satria, araka ny lazaiko hatrany, ny tsiky no halavirana fohy indrindra eo amin'ny olona roa. Ary ho ahy amin’ ny maha-mpivarotra popcorn, tsy maintsy faly aho.

valdir_pipoqueiro8

valdir_pipoqueiro21

Valdir miasa ao amin'ny “asa-tanany”, araka ny fiantsoany ny toeram-pivarotana. Avy amin'i Bruna Bazzo ny sary roa eo ambony, nahazoana alalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.