· Novambra, 2017

Below are posts about citizen media in Arabic. Don't miss Global Voices الأصوات العالمية, where Global Voices posts are translated into Arabic! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Novambra, 2017

Egypta : 89 Isanjaton'ny Tanora No Manohana ny Sivana an'Aterineto

  25 Novambra 2017

Sivy amby valopolo isanjaton'ny tanora Egyptiana, ankizivavy na ankizilahy no milaza fa manohana ny sivana amin'ny aterineto, araka ny fanadihadiana vao haingana. Mizara ireo tarehimarika ireo ny Bloggers Times izay nalaina  tao amin'ny Vavahadin-tseraseran'ny Ivontoerana Egyptiana momba ny Fampahalalam-baovao sy ny Fanampiana amin'ny Fanapahan-kevitry ny Governemanta, sampan-draharaha ofisialin'ny Fanjakana Egyptiana

Bahrain: Nahoana Ny Biraon'i Al Jazeera No Nakatona?

Nambaran'i Bahrain fa vonjimaika no nanakatonana ny biraon'ny Fantsona Al Jazeera Mandeha amin'ny Zanabolana noho ny "fanitsakitsahana ireo fifanarahana arak'asa". Mihetsika amin'ny fampiroboroboana ity lahatsoratra ity ireo mpitoraka bilaogy sy mpibitsika - indrindra fa taorian'ny tsaho niely fa nakatona ny foibe any Katàra noho ny tatitra navoakany momba ny fahantrana ao Bahrain. Mandritra izany fotoana izany, milaza ny Al Jazeera fa tsy mbola nampiasa akory ny birao tao Bahrain fa inona no tena zava-nisy marina?

May  Ny “Al Ghad” Tao Egypta

  21 Novambra 2017

May ny hariva talohan'ny fivoriambe saika ataon'izy ireo ny foiben'ny antoko Ayman Nour: Al Ghad (Antokon'ny Ampitso) . Araka ny fitantaran'ireo bilaogera, nodoran'ny jiolahimboto ilay tranobe ary nanakatsakana ny ezak'ireo mpamono voina tamin'ny famonoana ny afo izy ireo.

Syria: Nanangana Ny Klioban'ny Mpamaky Boky Ireo Bilaogera

  19 Novambra 2017

Sambany no manolotra ny hetsika mamelombelona teo amin'ny tontolon'ny bilaogy Siriana ny vondrona bilaogera Siriana dia ny fananganana ny vondrona mpamaky boky antserasera izany. Misafidy ny boky izay vakiany ireo mpandray anjara ary mamoaka ny heviny ao amin'ny bilaoginy manokana  folo andro aty aoriana. Manana ny tranokalany ho azy manokana ny klioban'ny mpamaky boky.......

Jordania: Ny Bilaogin-dahatsarin'ny Mpanjakavavy Rania

  09 Novambra 2017

Nosaloran'ny Blogger Times, gazetibokin'ny bilaogy tantanan'ireo bilaogera Arabo,  ny anarana hoe "bilaogeran-dahatsary Arabo malaza indrindra " tao amin'ny YouTube ny mpanjakavavy Rania any Jordania  taorian'ny fahombiazan'ireo andian-dahatsary tao amin'ny YouTube izay nalefany mba hiadiana amin'ny karazana fiheveran-diso mikasika ny Arabo.

Ireo pejinay momba an i Arabo

ar